2014
Manampy Olona An-tapitrisany Maro any Afrika ny Tetikasa Hananana Rano Madio
Mey 2014


Manampy Olona An-tapitrisany Maro any Afrika ny Tetikasa Hananana Rano Madio

Nandray anjara mavitrika tao anatin’ny tetikasa hananana rano madio tany amin’ny firenena mihoatra ny 100 ny Fiangonana tao anatin’ny roapolo taona mahery. Raha ao Afrika fotsiny dia nitondra soa ho an’olona mihoatra ny efatra tapitrisa izany tetikasa izany tamin’ny alalan’ny fanolorana lava-drano, fanobiana rano ary ny fomba fampidiran-drano sy ny fanadiovana rano.

Nisy tetikasa iray toy izany tany amin’ny Nosy Idugo, izay nosy miala kely ny morontsirak’i Mozambique. Ny ankamaroan’ireo olona miisa 15.000 izay mipetraka ao amin’ilay nosy dia miasa ao amin’ny toeram-piompiana sy fambolen’ny fianakaviana na manjono eo amin’ireo rano manodidina ny Ranomasimbe Indiana na miasa ao amin’ny farihy mietona mba hanangona sira avy amin’ny ranomasina. Tsy misy rano avy amin’ny paompy na herinaratra na lalana na fiara any amin’ilay nosy. Amin’ny alalan’ny sambo kely natao tanana na lakana vita tamin’ny vatan-kazo no fomba hahatongavana any amin’ilay nosy.

Nandritra ny taonjato maro, ny hany toerana ahitana rano hosotroina tany Idugo dia tany amin’ireo lava-drano marivo kely izay nohadina tamin’ny tanana. Feno fotaka sy poti-javatra foana ireo lava-drano ireo. Rano misy fotaka sy sarotra alaina no omeny. Lasa maloto ny rano mandritra ny fotoan’ny orana, izay miteraka aretina Cholera sy aretim-pivalanana ary aretina hafa.

Rehefa henon’ireo misiôneran’ny Fiangonana misahana ny fanampiana olona ny toe-java-misy tany Idugo dia nihaona tamin’ireo tompon’andraikitry ny tanàna tao izy ireo. Niara-nanao drafitra izy ireo mba hahafahan’ny Sampan-draharahan’ny Fiangonana Misahana ny Fanampiana Olona manome fitaovana sy torolalana mba hananganana lava-drano 10 ka vita amin’ny simenitra ny vatany ary vita amin’ny vy ny sarony ary afaka manome rano olona miisa 1.000 izany. Hanome fanofanana mikasika ny fahadiovana sy ny fitandroam-pahasalamana ireo misiônera ary ny mponina eo an-tanàna kosa dia hanolotra olona ilaina manana ny herim-batana hanamboatra sy hikarakara ireo lava-drano.

Fiarabe mpitatitra enta-mavesatra efatra no niainga avy any amin’ilay kaontinanta nitondra vatokely, kitapon-tsimenitra miisa 300, fasika, anja-by fanamafisana ny zavatra aorina, ary vy manara-drefy tsara hanamboarana ny endriky simenitra izay notaterina tany amin’ireo nosy. Dia notaterina nanavatsava ilay nosy an-tongotra na tamin’ny alalan’ny sarety ireo fitaovana ireo. Mpikambana maro avy tany Quelimane, Mozambique no nitoby tao amin’ilay nosy nandritra ny telo volana mba hitondra fanampiana eo amin’ny fampianarana sy fanamboarana.

Ireo fantsakana rano ireo dia namboarina manokana mba ho afaka hitsika ranon’orana sy hisoroka ny fifindran’ny aretina. Tany amin’ireo tanàna sasantsasany dia nanamboatra fefy hazo sy lalana vita biriky manodidina ny fantsakana rano ireo mponina ka ireo biriky nampiasainy ireo dia namboarin’izy ireo ihany tamin’ny alalan’ireo fitaovana natolotry ny Fiangonana.

Nandritra ireo lanonana ôfisialy dia natolotra ho fananan’ny mponina tany amin’ny tanàna tsirairay avy ireo fantsakana rano ireo. Mponina maro izay nanamboatra ireo fantsakana rano ireo no naneho fankasitrahana fa ireo fahaiza-manao vaovao nianarany—fanaovana biriky, fanamboarana zavatra amin’ny alalan’ny simenitra, fanamafisana izany amin’ny alalan’ny vy ary fomba fampiasana fitaovana—dia hanome fahafahana azy ireo hahita asa fanampiny. Ny hafa kosa dia naneho fankasitrahana noho ny fahafahany nianatra ny fomba fitarihana olona.

Taorian’ny fotoan’ny orana manarak’izay dia tsy nisy ny tatitra mikasika ny fisian’ny aretina avy amin’ny rano tao amin’ireo tanàna nahazo fantsakana rano ireo.

Araka ny voalazan’ny Organisation Mondiale de la Santé dia olona mihoatra ny iray miliara no tsy afaka mampiasa rano madio. Noho ilay tetikasa hananana rano madio ataon’ny Fiangonana dia mihamihena izany isa izany amin’ny alalan’ny lamina iray izay mampandray anjara ireo mponina eo amin’ny tanàna ao anatin’ny fandrafetana sy fanatanterahana ny tetikasa ary amin’ny alalan’ny fanolorana olona ilaina manana herim-batana hanorina ilay zavatra ilaina aorina ary amin’ny alalan’ny fanomezana fanofanana sy fikarakarana ireo zavatra voatsangana.

Ankoatra ireo tetikasa hananana rano madio atao manerana an’i Afrika dia manohana tetikasa hananana rano madio any Azia, Amerika Afovoany, Eorôpa Atsinanana, Inde, Indonésie, any amin’ireo Nosy Pasifika, Amerika Atsimo, Azia Atsimo Atsinanana ary any amin’ny faritra hafa manerana an’izao tontolo izao ny Fiangonana.