2014
Ho hita ao amin’ny tranonkala LDS.org ny Fanofanana ny Mpitarika ao amin’ny Vondrona Mpanampy
Mey 2014


Ho hita ao amin’ny tranonkala LDS.org ny Fanofanana ny Mpitarika ao amin’ny Vondrona Mpanampy

Mba hitondrana amin’ny fomba tsara kokoa izay zavatra ilain’ity Fiangonana tsy mitsaha-mitombo ity dia mikasa ny hanolotra fanofanana maneran-tany isan-taona amin’ny alalan’ny Internet ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny an’ny Kilonga ary ny an’ny Zatovovavy sy Zatovolahy. Antenaina ho hita ao anatin’ny LDS.org amin’ny fiteny maro isaky ny fisasahan’ny taona isan-taona izany fanofanana izany.

Tsy nasiana intsony ny fivoriana fanofanana ireo mpitarika ao amin’ny Vondrona Mpanampy izay natao nifanarakaraka tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana volana Aprily. Ireo fiadidian’ny vondrona mpanampy maneran-tany sy ireo filankevi-pitantanana ao aminy dia hanohy hanome fanofanana ao anatin’ireo fivoriana hitambaran’ny tsatòka araka izay ampanaovina azy ireo.