2023
Ny zavatra tazako avy eny ambony
Martsa 2023


“Ny zavatra tazako avy eny ambony,” Liahona, mar. 2023.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ny zavatra tazako avy eny ambony

Efa saika nariako ilay zavatra tena nilaiko mba hanatratrarako ilay tanjoko.

Sary
Faritr’i Roy’s Peak

Sarin’ny faritr’i Roy’s Peak nalain’ny mpanoratra

Vao haingana aho no nanao ilay fihanihana malaza teny amin’ny Roy’s Peak tao amin’ireo tendrombohitra kanton’ny Nosy Atsimon’i Nouvelle Zélande. Satria maharitra ora maro ny fihanihana dia izay nilaiko ihany no nentiko: sakafo kely maivana sy rano be dia be.

Rehefa nanomboka aho dia efa tsapako ho navesatra ilay kitapo nobabeko. Rehefa nihanika antsasakadiny aho dia tsapako bebe kokoa ny havesatry ny kitapoko teo amin’ny soroko sy ny lamosiko. Nieritreritra ny hanary ny sasany tamin’ny ranoko aho nandritra ny fotoana fohy. Saingy tonga dia fantatro fa hilaiko izany.

Nanomboka nihanideza sy rakotra ranomandry ny lalana adiny iray sy sasany nialoha ny hahatongavako teny an-tampon’ilay tendrombohitra. Nanomboka nieritreritra aho hoe tsy ho tonga eny amin’ny tampony saingy nandrisika ahy mba hanohy ilay tanjoko.

Rehefa tonga teny an-tampony aho tamin’ny farany dia nihamaivana ilay kitapo nobabeko. Nihinana ireo sakafoko maivana aho tamin’izay ary nisotro ny ankamaroan’ny ranoko. Nandinika ny dia nataoko nankeny an-tampon’ilay tendrombohitra sy teo amin’ny fiainako aho teo am-pialana sasatra sy teo am-pankafizana ny hakanton’ny zavatra tazana avy eny ambony.

Nihanika tendrombohitra nandritra ny ora maro aho, sady nampisakafo sy nanome rano ny vatako mba hananako hery hanohizana. Ilay zavatra noraisina ho toy ny enta-mavesatra tany am-boalohany, ilay rano namonjy ny aina, dia nitahy ahy mba hanatratrarako ilay tanjoko.

Miaina ny fivadibadihan’ny fiainana isika rehetra, saingy manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara ny Fanahy Masina. Efa saika najanoko teny an-dalana ny rano antsasaky ny litatra mahery saingy nanana fahatsapana aho fa tokony hitahiry izany.

Tamin-dranomaso no nisaorako ny Ray any An-danitra noho ireo eritreritra tonga tao an-tsaina ireo. Ny fahatongavako teo amin’ny tendrombohitra rakotry ny ranomandry tamin’io andro io dia nanosika ahy handinika ny fiainako, ireo fanapahan-kevitro, ireo tanjoko ary ireo zavatra hazoniko manokana.

Talohan’ny nanaovako ilay fihanihana dia feno fiahiahiana aho mahakasika ny fiainako sy ny fandehanako hiasa any amin’ny firenena hafa. Saingy tsapako amin’izao fotoana izao fa hilamina ny zava-drehetra. Fantatro fa hiahy ahy ny Tompo.

Fantatro fa afaka mandray fanapahan-kevitra tsara aho izay hampahery ahy ara-tsaina sy ara-batana ary ara-panahy miaraka amin’ny Fanahy. Ary rehefa mahatsapa ho ketraka aho dia afaka mitodika any amin’ny Mpamonjy ahy, ilay mpanome “rano velona” (Jaona 4:10). Fantatro fa hamahana ahy sy hanamaivana ny enta-mavesatro Izy (jereo ny Matio 11:28–30).