2023
Manaraka ny ohatra nasehon’i Kristy: Mikarakara ireo izay sahirana
Martsa 2023


“Manaraka ny ohatra nasehon’i Kristy: Mikarakara ireo izay sahirana,” Liahona, mar. 2023.

Manaraka ny ohatra nasehon’i Kristy: Mikarakara ireo izay sahirana

Maro ireo fomba ahafahantsika mampiseho ny fitiavantsika ny namantsika manomboka any amin’ny famokarana sakafo mankany amin’ny fanoloran-tanana amin’ny voina tampoka ka hatrany amin’ny fanompoana.

Sary
I Jesoa Kristy manasitrana lehilahy jamba iray

I Will Believe (Hino aho), nataon’i Liz Lemon Swindle, tsy azo adika

Amin’ny maha mpanara-dia an’i Jesoa Kristy, ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia miezaka ny miaina ireo didy roa lehibe: ny hitia an’ Andriamanitra sy hitia ny namantsika (jereo ny Matio 22:37–39). Ny fanarahana ireo didy roa lehibe ireo sy ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy no zavatra mitarika ny Fiangonana sy ireo mpikambana ao aminy mba hanampy ireo izay sahirana.

Ahoana ary izany no fomba hanampian’ny Fiangonana ireo izay sahirana? Ary ahoana no fomba ahafahan’ireo mpikambana mandray anjara ao amin’ity asa lehibe ity?

Ireo fomba ahafahana manampy

Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana antsika dia miezaka isika mitady ireo izay sahirana sy manolotra fanampiana an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra na inona na inona volon-kodiny, na ny firenena niaviany, na ny finoany.

Manampy ireo izay sahirana amin’ny fomba maro isika ka tafiditra ao anatin’izany ny:

  • Fifadian-kanina sy ny fampiasana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina.

  • Fifanompoana.

  • Ireo fandaharan’asa momba ny fizakan-tena.

  • Ireo fandaharan’asa momba ny sakafo, ny fampianarana, ny rano madio sy ny fitsaboana atao maneran-tany.

  • Fanoloran-tanana amin’ny voina tampoka.

  • Tetikasa fanaovana asa an-tsitrapo eo anivon’ny fiarahamonina.

Na dia goavana aza ny sasany amin’ireo ezaka ataon’ny Fiangonana eo amin’ny fanampiana olona, dia afaka mitondra fiantraikany lehibe koa rehefa mitambatra ireo ezaka madinidinika atao. Ireto misy ohatra vitsivitsy izay maneho ny fomba hanampian’ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo izay sahirana.

Sary
olona miara-manao kilalao iarahan’ny maro

Nanomboka tamin’ny febroary 2022, dia nanampy ireo mpitsoa-ponenana tamin’ny fanomezana fitaterana sy sakafo ary toeram-pialofana ireo Olomasin’ny Andro Farany tany Pologne.

Manompo ao anatin’ny ady

I RaeAnn sy Sterling Jarvis, izay mpikamban’ny Fiangonana ao Varsovie, Pologne, dia tsy nahafantatra izay hitranga rehefa nisafidy ny hampiantrano mpitsoa-ponenana tao aminy izy ireo. Saingy naneho fahavononana ny hanampy araka izay vitany izy ireo.

Fotoana fohy taorian’ny nanombohan’ny ady tany Eôrôpa, dia nisy fianakaviana avy any Ukraine tonga teo am-baravaran’izy ireo tamin’ny 1 ora maraina. Nanao dia teo amin’ny 800 km latsaka kely teo izy ireo mba hahitana toerana azo antoka. Nampiantranoin’ny fianakaviana Jarvis i Maryna sy Serhii Bovt ary ireo zanany anankitelo. Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa nanana fitiavana sy fiahiana marina an’ny fianakaviana Bovt izy ireo. “Rehefa mizara fitiavana ianao dia mitombo izany,” hoy i Maryna mahakasika ny ohatra nasehon’ny fianakaviana Jarvis eo amin’ny fanompoana. “Mampifanakaiky antsika izany ary mampanakaiky antsika amin’ny Tompo.”

Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana antsika dia miezaka isika ny hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanompoana ireo olona manodidina antsika. Tsy voatery rehefa mandositra ady sy fanenjehana ny olona vao mila fanampiana. Ny fihetsika rehetra maneho hatsaram-panahy avy amintsika, na kely toy ny inona aza izany, dia afaka ny hisy fiantraikany tsara eo amin’ny fiainan’ny olona.

Fiarahamonina iray mizara

Any amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana izay an’ny Fiangonana any Laie Hawaï, dia fianakaviana maherin’ny 310 no manao fambolena mba hamelomana ny tokantranon’izy ireo. Eo amin’ilay tanin’izy ireo mirefy 0,5 hekitara no hambolen’izy ireo saonjo, mangahazo, vomanga, soanambo, goavy ary zavatra hafa famboly eo amin’ny nosy.

Misiônera mpivady no mitantana ilay toeram-piompiana sy fambolena ary mahazo fanohanana avy amin’ireo misiônera sy mpikambana hafa izany. Ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo dia manampy eo amin’ny fanadiovana ny tany sy ny fanomanana ny tany hambolena, ary eo amin’ny fampianarana ireo fahaiza-manao fototra mikasika ny fambolena sy ny fiompiana.

Noho ireo misiônera sy ireo mpikambana ary ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo, dia olona maro izay mila sakafo any Hawaï no mahavelona tsara kokoa ny tenan’izy ireo rehefa tsy dia misy firy ny asa. Matanjaka kokoa ny fiarahamonina rehefa miara-miasa ny olona mba hikarakara ilay toeram-pambolena sy fiompiana ary mizara ny zavatra nambolen’izy ireo.

