2014
Ny Fampianarana ho an’izao Androntsika izao
Mey 2014


Ny Fampianarana ho an’izao Androntsika izao

Manomboka amin’ny Mey 2014 ka hatramin’ny Ôktôbra 2014, ny lesona ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana isaky ny Alahady fahefatra dia tokony homanina avy amin’ny lahateny anankiray na mihoatra izay natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana volana Aprily 2014. Amin’ny Ôktôbra 2014, dia azo fantenina avy ao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana volana Aprily 2014 na Ôktôbra 2014 ireo lahateny. Tokony hifidy ireo lahateny izay ho ampiasaina any amin’ny faritra misy azy ireo ny filohan’ny tsatòka sy distrika, na azon’izy ireo omena ny eveka na ny filohan’ny sampana izany andraikitra izany.

Ireo izay manatrika ny fampianarana isaky ny Alahady fahefatra dia entanina mba handalina mialoha ireo lahateny voafantina. Hita amin’ny fiteny maro ao amin’ny conference.lds.org ireo lahateny ireo.