2014
Loholona Hugo E. Martinez
Mey 2014


Loholona Hugo E. Martinez

Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy

Sary
Loholona Hugo E. Martinez

Samy tao anatin’ny antsoina hoe période d’études spécialisées après l’internat tany Mississippi, Etazonia ny Loholona Hugo E. Martinez sy ny vadiny, Rahavavy Nuria Alvarez de Martinez tamin’ny 1982, rehefa nisy olona tsy nampoizina nandondona ny varavarana fidirana.

Indro misiônera Môrmôna anankiroa no nijoro teo.

“Nampidirinay tao an-trano izy ireo saingy tsy nahalala na inona na inona mikasika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izahay. Tsy fantatray akory aza ny fisian’ny Amboarampeon’ny Tabernakely,” hoy ny Loholona Martinez tamim-pitsikiana.

Kanefa, tonga dia noraisin’ireto mpivady vao herotrerony ireto tsara ireo lesona momba ny filazantsara nozarain’ireo elder ireo. Fotoana fohy taorian’izay dia nanaiky ny fanasan’ny misiônera mba hatao batisa izy ireo.

“Ary tsy nanenina mihitsy izahay hatramin’izay.”

Nantsoina ho ao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy tamin’ny 5 Aprily 2014 ny Loholona Martinez ary izy no Manampahefana Ambony voalohany avy any Caraïbes. Azo an-tsaina fa somary “sahiran-tsaina” amin’ilay andraikiny vaovao ihany izy.

“Saingy nisy fahatsapana fiadanana tonga tao amiko ary nampahafantatra ahy fa mandray ny andraikiny amin’ny fanohanana ahy ny Tompo,” hoy izy.

Herintaona sy iray volana taorian’ny batisan’izy ireo dia nofehezina tany amin’ny tempolin’i Salt Lake tamin’ny 3 Ôktôbra 1983 i Hugo sy Nuria Martinez. Manan-janaka dimy izy ireo ary zafikelivavy dimy.

Naterak’i Hugo E. Martinez-Sandin sy Daly Morales-Alamo de Martinez tamin’ny 10 Janoary 1957 tany Mayagüez, Porto Rico ny Loholona Martinez. Fony tovolahy dia nisafidy ny hanaraka ny lalana nodiavin-drainy teo amin’ny asa izy ka lasa mpitsabo. Nahazo ny mari-pahaizana momba ny fitsaboana tao amin’ny University of Porto Rico (1981) izy ary nahavita ny antsoina hoe période d’études spécialisées après l’internat tao amin’ny University of Mississippi (1984). Mpitsabo no asany mandra-pisotrony ronono tamin’ny 2004.

Fotoana fohy taorian’ny batisa dia voantso ho mpampianatra ny zatovo ao amin’ny Sekoly Alahady izy. Taty aoriana izy dia lasa eveka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, filohan’ny distrika, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Misionan’i San Juan Porto Rico. Niahy ny Misionan’i Guatemala City Central Guatemala koa izy ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra rehefa nahazo antso mba ho Manampahefana Ambony.