Ireo tetikasan’ny Fiangonana hanampiana olona dia manome sakafo ampy, fampianarana sy rano madio ary fitsaboana ho an’olona an-tapitrisany maro maneran-tany. Ny Fiangonana koa dia manolotra loharanom-panampiana hafa mba hampivoarana ny fizakan-tena ka tafiditra ao anatin’izany ny trano fanobian’ny eveka, ny ivon-toerana misahana ny fanampiana amin’ny asa, ny toeram-pivarotan’ny Deseret Industries, ny fanoroan-kevitra avy amin’ny Family Services, ireo fampianarana mikasika ny fizakan-tena ary ireo toeram-pambolena sy fiompiana sy saham-boankazo izay an’ny Fiangonana toy ny Toeram-pambolena sy fiompiana any Laie Hawaï. Ireo tetikasa ireo dia matetika tohanan’ireo mpikambana sy misiônera ka ny fanomezan’izy ireo tsy misy tambiny ny talentan’izy ireo sy ireo loharanom-panampiana hafa dia mitondra fiovana lehibe eo anivon’ireo sahirana.

Fihetsika maneho finamanana

Tamin’ny 2021, dia mpikamban’ny Fiangonana miisa 200 no namaly antso iray mba hanampy. Nandeha tany amin’ireo ivon-toerana tany Alemana, Etazonia ary tany amin’ireo toerana hafa izy ireo mba hanampy amin’ny fikarakarana ireo mpitsoa-ponenana miisa 55.000 avy any Afghanistan.

Mpilatsaka an-tsitrapo maro no nanompo tany amin’ireo ivon-toerana ireo nandritra ny roa na telo herinandro ary ny sasany aza nijanona elaela kokoa. Nanolotra ireo zavatra maika nilain’ireo nitady fialofana ireo ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny fanomezana sakafo, akanjo, ary kojakoja hafa.

Nahatsikaritra ireo rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana tany Alemana fa nampiasa ny lobaky ny vadiny ireo vehivavy sasantsasany avy tany Afghanistan mba hanaronany ny lohany fa tsy ilay saron-doha nentim-paharazana izay very na simba tao anatin’ny sahotaka tany amin’ny seranam-piaramanidina. Niara-nivondrona ireo rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ireo mba hanjaitra fitafiana silamo nentim-paharazana ho an’ireo rahavavy sahirana ireo, mba hanehoana hatsaram-panahy sy fanajana ny hafa ka nampandefitra ny tsy fitovian’ny finoana arahan’izy ireo.

Hoy ny Rahavavy Sharon Eubank, talen’ny Latter-day Saint Charities hoe: “Tsy voatery ilàna vola na fandehanana any amin’ny toerana lavitra be ny ezaka ataontsika tsirairay; fa mila kosa ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy fo feno fahavononana hiteny amin’ny Tompo hoe -Inty aho, iraho aho- izany [Isaia 6:8].”1

Ny faniriana hanompo rehefa misy loza mianjady no antony mahatonga ny Fiangonana ho matetika iray amin’ireo vondrona voalohany izay sady manao vonjy rano vaky no manolotra fanampiana mandritra ny fotoana maharitra. Ny asa ataon’ireo mpikambana sy ireo misiônera dia manampy ireo izay sahirana mba hahatsapa fiarovana sy hahazo fikarakarana ara-batana sy ara-tsaina ary hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny hatsaram-panahin’ny hafa.

Sary
I Kristy miaraka amin’ilay boka sitrana

Fa aiza ny sivy? nataon’i Liz Lemon Swindle, tsy azo adika

Voantso ho amin’ny asa 

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:3 dia milaza hoe: “Koa raha manam-paniriana ny hanompo an’ Andriamanitra ianareo dia antsoina ho amin’ny asa.” Maro ireo fomba ahafahana manompo eo anatrehan’ireo zavatra rehetra ataon’ny Fiangonana.

Maro amin’ireo ezaka arindran’ny Fiangonana hanampiana ireo izay sahirana no tsy tanteraka raha tsy eo ny asa fanampoana ataon’ireo misiônera sy mpikambana. Tsy ny olona rehetra akory no afaka mampiantrano fianakaviana mpitsoa-ponenana, na manolotra izay zavatra ilain’ny hafa ara-batana, na manajanona ny zava-drehetra mba handehanana hanampy any amin’ny loza mitranga iray. Saingy manana anjara andraikitra ny olona tsirairay ary tsapa sy manan-danja ny anjara biriky entin’ny olona rehetra.

Ny iray amin’ireo fomba manan-danja mba hahafahan’ireo mpikambana manome ao anatin’ity asa ity dia amin’ny alalan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina sy ny fanolorana fanomezana hanampiana olona. Ireo fanomezana masina ireo dia ampiasaina mba hanampiana ireo izay tena sahirana sy hitondrana fiantraikany lalina eo amin’ny fiainan’ireo izay ampiana. Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia afaka mirotsaka ny hanao asa fanampiana olona eo anivon’ny asa fitoriana, sy manamora ny fianarana ireo taranja momba ny fizakan-tena, ary milatsaka an-tsitrapo hanampy ao amin’ny trano fanobian’ny eveka sy ao amin’ny toeram-pivarotan’ny Deseret Industries. Afaka manampy ireo izay sahirana koa ianao amin’ny alalan’ny asa fanompoana eo an-toerana, ny fanomezan-dra, ny anjara andraikitra nomena ao amin’ny fanompoana, ny vavaka sy ny maro hafa.

Voantso ho amin’ny asa isika rehetra. Voantso mba hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy sy hitia an’ Andriamanitra sy ny namantsika isika. Fo feno fahavononana no hany ilaintsika.