2014
Manome Anjara Toerana ny Fihaonamben’ny Fiangonana eo amin’ny Fiainantsika
Mey 2014


Niteny Tamintsika Izy ireo

Manome Anjara Toerana ny Fihaonamben’ny Fiangonana eo amin’ny Fiainantsika

Ampiasao ny sasany amin’ireto asa atao sy fanontaniana ireto mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitry ny mpianakavy na ny fandinihana ataon’ny tena manokana.

Ho an’ny ankizy

  • Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nampianatra fa afaka misafidy ny hankasitraka isika na inona na inona zava-tsarotra mitranga eo amin’ny fiainantsika (pejy 70). Hanampy antsika ho faly kokoa sy ho tsara fanahy kokoa ary hanam-pinoana sy hatoky an’Andriamanitra ny fahaizana mankasitraka. Inona no tsapanareo rehefa mahay mankasitraka ianareo? Inona no azonareo atao mba hahatsapana fankasitrahana isan’andro?

  • I Bonnie L. Oscarson, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany, dia niresaka mikasika an’i Sarah, zazavavy kely iray nandeha niaraka tamin’ny reniny mba hanampy an’i Brenda, izay vehivavy nianjadian’ny sclérose en plaques. Nibango ny volon’i Brenda i Sarah, nanosotra menaka manitra ny tanany, nanotra ny rantsantanany sy ny sandriny, ary nanampy azy nanetsiketsika ny vatany (pejy 119). Mieritrereta fomba azonao hanompoana. Maro be ny zavatra azo atao na dia mbola kely aza ianao.

  • Ny Loholona L. Tom Perry ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra mikasika ny fomba nampiasan’ny mpamily iray lamboridy mba hanoroana lalana sy hitarihana tsimoramora ny ekipan-tsoavaly iray (pejy 100). Mahalala bebe kokoa ilay mpitondra ary manaraka ny fitarihan’ilay mpitondra ilay soavaly, tahaka ny fahafantaran’ny Tompo izay mahasoa indrindra antsika ka afaka ny ho faly isika rehefa manaraka Azy. Mitovy amin’ny bitsiky ny Fanahy Masina ilay lamboridy. Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina nitarika anao? Toy ny ahoana no fahatsapanao izany?

  • I Jean A. Stevens, mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany, dia nitantara mikasika ny zazalahy iray izay tsy nahatratra ny fiara fitaterana farany tao anatin’ny andro iray ka nandeha tongotra nody (pejy 81). Raha mbola nisy kilaometatra maromaro ny diany dia natahotra izy ka nandohalika nivavaka. Minitra vitsy taorian’izay dia notaomin’ny Fanahy Rahavavy Stevens mba hijanona ka hanampy azy. Azonao eritreretina ve ireo fotoana namalian’ny Ray any an-danitra ny vavakao? Tamin’ny fomba ahoana no nanampianao tamin’ny famaliana ny vavaky ny olona hafa?

Ho an’ny Zatovo

  • Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson fa isika dia mila “herimpo hilazana hoe tsia rehefa tokony hilaza izany isika, sy herimpo hanaovana izay zavatra tsara satria izay no tsara.” Rehefa mandalina ny lahateniny ianao (pejy 66) dia eritrereto ireo zava-tsarotra lalovanao. Inona no drafitra azonao atao mba hananana io karazana herimpo io?

  • Nampahatsiahy antsika ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa raha tia ny Mpamonjy isika dia hitandrina ny didiny sy ho tia ny hafa tahaka ny nataony (pejy 6). Ka na rehefa manao izany aza isika dia tsy maintsy mijoro amim-pahavononana mba hiaro ny zavatra inoantsika “amim-pahalalam-pomba sy indrafo.” Mahafantatra olona iray tsy manaiky ny zavatra inoanao ve ianao na inona izany na inona? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao maneho fanajana rehefa miresaka sy miaro ireo zavatra inoana ireo?

  • Mpandahateny maro no niresaka mivantana tamin’ny zatovo. Ohatra, ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome sosokevitra maro ho an’ny zatovo mikasika ny fomba handresena “ireo tadio ara-panahy” toy ny fitadiavana fiadanana any amin’ny tempoly (pejy 18). Rehefa mamaky ny lahateniny sy ireo lahateny hafa nandritra ny fihaonambe ianao dia manorata hevitra mikasika ny fomba hijanonana ho matanjaka.

  • Iray amin’ireo faharatsiana lehibe indrindra amin’izao fotoana izao ny pôrnôgrafia. Nilaza i Linda S. Reeves, mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Fikambana Ifanampiana maneran-tany fa ny sivana tsara indrindra hanoherana ny faharatsiana toy izany dia ny fijoroana ho vavolombelona lalina sy maharitra mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (pejy 15). Toy ny ahoana ny tanjaky ny sivana an’ny tenanao manokana? Inona no azonao atao mba hampahatanjahana izany?

Ho an’ny Olon-dehibe

  • Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson fa rehefa mahatakatra ilay “fanomezana tsy manam-paharoa” an’ny Sorompanavotana isika dia ho feno fitiavana ny Raintsika any an-danitra sy ny Mpamonjy ary ny zanak’Andriamanitra rehetra (pejy 91). Amin’ny fomba ahoana no hanatsaran’io fahalalana io ny fandalinanao ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotana mandritra ny fandalinanao samirery sy miaraka amin’ny fianakaviana ny soratra masina ary mandritra ny fotoam-pianarana any am-piangonana?

  • Nilaza ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, fa ny ankamaroan’ny fifaliana azony dia avy amin’ny rain’ny iray tamin’ny ray aman-drenibeny izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana sy nanompo tamim-pahatokiana ary nijanona ho mafy orina hatramin’ny farany ka namela lovam-panantenana ho an’ny fianakaviany (pejy 22). Ataovy lisitra ny olona rehetra ao amin’ny fianakavianao ary soraty ny fanekempihavanana sy ôrdônansy ilain’izy ireo mba hanohizany ny diany eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Manaova drafitra hanampiana ny olona ao amin’ny fianakavianao handray ny fanekempihavanan’izy ireo manaraka. Azonao atao ny mandinika fomba maromaro mba hitanan’ny fanekempihavanana nataonao anjara asa manan-danja kokoa eo amin’ny fiainanao ka hahafahanao manome lovam-panantenana ho an’ny fianakavianao.

  • Nanambara ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny fahoriana dia afaka mitarika antsika hiantehitra amin’ny “fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina,” izay “hanampy antsika hitondra mora foana ireo enta-mavesatsika” (pejy 87). Rehefa mamaky ny lahateniny sy ireo lahateny manomboka ao amin’ny pejy faha- 9, 18, 70, 81, ary faha- 106 ianao dia tadiavo ireo fomba azon’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany hanampiana anao hiatrika ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana.

  • Mifantoka amin’ireo mpaminany sy ny fanambarana ny fandaharam-pianaran’ny zatovo ny volana Mey. Halalino mandritra ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara ataonao miaraka amin’ny zatovo ao an-trano sy any am-piangonana ny lahateny nataon’ny Loholona Lawrence E. Corbridge (pejy 103) ao amin’ny Fitopololahy sy ny an’i Marcos A. Aidukaitis (pejy 108) ao amin’ny Fitopololahy mba hitadiavana ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Nahoana no tsy namela mahazo an’i Joseph Smith ireo mpanenjika azy? Ahoana no hamantarantsika ny fahamarinana ao anatin’ilay izao tontolo izao izay hita fa tsy mitsahamanafika hatrany ireo fampianaran’ny filazantsara?