2023
Mitoky amin’ny herin’ny Tompo sy ireo mpaminany
Martsa 2023


“Mitoky amin’ny herin’ny Tompo sy ireo mpaminany,” Liahona, mar. 2023.

Ho an’ny ray aman-dreny

Mitoky amin’ny herin’ny Tompo sy ireo mpaminany

Sary
Ny Filoha Nelson sy ny Rahavavy Nelson miarahaba ankizilahy anankiroa

Sary nalain’i Ravell Call, Deseret News

Ry ray aman-dreny malala,

Ao anatin’ity izao tontolo izao misy antsika ity izay tsy mitsaha mitombo ny fikorontanana, dia mety mora ny mahatsapa tahotra sy fanahiana. Saingy rehefa mitodika any amin’i Jesoa Kristy isika mba hahazo fampaherezana, dia afaka mitondra fiadanana ho antsika Izy ao anatin’ireo olan’ny fiainana. Vakio ireo lahatsoratra ao amin’ity laharana ity mba hahitana ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy anao hiatrika ireo olanao.

Fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara

Manolotra avy hatrany fiadanana ny Mpamonjy ao anatin’ny fotoan-tsarotra

Iaraho vakina amin’ny fianakaviana ny lahatsoratry ny Loholona Uchtdorf ao amin’ny pejy 4 momba ny fomba ahafahan’ilay hery manampin’i Kristy hitondra fiadanana ao anatin’ireo toe-javatra sarotra. Ifanakalozy hevitra ny sasany amin’ireo fomba fanoloran’i Jesoa fanamaivanana. Inona no azonao atao mba hanasana ny heriny eo amin’ny fiainanao?

Inona no fitahiana entin’ny fisoronana eo amin’ny fiainantsika?

Vakio ny lahatsoratra ao amin’ny pejy 22 momba ireo tsodranon’ny fisoronana. Asao ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hizara ny momba ireo fotoana izay nandraisan’izy ireo tsodranon’ny fisoronana. Inona no tsapan’izy ireo? Ahoana no nanampian’ilay tsodrano azy ireo? Moa ve misy tsodrano izay afaka manampy olona iray ao amin’ny fianakaviana amin’izao fotoana izao?

Ampiasain’ny Tompo ny mpaminaniny mba hanampy antsika hamboly herim-po

Ao anatin’ny lahatsoratra ao amin’ny pejy 30, ny Loholona Sikahema dia miresaka momba ny fomba nanampian’ny fanarahana ireo fampianaran’ny mpaminany azy mba hiorina mafy amin’ireo zavatra inoany sy ireo fitsipika arahiny nandritra ny naha mpilalao matihanina azy teo amin’ny sehatry ny lalao football américain. Aorian’ny famakiana ity lahatsoratra ity dia azonao asaina ny olona tsirairay mba hizara fotoana iray nanampian’ny fanarahana ny mpaminany azy ireo mba hanana herim-po.

Sahanasa mampiala voly ny fianakaviana ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy

Miroborobo hatrany isan’andro

Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny antsika dia tompon’ andraikitra isika amin’ny fanampiana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany mba hiroboboro. Ny Matio 13:31–32 dia milaza hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain’olona ka nafafiny tany an-tsahany;

“Fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo.”

  1. Mipetraha manao faribolana ary miforeta kely tahaka ny voan-tsinapy kely.

  2. Asaivo mifandimby ny tsirairay mba hilaza zavatra izay azon’izy ireo atao isan’andro mba hanampiana ny Fiangonana hiroborobo (mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo, mizara soratra masina ao amin’ny tambajotran-tserasera, mizara fahamarinan’ny filazantsara anankiray amin’ny namana iray, sns.)

  3. Isaky ny misy olona iray manonona zavatra atao iray mba hanampiana ny Fiangonana hiroborobo, dia mipetraka somary mahitsy kokoa ny olona rehetra ary avy eo manomboka mitsangana mandra-pitsanganan’izy ireo tsara.

  4. Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny fianakavianao ny antony maha zava-dehibe ny fanaovan’ny olona tsirairay ny andraikiny mba hitondrana anjara biriky amin’ny fampiroboroboana ny Fiangonana.