2023
Ireo tsodranon’ny fisoronana
Martsa 2023


“Ireo tsodranon’ny fisoronana,” Liahona, mar. 2023.

Ireo fototry ny filazantsara

Ireo tsodranon’ny fisoronana

Sary
I Kristy manendry an’ireo Apôstôly Roambinifolo

Christ Ordaining the Twelve Apostles (I Kristy manendry ireo ApôstôlyRoambinifolo), nataon’i Harry Anderson

Ny tsodranon’ny fisoronana dia omen’ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy. Ny tsodranon’ny fisoronana no manome fahafahana ny zanak’ Andriamanitra rehetra handray ny heriny, ny fanasitranany, ny fankaherezany ary ny fitarihany.

Ny Fisoronana

Ny fisoronana dia ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra. Miasa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ireo lehilahy mendrika izay mihazona Fisoronana Melkizedeka rehefa manome ny tsodranon’ny fisoronana izy ireo. Rehefa manome ireo tsodrano ireo izy ireo dia manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy tamin’ny fanomezana tsodrano ny hafa.

Sary
tanana mipetraka eo ambony loha iray

sary nalain’i David Green

Ahoana ny fomba fanomezana tsodrano

Omena amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ireo tsodranon’ny fisoronana. Apetraky ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka eo ambonin’ny lohan’ilay olona mandray izany ny tanany. Avy eo dia manome tsodrano araka izay tarihin’ny Fanahy izy. Ireo izay manome ny tsodrano sy ireo izay mandray izany dia mampihatra ny finoan’izy ireo an’ Andriamanitra sy mitoky amin’ny sitrapony sy ny fandaharany.

Fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza

Rehefa teraka ny zaza iray dia omen’ny mpihazona fisoronana iray anarana sy tsodrano izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:70). Atao mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona izany matetika. Omena anarana aloha ilay zaza. Avy eo ilay mpihazona ny fisoronana dia manome tsodrano an’ilay zaza.

Sary
zazalahy iray marary mandray tsodranon’ny fisoronana

Ny tsodrano ho an’ny marary

Ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia afaka manome tsodrano ho an’ny olona marary. Mizara roa io karazana tsodrano io: ny fanosorana menaka sy ny famehezana ny fanosorana. Voalohany dia mandraraka menaka oliva efa voahasina indray mitete eo ambony lohan’ilay olona ny mpihazona fisoronana iray ary manao vavaka fohy. Avy eo manao ny famehezana ilay fanosorana ny mpihazona fisoronana iray hafa ary manome tsodrano an’ilay olona araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Ny tsodrano fankaherezana sy fanoroana hevitra

Afaka manome tsodrano fankaherezana sy fanoroana hevitra an’ireo olona ao amin’ny fianakaviany sy ireo olona hafa izay mangataka izany ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka. Ny raim-pianakaviana iray izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia afaka manome tsodranon’ny raim-pianakaviana ho an’ireo zanany. Tena manampy tokoa ireo, indrindra rehefa miatrika olana manokana ireo zanaka.

Ny fanokanana ny mpikambana hanompo amin’ireo antso

Omena tsodrano ireo mpikamban’ny Fiangonana izay mahazo antso rehefa ametrahan-tanana hanao ny antso izy ireo. Manome tsodrano azy ireo ny mpihazona ny fisoronana iray mba hanana fahefana hanao asa hifanaraka amin’ilay antso. Manome tsodrano azy ireo ihany koa ilay mpihazona ny fisoronana mba hanampiana azy ireo amin’ny asa fanompoana ataon’izy ireo.

Sary
vehivavy iray mamaky ny tsodranon’ny patriarika nomena azy

Sary nalain’i Shauna Stephenson

Ny tsodranon’ny patriarika

Afaka mandray tsodranon’ny patriarika ny mpikambana mahatoky tsirairay. Manome torohevitra ho an’ny tena manokna avy amin’ny Tompo io tsodrano io. Afaka manome tari-dalana sy fankaherezana mandritra ny androm-piainan’olona iray izany. Milaza mikasika ny rohim-pirazanan’ilay ao amin’ny mpianakavin’i Israely ihany koa izany. Izay patriarika efa voatendry ihany no afaka manome io karazana tsodrano io.