2014
Fanamarihana mikasika ny fivoaran’ireo tempoly, Manampahefana Vaovao Notohanana Nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mey 2014


Fanamarihana mikasika ny fivoaran’ireo tempoly, Manampahefana Vaovao Notohanana Nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany

“Nandeha tsara tsy nahitana sakantsakana ny fanatanterahana ny asan’ny Fiangonana” tao anatin’izay enim-bolana lasa izay hoy ny Filoha Thomas S. Monson tao anatin’ny lahateny fanofakafana nataony nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany Fanao Isan-taona faha-184.

Rehefa nitantara mikasika ny fitokanana ny Tempolin’i Gilbert Arizona tamin’ny 2 Martsa 2014, sy tsindrindaona amin’ny fitokanana afaka fotoana vitsy ny Tempolin’i Fort Lauderdale Florida ny Filoha Monson, ary nanao filazana mialoha mikasika ny famitana sy ny fitokanana tempoly any amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao mandritra ny 2014 sy 2015, dia nanamarika izy fa rehefa vita daholo ireo tempoly rehetra nambara teo aloha fa haorina dia hanana tempoly miasa miisa 170 isika manerana an’izao tontolo izao.

“Na dia mampifantoka ny ezaka ataonay amin’ny famitana ireo tempoly nambara teo aloha aza izahay amin’izao fotoana izao ary tsy hanambara fananganana tempoly vaovao ato ho ato” hoy izy, “dia hanohy handinika ireo zavatra ilaina sy hitady toerana ho an’ireo tempoly haorina amin’ny hoavy. Ao anatin’ireo fihaonamben’ny Fiangonana amin’ny hoavy izany vao hisy ny fanambarana. Olona mpanangana tempoly sy mpanatrika tempoly isika.”

Nandritra ny fihaonambe dia nisy ny fanohanana mpikambana vaovao iray ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy sy Manampahefana Ambony vaovao efatra ary fiadidiana vaovaon’ny Sekoly Alahady sy Fitopololahin’ny Vondrom-paritra miisa 42.

Voantso ho ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ny Loholona Lynn G. Robbins.

Notohanana hanompo ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy ny Loholona Jörg Klebingat avy any Kiev, Ukraine, sy ny Loholona Chi Hong (Sam) Wong avy any Hong Kong, Chine. Notohanana ho mpikambana ao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy ny Loholona Larry S. Kacher avy any Midway, Utah, sy ny Loholona Hugo E. Martinez avy any Arecibo, Porto Rico.

Ny Loholona Tad R. Callister izay nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy sy mpikambana tao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy dia notohanana ho filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany niaraka tamin’i John S. Tanner sy Devin G. Durrant ho mpanolotsaina voalohany sy faharoa.

Jereo ao amin’ny pejy 26–27 ny lisitra iray manontolon’ny fanohanana sy ny fisaorana natao ary jereo manomboka ao amin’ny pejy 141 ny tantaram-piainan’ny Loholona Robbins sy ny an’ireo Fitopololahy vaovao voantso ary ny an’ireo izay ao anatin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany.

Herinandro talohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia notanterahina tao amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana ny fivoriambe voalohan’ny vehivavy maneran-tany—izay natao ho an’ny vehivavy sy ny zatovovavy ary ny ankizivavy valo taona no ho miakatra rehetra. Misolo toerana ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany sy ny fivorian’ny Zatovovavy maneran-tany nisy teo aloha izany. Hita ao amin’ny pejy 116–28 ireo hafatra rehetra avy amin’ny fivoriamben’ny vehivavy.

Talohan’ny fihaonambe koa dia nisy ny fanovana teo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny Zatovovavy ka nahitana rahavavy izay vao voalohany no nantsoina any amin’ny toerana misy azy any, ankoatra an’i Salt Lake City. Tafiditra ao anatin’izany i Pérou, Afrique du Sud; Japon; Brésil; ary i Brooklyn, New York, Etazonia. Vakio ao amin’ny lds.org/callings/young-women ny tantaram-piainan’izy ireo ary jereo ao koa ny sariny.

“Nitondra hafatra mifono fitiavana ho an’ny lehilahy sy vehivavy rehetra eto an-tany ny Mpamonjy,” hoy ny Filoha Monson tany amin’ny fiafaran’ny fihaonamben’ny Fiangonana. “Aoka isika hanaraka lalandava ny ohatra nasehony.” Nanome toky ny mpikamban’ny Fiangonana sy ireo hafa nihaino izy hoe: “Mieritreritra antsika ny Raintsika any an-danitra. Hitarika sy hitahy antsika Izy rehefa mametraka ny finoantsika sy ny fitokisantsika eo Aminy isika.”