2023
Efa fantatrao hatrizay izany
Martsa 2023


“Efa fantatrao hatrizay izany,” Liahona, mar. 2023.

Fanehoana ny finoana

Efa fantatrao hatrizay izany

Efa nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny aho saingy mbola nisy 10 volana ny fifanarahana nataoko mba ho mpitondra fivavahana ho an’ny fiangonana iray hafa.

Sary
mpampianatra iray miaraka amin’ny mpianatra seminera

Sary nalain’i Leslie Nilsson

Fony aho sivy taona dia narary nify mafy. Nanomboka tsy zaka ilay fanaintainana saingy tsy nanana vola nandehanana tany amin’ny mpitsabo nify izahay. Tamin’izany fotoana izany dia niara-nipetraka tamin’ilay renibeko manana toetran’anjely tany Mexique aho.

Nanganohano izy nanontany ahy hoe: “Moa ve ianao mino an’i Jesoa sy mino fa afaka manampy anao Izy?”

Niteny taminy aho hoe mino. Nangataka ahy izy mba handeha tao amin’ilay efitra ilany ary handohalika sy hivavaka mba handray fahagagana. Namboraka ny tao am-poko tamin’ny alalan’ny vavaka aho saingy tsy nisy zavatra nitranga. Sorena aho ka nopotseriko faran’izay mafy vitako ny valanoranoko ary nanolotra vavaka fanindroany aho. Vetivety teo dia nanjavona ilay fanaintainana! Rehefa nandeha nihazakazaka hilaza izany tamin’ny renibeko aho dia nahita azy nandohalika, nitalaho tamin’ Andriamanitra mba hanampy ilay zafikeliny. Tsy hohadinoiko velively izany zavatra nitranga izany ary feno fisaorana ny renibeko aho.

Nisy zavatra niainana ara-panahy hafa niseho taorian’izany.

Rehefa feno 14 taona aho dia nifindra tany Texas Etazonia mba hamonjy ny ray aman-dreniko sy ireo iray tampo amiko. Nahita fiangonana iray aho teo an-toerana ary nanomboka niangona tsy tapaka tany. Noho ireo zavatra niainako niaraka tamin’ Andriamanitra dia naniry ny hizara ny anarany sy ny filazantsarany amin’ny olona rehetra izay afaka mandre ahy aho. Tamin’ny faha 15 taonako dia nandeha nianatra tany amin’ny sekoly manofana ho mpitondra fivavahana aho mba ho lasa mpitondra fivavahana. Nanatrika kilasy mampianatra momba ny Baiboly aho nialoha ny fotoam-pianarana tany an-tsekoly sy taorian’ny fotoam-pianarana tany an-tsekoly ary nandritra ny faran’ny herinandro.

Indray andro tany amin’ny lisea, naheno tabataba tao amin’ny efitrano fisoloan’ny ankizilahy akanjo aho. Nisy olona iray nivazavaza hoe “Ilay Môrmôna ity!” Tsy mbola naheno izany teny izany aho teo aloha fa toy ny hoe teny maniratsira izany ilay izy.

Fantatro taty aoriana fa ilay olona nivazavazana dia i Derek ilay namako akaiky.

“Miala tsiny raha nantsointsoina hoe Môrmôna ianao,” hoy aho.

Nitsiky i Derek ary nanontany hoe: “Tsy fantatrao akory ny atao hoe Môrmôna, sa tsy izany?”

Nolazainy tamiko fa anaram-bosotra omena ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany.

“Kristianina izany ianareo?” Hoy aho nanontany.

Rehefa niteny izy hoe eny dia faly aho nahafantatra fa samy nanana finoana an’i Jesoa Kristy izahay.

“Efa nanontany an’ Andriamanitra ve ianao?”

“Iza ary ireo Môrmôna ireo,” hoy aho nanontany tena, “ary inona ny zavatra inoan’izy ireo?”

Nijery internet aho mba hamantarana izany. Fotoana fohy taorian’izay dia nanao tsoa-kevitra aho fa tsy Kristianina mihitsy ilay namako ary hankany amin’ny helo izy. Noho izany dia nirotsaka hanatanteraka asa iray mba hamonjy azy aho.

Nandritra ny roa taona taorian’izany dia novakiko daholo ny boky rehetra hitako momba ny Fiangonana, ka tafiditra tao anatin’izany ny Bokin’i Môrmôna, izay novakiko indroa. Nihaona tamin’i Derek sy ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno koa aho mba niezaka ny hanampy azy ireo.

