2014
Mampihatra ny Fitsipiky ny Fifanampiana ao Anatin’ny Fanarenana an’i Philippines ny Fiangonana
Mey 2014


Mampihatra ny Fitsipiky ny Fifanampiana ao Anatin’ny Fanarenana an’i Philippines ny Fiangonana

Volana maro taty aorian’ny namelezan’ilay Rivo-mahery Haiyan an’i Philippines tamin’ny Nôvambra 2013 izay nandrava trano teo amin’ny 1,2 tapitrisa latsaka teo ary nahafaty olona mihoatra ny 6200 dia manohy manolotra fanampiana ny Fiangonana ka tsy nionona tamin’ny fitondrana anjara biriky tsotra toy ny mahazatra rehefa misy voina mihatra fa manolotra fanampiana izay maharitra kokoa. Ny ezaka iray manokana nahomby dia ny fisian’ireo mpanao asa an-tsitrapo izay nianatra nanorina trano ho an’ireo mbola tsy manan-kialofana.

Ireto olona manaraka teo anivon’ny fiaraha-monina ireto izay tra-boina noho ilay oram-baratra dia anisan’ireo izay naneho fankasitrahana noho ny fanampiana azon’izy ireo avy tamin’ny Fiangonana na dia tsy Olomasin’ny Andro Farany aza izy ireo:

  • Vehivavy iray nialoka tany amin’ny trano fiangonana Môrmôna nandritra ilay rivo-mahery, izay nahita taorian’izany fa rava ny tranony rehefa nianjeran’ireo hazom-boaniho. Tsy nanana na inona na inona mba hanamboarana izany izy sy ny fianakaviany saingy nampian’ireo mpanao asa an-tsitrapo izy hanorina trano vaovao ary ankehitriny izy dia manampy fianakaviana iray hafa hanamboatra trano. “Nianatra niara-niasa tamin’ireo izay sahirana teto koa aho mba hahafahanay ho samy tafarina amin’ilay [rivo-mahery],” hoy izy.

  • Mianatra manorina trano ho an’ny fianakaviany sy ho an’ny olon-kafa ankehitriny ny lehilahy iray izay very asa rehefa rava ilay orinasa niasany. “Fantatray fa mila mifanampy izahay mba hahavitan’ny asa haingana kokoa,” hoy izy ary nampiany hoe feno fankasitrahana noho ireo fanampiana entin’ny Fiangonana izy.

Nilaza ny Eveka Mpiahy Gary E. Stevenson fa ankoatra ny fanampiana ireo mahantra sy sahirana, “dia mahita ny fiasan’ny fitsipiky fizakan-tena koa isika amin’izao fotoana izao ary mahatalanjona mihitsy aza izany.” Hoy izy hoe: “Ny iray amin’ireo zavatra ezahantsika atao dia ny manolotra fitaovana ary ireo [omena fanampiana] kosa dia manolotra ny herim-batany hanaovana ny asa. Izay tolorana toeram-pialofana dia miasa koa mba hanorina izany toeram-pialofana izany.”

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana any an-toerana sy ireo solontena misahana ny fanampiana olona dia mivory miaraka amin’ireo manampahefana eo amin’ny tanàna mba hanomezana fanofanana momba ny asa aman-draharaha ary taratasy fanamarinana ho an’ny olona izay nianatra ny fomba fandrafetana. Nampiasaina ireo loharano tao anatin’ny Fonds Perpétuels d’Étude ka nisy ny fitondrana mpandrafitra tena mahay miisa 20 mba hanampy nandritra ny fanofanana ary trano miisa 2.000 ao anatin’ny 3.000 izay kasaina haorina no efa vita.

Mampiseho ny fahaizana azony amin’ny alalan’ny fanorenana trano fialofana miisa 10 ireo mpiofana eo an-toerana mba hahazoana taratasy fanamarinana avy amin’ny fitondram-panjakana sy vatakely misy fitaovana avy amin’ny Fiangonana, izay hanome fahafahana azy ireo hitady asa mahasoa. Tena ilaina mafy tokoa ireo mpiasa mpanorina trano ireo ka nanaiky ny hampiasa mpandrafitra an-jatony izay nofanin’ny Fiangonan’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fikambanana katôlika misahana ny fanampiana olona antsoina hoe Catholic Relief Services.

Nilaza ny Eveka Stevenson fa mpikamban’ny Fiangonana miisa 500 no nanatrika fivoriana iray izay nahitana ny fanazavan’ireo mpitondra fivavahana ilay fanofanana arak’asa sy ny fahazoana taratasy fanamarinana, “ary rehefa nohazavaina tamin’izy ireo izany dia nitehaka mafy izy ireo ary latsa-dranomaso satria nahafantatra fa afaka mahita lalana iray izy ireo… mba hamelomana ny fianakaviany.”

Ny Fiangonana koa dia niara-niasa tamin’ireo fikambanana maro mpanao asa soa ary koa ny fitondram-panjakana tany Philippines tao anatin’ny fanohizana ny ezaka atao mba hanomezana sakafo, rano, fanafody, fitaovam-pidiovana, groupes électrogènes, fitaovana ilaina ho an’ny toeram-pialofana, fitaovana fandrahoan-tsakafo, fitaovana fanjonoana ary voa mba hambolena.

Ny Fiangonana dia nianatra fa ny fomba mahomby indrindra hiatrehana ny loza dia ny miasa eo an-toerana ihany sy mividy ireo zavatra ilaina ao amin’ilay firenena tra-boina, ka any amin’ny faritra akaiky indrindran’ilay toerana nisehoan’ny loza raha azo atao. Tsy hoe hahazoana antoka fotsiny izany fa mifanaraka amin’ny ilain’ilay faritra ireo zavatra vidina ireo fa manampy koa amin’ny fanarenana ny toekarena eo an-toerana izay marefo.

Entanina ireo mpikambana maneran-tany mba hivavaka ho an’ireo olona any amin’ny toerana niharan-doza izay lavitra ny misy azy ireo ary hieritreritra ny hampitombo ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina omen’izy ireo na handrotsaka fanomezana ao anatin’ny kitapom-bolan’ny Fiangonana ho an’ny fanampiana olona.