2023
Fanampiana sy fanantenana avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Martsa 2023


“Fanampiana sy fanantenana avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany,” Liahona, mar. 2023.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Fanampiana sy fanantenana avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Tsy nanantena velively ny haheno lahateny iray manontolo nandritra ny fihaonambe hiresaka momba ny zavatra izay tena niainako mihitsy aho.

Sary
fianakaviana miara-misakafo ao an-dakozia

Sarin’ny mpanoratra sy ny fianakaviany, nalain’i Cody Bell

Tratran’ny fahaketrahana aorian’ny fahaterahana aho taorian’ny nahaterahan’ny zanako voalohany. Tena fotoana nahafinaritra teo amin’ny fiainako izany satria nanan-janaka lahy aho, saingy tsy afaka niaina tanteraka ny fifaliana avy amin’ny fananan-janaka aho noho izaho tratran’ny fahaketrahana goavana.

Nivavaka mafy tamin’ny Ray any An-danitra aho nandritra io fotoan-tsarotra io. Nangataka Azy aho mba hanampy ahy hiatrika io fitsapana sarotra io. Nivavaka ihany koa aho rehefa nihakaiky ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’izany fararano izany mba hahitako fankaherezana avy amin’ireo lahateny ataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Rehefa nihaino ireo lahateny tamin’ny fivoriana voalohan’ny fihaonambe aho dia nanomboka nahatsapa fankaherezana. Avy eo niresaka mahakasika ny fahaketrahana ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nandritra ny fivoriana faharoa. Ny fahaketrahana hoy izy dia mety mahatonga antsika hahatsapa ho “toy ny vilany ariana”1 (Salamo 31:12). Tsy nanantena velively ny haheno lahateny iray manontolo hiresaka momba ny zavatra izay tena niainako mihitsy aho.

Fotoana niavaka ho ahy izany. Nanampy ahy ilay lahateny hahatakatra fa ny Ray any An-danitra dia tia ahy ary miraharaha ahy. Takany ny zavatra nolalovako. Te hanampy ahy sy hanome fanantenana ho ahy Izy. Nataony tamin’ny alalan’ny tenin’ny Loholona Holland izany.