2023
Ilay hery ahafahana mampitsangana
Martsa 2023


“Ilay hery ahafahana mampitsangana,” Liahona, mar. 2023.

Ireo fahagagana nataon’i Jesoa

Marka 5:22–24, 35–42

Ilay hery ahafahana mampitsangana

Afaka manampy hampitraka ireo izay miandry ny fanafahan’ny Mpamonjy isika.

Sary
olona mifandray tanana

Resy indray. Nitambotsotra teo amin’ny sezako ary nitanondrika aho. Nijery fotsiny aho saingy tsy nanana hery hitsanganana. Niezaka mafy ny ekipanay. Ny sasany mangana. Ny sasany nikotringa nivoaka ny toeram-pilalaovana. Taorian’ireo faharesena nifanesy nianjady tamin’ny ekipa mpilalao baolina kitra tao amin’ny lisea nisy anay, dia tsy hoe kivy fotsiny izahay fa torotoro ny fonay.

Raha iny toa nanenika ahy iny ny fahadisoam-panantenana dia nandalo nanao dingan-dava ny iray tamin’ireo zatovovavy zandriny indrindra. Tonga aho dia voasarik’ilay fahatsapana te hanatratra tanjona hitako teny amin’ny endriny.

Hitako fa isaky ny nandeha kely izy dia nanolotra ny tanany tamin’ny zatovovavy tsirairay, saingy tsy nentiny nanehoana ny faharesena akory izany. Nidera sy nampahery ary naneho fangorahana manokana izy. “Mbola tsy nahita anao nihazakazaka toa an’iny velively aho mba hamonjy izay baolina nodakana rehetra. Iny no lalao tena nilalaovanao tsara.” Ary hoy izy tamin’ny anankiray hafa, “Oay, tena lalao nahavariana iny. Marina e! Tena tao tsara ianao androany!”

Isaky ny nanao peo ny dimy izy, dia nijanona kely teo amin’ny tanan’izy ireo ilay tanany, ary ny ilan-tanany dia nihazona ny soroka na nisafosafo moramora ny tongotra mangana sy voaloton’ny bozaka. Tsapako ho nitondra zavatra avy tany anatiny tany izy, hery izay toa nalaina avy tao aminy ary nalefa nankany am-pon’ny mpikambana tsirairay tao amin’ny ekipa. Nanomboka nivoaka avy tao amin’ny fikentronkentronana sy ny fahadisoam-panantenana izay naharary ny tsikitsiky. Nijoro moramora tsikelikely ny mpilalao tsirairay niaraka tamin’ny fahatsapan-javatra vaovao izay nampiontam-po nanivatsiva teny amin’ny rivotra.

Iza no niraharaha izay faritra mangana sy izay fanaintainana? Iza no niraharaha izay fahatezerana sy fahasorenana? Tsy nisy na iray aza. Saingy ahoana no nahafahan’ny tanana tsotra iray nampitsangana olona iray hiala teo amin’ny toerana nisy fijaliana hankany amin’ny toerana iray misy tanjona sy hery?

Mamelà ahy hizara zavatra vitsivitsy izay nianarako momba ny hery ananan’ny Mpamonjy mba hampitsangana sy ny fomba ahafahantsika manampy, toy ilay namako tao amin’ny ekipa mpilalao baolina kitra.

Hitantsika ao amin’ny Testamenta Vaovao ity tantara momba ny zanakavavin’i Jaïro manaraka ity.

“Dia avy ny anankiray tamin’ny mpanapaka ny synagoga, Jaïro no anarany: ary rehefa nahita an’i [Jesoa] izy, dia niankohoka teo amin’ny tongony,

“Ka niangavy fatratra taminy hoe: marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re mametraha ny tànanao aminy, mba ho sitrana izy ka ho velona.

“Dia nandeha niaraka taminy Izy” (Marka 5:22–24).

“Dia nandeha niaraka taminy Izy”

Tiako ilay andalana hoe: “Dia nandeha niaraka taminy Izy” (Marka 5:24). Tsy tonga dia nitranga ilay fahagagana. Raha ny marina dia nisy ny fahatarana izay tena nahakivy talohan’ny nahazoan’ilay fianakaviana ny famonjena izay nitalahoan’izy ireo. Saingy efa teny an-dalana niaraka tamin’izy ireo i Kristy.

