2023
Inona no dikan’ny hoe voantson’ny Tompo?
Martsa 2023


“Inona no dikan’ny hoe voantson’ny Tompo?,” Liahona, mar. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Matio 10

Inona no dikan’ny hoe voantson’ny Tompo?

Sary
I Jesoa mipetraka sy mampianatra ny mpanara-dia Azy

Ao amin’ny Matio 10, ny Mpamonjy dia nanendry ireo Apôstôliny roa ambin’ny folo, nanome azy ireo hery, sy fahefana ary fahalalana mba hanombohana ny fitoriana ny filazantsarany sy ny fanorenana ny Fiangonany. Nampanantena koa Izy fa hanome azy ireo hery hanasitranana, sy handroahana fanahy ary hitenenana amim-pahefana (jereo ny andininy 1, 20). Rehefa mamaky ny Matio 10 momba ny fanomanan’ny Tompo ireo Apôstôly ho amin’ny antson’izy ireo ianao, dia diniho ny fomba nanomanan’ny Tompo anao ho amin’ny asa fanompoana hataonao ao amin’ny Fiangonana.

Torohevitra avy amin’ny Tompo

Nanome torolalana manan-danja vitsivitsy koa ho an’ny Apôstôly ny Tompo izay hanampy sy hanohana azy ireo mandritra ny asa fanompoana hataon’izy ireo. Afaka miantefa amintsika eo anatrehan’ny asa fanompoana ataontsika ny ankamaroan’izany torohevitra izany. Rehefa mamaky ireto andininy manaraka ao anatin’ny Matio 10 ireto ianao, dia jereo ireo torolalana sy fanasana izay nomen’ny Tompo azy ireo.

  • Andininy 8:

    ____________________

  • Andininy 19:

    ____________________

  • Andininy 29–31:

    ____________________

  • Andininy 39:

    ____________________

Rehefa voantso hanompo ao amin’ny Fiangonana ianao dia hanampy anao hanao ny asany ny Tompo. Hanome traikefa sy torolalana ary fanambarana ho anao Izy. Hatokana sy handray fahefana avy amin’ Andriamanitra ianao mba hanatanterahana ny antsonao.

Afaka mianatra bebe kokoa momba ireo andraikitra fonosin’ny antsonao ianao ao amin’ny Boky torolalana maneran-tany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.