2023
Ilay lakolosy mpampahatsiahy ahy
Martsa 2023


“Ilay lakolosy mpampahatsiahy ahy,” Liahona, mar. 2023.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ilay lakolosy mpampahatsiahy ahy

Raha nanaraka ilay bitsika aho dia ho nanana fotoana kokoa nampianarana ny filazantsara an’i Giuseppe.

Sary
lakolosy

Nitsidika katedraly iray tany Parme Italie izaho sy ny mpiara-mitory tamiko indray andro fiomanana. Rehefa nitolagaga tamin’ireo hosodoko tao izahay dia nahatsikaritra moanina iray namaky zavatra tsy lavitra anay aho. Nahare bitsika aho mba hiresaka aminy mikasika ny Bokin’i Môrmôna saingy natahotra aho.

Ahoana no mety ho fihetsiky ny moanina katolika iray manoloana misiônera mitory ao anatina Katedraly? Mbola tonga indray ilay bitsika saingy nolaviko ihany izany.

Herinandro vitsy taty aoriana dia niteny taminay ireo Elder roa mpiray trano aminay fa nitsidika moanina iray antsoina hoe Guiseppe izy ireo taorian’ny fifampiresahana teny an-dalana. Nanaiky nandray tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna izy taorian’ny nampianaran’izy ireo lesona azy.

Rehefa avy nihaona tamin’ireo misiônera i Giuseppe herinandro taty aoriana dia efa nahavita vaky betsaka tamin’ilay boky. Tena nampientanentana azy izany.

Mialoha ny nihaonan’ireo misiônera indray tamin’i Giuseppe dia nafindra toerana ny misiônera mpiara-mitory tamiko. Noho izany dia niaraka tamin’izy ireo aho. Rehefa nandeha nampianatra an’i Giuseppe tao amin’ny katedraly izahay dia tsy gaga aho raha nahita azy fa tena ilay moanina nahenoako bitsika fa ilaiko resahina tany aloha tany ihany izy.

Nilaza taminay i Giuseppe fa namaky ny bokin’i Almà izy izay nampitahainy tamin’i Paoly Apôstôly. Nanapa-kevitra ny hampianatra azy ny lesona faharoa izahay izay nifarana tamin’ny fanasana azy ho atao batisa. Rehefa nifarana ny lesonay, taloha kelin’ny fotoana hanasanay an’i Giuseppe hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy tamin’ny fanaovana batisa Azy, dia nanomboka naneno ireo lakolosin’ny katedraly, izay nanaitaitra anay.

Tsy hain’i Giuseppe intsony ny ora ka nilaza izy fa mila miaraka amin’ireo moanina hafa hamonjy ny vavaka fanao amin’ny antoandro izy. Avy eo dia sady niala tsiny izy no nilaza fa tsy ho afaka intsony amin’ny manaraka satria hamonjy laretirety ho an’ny moanina izy. Ary hatokana ho pretra izy aorian’izany.

Gaga izahay hoe ahoana no nampajavona fotsiny izany fotoana manan-danja izany. Raha nanaraka ilay bitsika voalohany aho dia ho nanana fotoana kokoa nampianarana an’i Giuseppe ary ho nanana fotoana namitana ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna izy. Raha ny fahalalako azy dia tsy nampianatra azy intsony ireo misiônera.

Taorian’io zavatra niainana io dia nampahatsiahy ahy ny feon’ireo lakolosy fa hoe tena manan-danja sy fohy ny fotoantsika. Isaky ny maheno lakolosy maneno aho mandra-pahatapitry ny misiônako dia voatosika aho hiresaka amin’olona arak’izay vitako mikasika ny filazantsara. Mbola manohy manaraka ny bitsiky ny Fanahy aho hatramin’izao.