Rehefa mila zavatra iray isika izay tsy vitantsika ny manao azy ho an’ny tenantsika, dia afaka matoky isika fa ho avy i Jesoa. Ary afaka matoky isika fa rehefa miandry amim-pinoana ny hitrangan’ireo fahagagana eo amin’ny fiainantsika na eo amin’ny fiainan’ireo olona akaikin’ny fontsika isika, dia hiara-dalana amintsika Izy. Hiara-dalana amintsika Izy hanivatsiva ny fitaintainana sy ny tahotra ary ny alahelo izay mety miandry antsika eny amin’ilay lalana mitondra any amin’ny fanafahana.

“Andeha re mametraha ny tànanao aminy”

Tsy anjarantsika ny manolotra fanasitranana, fa tahaka an’i Jaïro, dia afaka mitondra an’i Jesoa Kristy, Ilay Mpanasitrana Lehibe, any amin’ireo olona tiantsika isika. Fantatr’i Jaïro fa ny tanan’ny Mpamonjy dia afaka mampitsangana olona iray hiala eo amin’ny toerana misy fijaliana hankany amin’ny toerana iray misy tanjona sy hery.

Hitako teo amin’ilay mpilalao baolina ao aminay izay nanolotra hazavana izany. Nizara ny hazavan’i Kristy teo amin’ny kianja filalaovam-baolina izy ary nanome fahafahana Azy mba hanatanteraka ny fanasitranany. Nanampy tamin’ny fanangonana an’i Isiraely izy tamin’ny alalan’ny fanaingana ambony ny fahazavany.

Isika tsirairay dia mila olona iray hafa ankoatra ny tenantsika mba hamonjy antsika. Na dia toa mampiseho aza izany fa marefo isika, dia afaka matoky isika fa hanolotra Mpamonjy iray ny Ray any An-danitra izay hanampy antsika hitsangana avy ao amin’ny fahakiviana. Ary afaka miaraka mandray anjara Aminy isika, toy ny nataon’ilay mpilalao baolina maherifo tiako.

Ahoana kosa raha miharatsy ny toe-javatra eo am-piandrasanao ny fahatongavan’ireo fitahiany?

“Nahoana hianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?”

Raha teny an-dalana ho any an-tranon’i Jaïro i Kristy dia nisy ny zavatra nanatara azy. Feno olona ny lalana ary rehefa niezaka nitsofotsofoka Izy dia nisy vehivavy iray nanam-pinoana lehibe izay niandry ilay tanany manasitrana koa, nikasika ny akanjony.

“Ary hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho.

“Ary niaraka tamin’izay dia ritra ny loharanon’aretiny, ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy” (Marka 5:28–29).

Nanao ahoana ny fitebiteben’i Jaïro? Nanao ahoana ny fahasorenana teo anatrehan’ilay fahatarana? Efa teo am-bavahoan’ny fahafatesana ny zanany vavy tamin’izy niala tao an-trano. Avy eo rehefa nitady an’ilay vehivavy izay sitrana ny Mpamonjy sy niresaka taminy, dia nisy olona avy any an-tranon’i Jaïro tonga nilaza ny vaovao ratsy: “Efa maty ny zanakao vavy; nahoana hianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?” (Marka 5:35).

Fitahiana lehibe no azon’ilay vehivavy izay niandry efa ela! Saingy tena nampalahelo i Jaïro sy ny fianakaviany izay tsy nanam-potoana niandrasana mihitsy! Indraindray rehefa anisan’ny miandry isika dia mety ho mafy ny mihazona ilay fanantenana fa ho avy Izy. Saingy raha ho an’i Jaïro sy ny fianakaviany, dia toa efa tara loatra tamin’izay ny hanantena ilay fahagagana nilain’izy ireo. Maty ilay zanany vavy. Nahoana no mbola hanahirana ny Mpampianatra ihany?

Nahoana? Satria tsy misy dikany ny fetra apetratsika matetika eo amin’ireo fahagagana ataon’ny Mpamonjy. Tsy voafatotry ny fe-potoana apetratsika ny Tompo ary tsy voafetran’ny fahatakarantsika izay zavatra azo tanterahina ny heriny.

Rehefa mijery amin’ny alalan’ny masom-panahy isika dia hahita fanomezan-toky fa ho avy ny fanafahany (jereo ny Almà 58:11). Afaka manova ny fontsika sy manamafy ny finoantsika Azy ireo fanomezan-toky ireo. Na dia toa efa lasa aza ilay fotoana azo nararaotina dia mbola ho avy Izy, ary ho avy ny anjaranao.

