2023
Fialofana amin’ny oram-baratra
Martsa 2023


“Fialofana amin’ny oram-baratra,” Liahona, mar. 2023.

Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Fialofana amin’ny oram-baratra

Sary
orana mirotsaka eo amin’ny ranomasina

Sary tamin’ny alalan’ny Getty Images

Efa mba nialoka teo ambanin’ny fialofana iray ve ianao nandritra ny oram-baratra? Rehefa milatsaka ny rano dia midona amin’ny tafon-trano izany ka manarona ireo feo hafa. Ahoana no ahafahanao tsy ho lena ao anatin’ny oram-baratra? Ny herin’ny Mpamonjy antsika sy ny fanatrehany dia tahaka izany fialofana izany.

Ity laharana ato amin’ny Liahona ity dia mifantoka amin’ny fomba hitondran’i Jesoa Kristy fiadanana eo amin’ireo oram-baratry ny fiainana. Tsy azontsika ialana ireo fitsapana sy olana. Fa tahaka ny fialofana izay miaro antsika tsy ho lena amin’ny orana, rehefa manasa an’i Jesoa Kristy hiaraka amintsika isika mandritra ny diantsika dia manampy antsika hahita fiadanana ao anatin’ny oram-baratra Izy. Manasa anao aho hamaky ny lahatsoratra nosoratan’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf hoe “Ny fiadanako no omeko anareo” (pejy 4). Mampianatra izy fa, “i Jesoa Kristy izay mifehy ireo singa rehetra dia afaka manamaivana koa ny enta-mavesatsika” ary “Tsy voatery esorina ao am-pontsika ny fiadanana na dia tsy maintsy mijaly sy malahelo ary miandry ny Tompo aza isika.”

Efa niaina “oram-baratra” koa aho teo amin’ny fiainako. Nampianatra ahy ireo fitsapana ireo fa i Jesoa Kristy no tena hany loharano maharitra hahazoana fanampiana sy fiadanana. Araka ny nozaraiko tao amin’ny lahatsoratro hoe “Ilay hery ahafahana mampitsangana” (pejy 40), ny Mpamonjintsika dia afaka miaraka amintsika sy hiaraka amintsika mandritra ny diantsika. Miaraka amintsika Izy eo am-piandrasantsika ireo fitahiana nampanantenaina. Ary tsy tara loatra Aminy mihitsy ny mampiarina antsika. Tia anao Izy. Mivavaka aho mba hamelanao Azy ho fialofanao sy ho toerana ahitanao fiarovana na inona na inona atrehanao.

Amim-pitiavana,

Bonnie H. Cordon

Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany