2023
Na dia efa antitra aza ianao, ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay
Martsa 2023


“Na dia efa antitra aza ianao dia ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay,” Liahona, mar. 2023.

Mitombo taona amim-pahatokiana

Na dia efa antitra aza ianao, ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay

Rehefa voantso ho ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ao anatin’ny fahanterany ireto vehivavy ireto dia mitondra ny traikefa sy ny fahatakarana ananan’izy ireo ao amin’ny antson’izy ireo.

Sary
vehivavy zokiolona telo mitondra tehina

Sary nalain’i Richard M. Romney

“Mety ho izahay angamba no fididian’ny Fikambanana Ifanampiana zokiny indrindra ato amin’ny Fiangonana,” hoy i Sharon Alexander. Vao avy nandray 89 taona izy. Ary ireo mpanolotsainy, Marlene Peterson sy Dorothy Arnold, dia 90 taona sy 91 taona.

“Noho izany ny salan-taonanay dia 90 taona,” hoy i Dorothy mihomehy.

Ity fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ity dia manompo ao amin’ny sampana iray any amina akany tsy miankina iray ao Ogden, Utah, Etazonia. Io akany io dia fonenan’ireo zokiolona maro mpikamban’ny Fiangonana, ary ny fiadidiana matetika dia tazana mitondra ny tehin’izy ireo rehefa mitety ny isam-baravarana miarahaba ny olona sy mijery raha salama tsara daholo ny rehetra.

Indray mandeha nisy olona tao amin’ny paroasy teo an-toerana nanao famangiana miharo fanompoana toy izany. Avy eo dia nisy nanosika ny filohan’ny tsatòka hamporisika ny fiadidian’ny sampana mba hanontany ny Tompo hoe iza amin’ireo mponina ao amin’ny akany no afaka manompo ary inona no antso azon’izy ireo atao?

Nahazo fitahiana be dia be ka tsy hiteny hoe tsia

“Rehefa nanolotra ahy ilay antso mba ho Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana ny filohan’ny sampana,” hoy i Sharon, dia “Nieritreritra aho hoe: efa nahazo fitahiana be dia be ny tenako ka tsy hiteny hoe tsia.” Ary avy eo izy dia nandray fitaomam-panahy mikasika izay tokony ho mpanolotsainy. “I Marlene no tonga voalohany tato an-tsaiko,” hoy izy. “Efa niara-niasa teo anivon’ny tsatòka izahay, nanomana ireo anarana hanatanterahana asa atao any amin’ny tempoly. Fantaro fa nodimandry vao tsy ela ny vadiny ary na dia nitolona tamin’izany aza izy dia fantatro fa nahatoky izy.”

Avy eo taorian’ny fivoriana fanasan’ny Tompo iray, dia nijerijery eran’ny efitrano i Sharon nikatsaka fitaomam-panahy. “Nahita an’i Dorothy aho. Nitsiky tamiko izy, ary fantatro tamin’izay fa izy ilay mpanolotsaina iray hafa. Ny Tompo no nitarika ahy teo amin’izy roa, ary tsy diso Izy ny amin’izy roa.”

Toy ny fianakaviambe

Niteny koa i sharon fa afaka mahita ny tombontsoa avy amin’ny fananana olona ao amin’ny akany manompo ao amin’ny akany ihany izy. “Akaiky kokoa ny toe-javatra misy izahay,” hoy izy. “Fantatray fa indraindray dia tsy mahavita zavatra izahay, indraindray tena manadino, ary indraindray dia mahatsapa ho tsy salama fotsiny izahay. Ary hainay ny fomba hihomehezana mikasika ireo olana atrehanay miaraka.”

“Ny olona mipetraka ato dia efa toy ny hoe fianakaviambe,” hoy i Marlene. “Miara-misakafo izahay, noho izany dia mifankahita intelo isan’andro. Ary indraindray miaraka manao fiaraha mientana koa izahay. Noho izany dia heveriko fa nentanim-panahy ny filohan’ny tsatòka rehefa nahatsapa hoe misy amin’ny olona afaka mifanompo eto.”

“Fantatray ny zavatra mitranga isan’andro isan’andro. Fantatray rehefa misy olona mila fanampiana na rehefa misy olona marary,” hoy i Dorothy.

Ankoatra ny fanompoana sy fanampiana ny hafa hanao fanompoana dia mandrindra ny fampianarana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ireo olona ao amin’ny fiadidiana. Manolotra olona monina ao amin’ny akany izay afaka mampianatra izy ireo, ary mandrindra ireo andraikitra sy fandaharam-potoana araka izay ilain’ny mpampianatra tsirairay.

Tsarovy fa tia anareo ny Tompo

“Fa ny tena asanay voalohany dia ny mampahatsiahy ireo mponina hafa eto amin’ny akany fa tia azy ireo ny Tompo,” hoy i Marlene. “Ary rehefa manao izany izahay dia tsapanay koa ny Fitiavany.”

“Samy manana fahasahiranana daholo izahay,” hoy i Sharon. “Amin’izao fotoana izao aho dia manana olana izay tsy mbola nananako dimy volana lasa izay. Saingy rehefa mahatsapa ho ory aho, dia mieritreritra hoe: -E!, tsy misy dikany izao raha oharina amin’izay nandalovan’ny Mpamonjy.- Eto isika mba hivoatra sy hitombo. Ary na dia efa antitra aza ianao ka mamela ireo zavatra niainanao hampianatra anao, dia afaka manohy mianatra mandrakizay.”

Satria efa samy namoy havan-tiana ny tsirairay avy amin’izy ireo dia nianatra betsaka koa mikasika ny fangorahana ireo olona ao amin’ny fiadidiana. Hain’izy ireo hoe ahoana no hanampiana ireo izay mila fampiononana. Ohatra, namoy olona efatra tao amin’ny fianakaviana sy namana akaiky iray i Marlene tao anatin’ny taona iray.

“Satria efa samy niaina zava-tsarotra izahay,” hoy izy, “dia afaka manampy ny hafa hiatrika zava-tsarotra koa. Raha miatrika zava-tsarotra iray ianao, dia mirotsaha ao anatin’ny fanompoana ny hafa. Izany no nanampian’ity antso ity ahy mba hataoko.”

Mitondra traikefa maro be sy fahatakarana ao amin’ireo antsony ireo olona ao amin’ny fiadidiana. Efa nipetraka sy niasa tany amin’ny toerana maro be izy ireo—Californie, Ohio, Wyoming, ary Utah. Efa nanompo tany amin’ny tempoly izy ireo sy nanana antso teo anivon’ny sampana sy tsatòka, tao amin’ny Kilonga sy Zatovovavy ary tao amin’ny sampan-draharaha misahana ny fanampiana olona. Saingy izao i Dorothy vao nahazo antso tato amin’ny Fikambanana Ifanampiana.

“Inona moa no teny filamatra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ?” hoy izy. “Ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay” Marina izany raha mbola tanora ianao, saingy marina ihany koa izany rehefa mahazo taona ianao. Mianatra an’izany isan’andro izahay ato amin’ny fiadidiana.”

“Mihevitra aho fa tena mahay miara-miasa tsara izahay,” hoy i Sharon sady mipi-maso, “raha fiadidiana izay manodidina ny 90 taona eo.”