Sary
I Jesoa nanangana ny zanakavavin’i Jaïro tamin’ny maty

Ny fananganana ny zanakavavin’i Jaïro , nataon’i Gabriel Max / Peter Horree / Alamy Stock Photo

“Aza matahotra, minoa fotsiny ihany”

Raha vao henon’ny Mpamonjy ilay vaovao ratsy dia hoy izy tamin’i Jaïro hoe: “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany” (Marka 5:36). Ny tenin’ny Mpamonjy tamin’i Jaïro dia mampiseho fa tena maniry ny hanome toky antsika Izy ao anatin’ny fiandrasana. Tsy misy fiatoana ny asa fanompoany na dia miato kely aza isika. Namporisika an’i Jaïro mba handroso amim-pinoana avy hatrany Izy.

“Ary rehefa niditra Izy, dia niteny: Nahoana hianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory. …

“Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe: raha adika: Ry zazavavy, hoy izaho aminao: Mitsangàna” (Marka 5:39, 41).

Tsikaritrareo ve ity? “ Nandray ny tànan-drazazavavy Izy.” Misy hery ao amin’ny tanany. Ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95) dia nilaza indray mandeha hoe: “Na inona na inona hametrahan’i Jesoa tanana dia velona.”1 Inona no azontsika atao mba handraisantsika tsara kokoa ilay tanany manasitrana? Ary ahoana no ahafahantsika ho tanany mba hampitsanganana ny hafa ao anatin’ny fotoana iainan’izy ireo alahelo sy hakiviana?

“Dia nitsangana niaraka tamin’izay razazavavy ka afa-nandeha.”

Tonga dia velona ny zanakavavin’i Jaïro: “Dia nitsangana niaraka tamin’izay razazavavy ka afa-nandeha” (Marka 5:42). Hampandry antsika eo amina fandriana ny fiainana an-tany, saingy tsy maintsy miarina avy eo amin’izany isika. Tsy dia hitovy ireo fandriana ireo ho antsika tsirairay, izay manomboka any amin’ny fahakaviana taorian’ny faharesena teo an-kianja hatrany amin’ny famoizana olon-tiana. Tsy maintsy ho avy ny fijaliana. Saingy tsy handao antsika velively Izy, na dia toy ny faran’izay ratsy sy tsy hiova intsony aza ireo toe-java-misy. Indraindray avelany handeha any amina toerana maty sy aolo isika mba hahafahany maninjitra ny tanany sy mameno aina izany.

Miaraka amin’ny mariky ny Sorompanavotana nataony, dia ny mariky ny fantsika eo amin’ny tanana tsirairay, dia asehony antsika fa isika no ao anatin’ilay asa fanompoany: “Indro efa vitako tombokavatsa eo amin’ny felatanako ianao;” (1 Nefia 21:16). Ny asa fanompoan’i Kristy dia ny nanangana sy manangana ary hanangana foana antsika avy amin’ilay fahafatesana ara-batana na ara-panahy izay tsy azontsika ihodivirana, ary tanteraka izany rehetra izany amin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony.

Rehefa mitranga ny fahoriana sy ny olana tahaka izany dia azontsika alaina sary an-tsaina ireo tanana misy marika eo amin’ny felatanana tsirairay, izay tsy hoe mitondra hatsaram-panahy sy fitiavana fotsiny fa hery handresena koa. Amin’ny alalan’ny fampiharana ny finoana Azy dia hanjaka eo amin’izay mety zavatra atrehantsika ny famerenana amin’ny laoniny tanteraka izay tanterahin’ny Mpanavotra an’izao tontolo izao.

Ary afaka ny ho tohin’ny tanany ho an’ny hafa izay mila ny fikasihany isika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa hatsangana hiala avy ao amin’ny rofintsika ary amin’ny farany avy ao amin’ny fasana isika tsirairay. Tsarovy fa na dia toy ny very aza ny zava-drehetra, dia eo Izy ary manolotra ilay tanany manana hery hamonjena. Alaivo sary an-tsaina ny fifaliana izay ho avy rehefa manolotra ny tanany handray ny tananao Izy ary milaza hoe: “Hoy izaho aminao: Mitsangàna.” Ary dia hitsangana isika.

Fanamarihana

  1. Teachings of Presidents of the Church: Howard W. Hunter (2015), 150.