2014
Loholona Jorg Klebingat
Mey 2014


Loholona Jorg Klebingat

Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy

Sary
Loholona Jorg Klebingat

Niaina tao anatin’ny fikirizana ny Loholona Jorg Klebingat. Mino ny fanehoana fankatoavana sy ny fanajana ny didy ary ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy izy.

Naterak’i Klaus-Peter sy Doris Elke Klebingat tamin’ny 19 Desambra 1967 ny Loholona Klebingat ary lehibe tany Zweibrücken, Allemagne, ka mbola tsy nahafantatra ny filazantsara. Nihaona tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana iray izy tany amin’ny fampisehoana rindran-kira iray fony mbola zatovo ary lasa mpinamana izy ireo.

Nitantara izy hoe: “Rehefa namangy ilay namako vaovao aho dia variana tamin’ny fianakaviany.” “Nahatsapa ny Fanahy aho tao an-tranony ary naniry ny handeha hiangona.”

Tamin’izay fotoana voalohany nanatrehany fivoriam-piangonana izay no nahenoany momba ny Bokin’i Môrmôna. Nomen’ilay namany tahadika iray izy ary tao anatin’izany dia nisy ny fijoroany ho vavolombelona fa marina ilay boky. Dia nandao ireo fivoriana niaraka tamin’ny fahavononany hahafantatra ny fahamarinan’izany ho an’ny tenany manokana ny Loholona Klebingat.

“Tany amin’ny 1 Nefia tany ho any aho rehefa nahazo fijoroana ho vavolombelona fa marina ilay boky,” hoy ny Loholona Klebingat. “Fotoana niavaka ho ahy koa ny fahazoako fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Mpaminany Joseph Smith. Nandritra ny fanaovako asa fitoriana dia nangataka ireo mpiara-mitory tamiko foana aho raha toa mba afaka mitantara izany tantara izany.”

Talohan’ny nandehanany nanao asa fitoriana nandritra ny fotoana feno tany amin’ny Misionan’i Colorado Denver, dia nanompo tao amin’ny tafika Alemana nandritra ny 18 volana ny Loholona Klebingat. Nofehezina tamin’i Julia Poltorak tany amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy tamin’ny 21 Desambra 1992. Manan-janaka telo izy ireo.

Ny Loholona Klebingat dia nahazo mari-pahaizana momba ny fandalinana ny teny Rosiana tao amin’ny Ricks College ary nahazo mari-pahaizana maîtrise tao amin’ny Brigham Young University mikasika ny fandalinana ny toetra sy fihetsiky ny olona ao anatin’ny toe-javatra iray. Niasa toy ny mpanoro hevitra eo amin’ny lafin’ny fitantanan-draharaha ho an’i Price Waterhouse sy Arthur Andersen izy ary niasa tao ao anatin’ny sehatra maro tao amin’ny Fiangonana.

Talohan’ity antso ity ny Loholona Klebingat dia efa solontenan’ny tanora tokan-tena teo anivon’ny tsatòka, filohan’ny kôlejin’ny loholona, filohan’ny Zatovolahy, mpanolotsaina avo, filohan’ny sampana ary eveka. Ho tapitra amin’ny Jona 2014 ny maha-filohan’ny Misionan’i Kiev Ukraine azy. Notohanana ho mpikambana ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy izy tamin’ny 5 Aprily 2014.