Rehefa feno 17 taona aho dia nahazo mari-pahaizana avy amin’ilay sekoly manofana ho mpitondra fivavahana, sy notendrena ho mpitondra fivavahana, ary lasa pasiteran’ny vondrona mpiangona kely iray tany Texas. Roa volana taorian’ny fanendrena ahy dia nifanakalo hevitra indray tamin’ireo misiônera aho.

Nanontany ahy ny iray tamin’izy ireo hoe: “Efa namaky ny Bokin’i Môrmôna ianao ary efa nihaino ny lesona rehetra azonay atolotra, saingy moa ve ianao efa nanontany an’ Andriamanitra raha toa ka marina ny hafatra nozarainay? Ho fantatrao izay valiny avy Aminy, sa tsy izany?”

“Mazava ho azy,” hoy aho namaly tamim-pireharehana.

“Ny fahitako azy dia toe-javatra samy hahazoanao tombontsoa izany,” hoy ilay misiônera namaly. “Raha manontany an’ Andriamanitra ianao hoe marina ve ny zavatra inoan’ilay namanao ka miteny izy hoe tsia, dia nahatanteraka ilay asa izay nanombohanao ity dia ity ianao. Saingy raha miteny Izy hoe marina ny hafatra nozarainay dia eritrereto ny habetsaky zavatra ho azonao.”

Tsy neritreretiko velively ho toy izany ilay izy. Ny alin’io dia nandohalika tao amin’ny efitranoko aho rehefa avy namaky ny Môrônia 10:3–5. Tsotra nefa mahery vaika ny valiny azoko avy tamin’ Andriamanitra. Tao anatin’ny feo tony sy malefaka no namaliany ahy hoe: “Efa fantatrao hatrizay izany.”

Pejy iray vaovao amin’ny maha mpianatra ahy

Nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’izay aho, dia ahoana ny amin’ny maha mpitondra fivavahana ahy? Mbola nisy 10 volana ny fifanarahana nataoko ho mpitondra fivavahana. Taorian’ny fanaovana vavaka maro sy fakana hevitra tamin’ Andriamanitra dia nanapa-kevitra ny hamita ny asa maha mpitondra fivavahana ahy aho. Nandritra ny 10 volana taorian’izany dia nanohy nizara ireo fahamarinana mahazatra ao amin’ny Baiboly aho ary rehefa azo natao dia nampiako ny fomba fijery avy amin’ny filazantsara naverina amin’ny laoniny izany. Nankasitrahan’ny olona ireo fahamarinana ireo ary nitombo ilay andian’ondry keliko izay niainga teo amin’ny 20 ary lasa 150.

Rehefa vita ilay fifanarahana nataoko, dia notolorana anjara toerana sahanina mandritra ny fotoana feno aho, saingy fantatro fa tonga ny fotoana hanaovana batisa ahy ao amin’ny Fiangonana. Tonga ny fotoana hanombohana pejy vaovao ao anatin’ilay dia ataoko amin’ny maha mpianatra ahy.

Rehefa nolazaiko tamin’ireo olona tao amin’ny fianakaviako izany dia tsy faly izy ireo tamin’ny voalohany. Kanefa telo volana taorian’ny nidirako ho mpikambana dia nataoko batisa ny reniko sy ny roa tamin’ireo iray tampo amiko. Taorian’ny nanaovako asa fitoriana amin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Oklahoma Oklahoma City, dia nataoko batisa ny zandriko vavy.

Rehefa misy olona manontany ahy ny antony nanovako ny finoako, dia novaliko foana hoe: “ Tsy nanova ny finoako aho. Mbola Kristianina feno fanolorantena aho. Nanamafy orina kosa fotsiny ny fifandraisako amin’ny Mpamonjy aho tamin’ny alalan’ny fahatongavako ho mpikambana vita batisa ao amin’ny Fiangonany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Fantatro manokana kokoa noho ny teo aloha Izy amin’izao fotoana izao noho ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, ny Bokin’i Môrmôna, ireo mpaminany maoderina, ary noho ireo ôrdônansy masin’ny famonjena sy ny fisandratana izay azo raisina any amin’ny tempoly.”

Amin’izao fotoana izao aho dia manana tombontsoa hiasa amin’ny maha mpampianatra seminera amin’ny fotoana feno. Mbola manokana ny fiainako amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany aho. Ary mbola manambara amin’ireo izay hihaino ny momba ilay “teny soa mahafaly” (Lioka 2:10).