2014
Manampy amin’ny Fanafainganana ny Asa Famonjena ny Ivontoerana Fanofanana Misiônera
Mey 2014


Manampy amin’ny Fanafainganana ny Asa Famonjena ny Ivontoerana Fanofanana Misiônera

Ivontoerana fanofanana ny misiônera miisa 15 manerana an’izao tontolo izao no manolotra fanofanana ho an’ny misiônera 85.000 mahery avy amin’ny firenena miisa 143. Raha atambatra dia mianatra fiteny miisa 55 avy amin’ny mpampianatra miisa 1600 ireo misiônera ary avy eo dia manompo hatramin’ny roa taona any amin’ny misiona miisa 405 any amin’ny firenena mihoatra ny 150.

Eo anatrehan’ny fitomboan’ny isan’ny misiônera vokatry ny fanovana ny taona takiana mba hahafahana manao izany tamin’ny Ôktôbra 2012, dia mampiantrano misiônera marobe mihoatra noho ny hatramin’izay ireo Ivontoerana Fanofanana ny Misiônera. Noho ny fisian’ny Ivontoerana Fanofanana ny Misiônera iray farafahakeliny any amin’ny ilam-bolantany rehetra dia misy misiônera hofanina foana izany any ho any.

Amin’ny ankapobeny ny misiônera dia tonga ao amin’ny Ivontoerana Fanofanana ny Misiônera miaraka amin’ny fananana fahalalana ara-pivavahana izay avy tamin’ny fampianarana azo tao an-tokantrano sy tany am-piangonana. Manolotra fanofanana fanampiny ireo ivontoerana izay ahitana ny fomba hampianarana araka ny fomba nampianaran’i Jesoa Kristy sy ny fomba hanasana olona mba hanaraka Azy. Manao fampiharana mikasika ny fomba fampianarana ao anatin’ny toe-javatra samihafa ny misiônera sy ampianarina fiteny iray raha ilaina izany ary mihaino ireo lahateny ao anatin’ny fivoriana fampaherezam-panahy isan-kerinandro izay ataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo mpiasa ao amin’ny Ivontoerana Fanofanana ny Misiônera ary mandray anjara amin’ny fahafahana manao asa fanompoana.

Ny Ivontoerana Fanofanana ny Misiônera lehibe indrindra dia any Provo, Utah, Etazonia. Manolotra fanofanana ho an’ny misiônera anarivorivony amin’ny fiteny miisa 55 izany. Any Mexico City, Mexique no ahitana ny Ivontoerana Fanofanana ny Misiônera faharoa lehibe indrindra. Tamin’ny Jona 2013 dia nesorina tao amin’ilay trano somary kely izany ka nafindra tao amin’ny tobim-pianarana iray mirefy 36,5 ha izay lycée privé an’ny Fiangonana teo aloha, nantsoina hoe Benemerito de las Americas. Ilay toerana teo aloha dia afaka nandray teo amin’ny misiônera miisa 125 teo isaky ny miditra ary ilay toerana vaovao kosa dia afaka mandray 1000 mahery.

Ireo Ivontoerana Fanofanana ny Misiônera hafa dia hita any Buenos Aires, Argentine; São Paulo, Brésil; Santiago, Chili; Bogotá, Colombie; Santo Domingo, République Dominicaine; Preston, Angleterre; Accra, Ghana; Guatemala City, Guatemala; Auckland, Nouvelle Zélande; Lima, Pérou; Manille, Philippines; Johannesbourg, Afrique du Sud; ary Madrid, Espagne.