2014
Loholona Lynn G. Robbins
Mey 2014


Loholona Lynn G. Robbins

Fiadidian’ny Fitopololahy

Sary
Loholona Lynn G. Robbins

Hatramin’izay niantsoana azy ho Manampahefana Ambony tamin’ny Aprily 1997 izay dia nankafy ilay “fahafahana tena mahafinaritra mifankafantatra amin’ireo Olomasina manerana an’izao tontolo izao” ny Loholona Lynn G. Robbins.

“Tonga dia mahatsapa fifamatorana amin’ny olona ianao na aiza na aiza alehanao,” hoy izy.

Manantena ny hanohy hihaona amin’ireo Olomasin’ny Andro Farany manerana an’izao tontolo izao ny Loholona Robbins rehefa lasa mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy.

Naterak’i Joshua Grant sy Evelyn R. Robbins tamin’ny 27 Ôktôbra 1952 tany Payson, Utah i Lynn Grant Robbins. Nipetraka tao Springville, Utah izy nandritra ny fahazazany sy ny fahatanorany, ka tao izy no nihaona tamin’i Jan Nielson izay efa fantany hatrany amin’ny fahazazana. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Manti Utah izy ireo tamin’ny 27 Jona 1974 ary manan-janaka fito sy zafikely 15.

Ny Loholona Robbins dia nahazo ny mari-pahaizana Licence en Espagnol sy science pôlitique tao amin’ny Utah State University ary nahazo ny mari-pahaizana MBA momba ny fitantanan-draharaha iraisam-pirenena tao amin’ny American Graduate School of International Management tany Glendale, Arizona, Etazonia. Izy dia mpiara-miombon’antoka tamin’ny fanorenana ny Franklin Quest ary Filoha lefitra zokiny ao amin’izany.

Filohan’ny Misionan’i Montevideo Uruguay ny Loholona Robbins tamin’ny fotoana nahazoany antso ho ao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy. Telo taona taty aoriana dia lasa mpikambana ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy izy. Efa filohan’ny Vondrom-paritra Atsimon’i Amerika Atsimo izy, sy ny Vondrom-paritr’i Amerika Afovoany ary ny Vondrom-paritra Avaratr’i Amerika Andrefana. Efa nanompo tao amin’ny Vondrom-paritra Afovoan’i Amerika Avaratra koa izy.

Ny fitahiana lehibe azony tao anatin’izany asa fanompoana izany dia ny fahafahana niverina tany Argentine izay toerana nanaovany asa fitoriana tamin’ny fotoana feno. Fony izy misiônera tanora tany Argentine dia nanompo tany Jujuy izy, izay faritra iray nisy sampana iray. Rehefa niverina tany amin’ilay faritra izy taona maro taty aoriana dia nahita tsatòkan’ny Fiangonana izay nanana paroasy sy sampana folo mahery.

“Mahita izany na aiza na izay eto amin’izao tontolo izao ianareo,” hoy izy. “Andron’ny fahagagana izao.”