2023
Ahoana no ahafahan’ny Tompo manome hery ahy hanao zavatra mahatalanjona?
Martsa 2023


“Ahoana no ahafahan’ny Tompo manome hery ahy hanao zavatra mahatalanjona?,” Liahona, mar. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Matio 14

Ahoana no ahafahan’ny Tompo manome hery ahy hanao zavatra mahatalanjona?

Mety ho asaina manao zavatra izay tsy tena azontsika antoka isika mandritra ny androm-piainantsika rehefa manatona kokoa an’i Kristy sy mianatra mihaino ny feon’ny Fanahy. Tahaka an’i Petera nandeha tambony rano dia afaka ny hahazo hery hanaovana zavatra izay toa tsy ho azo tanterahina mihitsy isika rehefa mifantoka amin’i Kristy sy, araka ny nampianarin’ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “miaina amin’ny finoana fa tsy amin-tahotra” (“Live by Faith and Not by Fear,” Liahona, Nov. 2007, 70).

Sahanasa

Vakio ny Matio 14:22–33 ary tanisao ny zavatra niainan’i Petera.

Sary
Mandeha ambony rano manatona an’i Jesoa i Petera

Ahoana no nahafahan’i Petera nandeha tambony rano.

Sary nataon’i Paul Mann

Sary
Manomboka milentika anaty rano i Petera

Nahoana no nanomboka nilentika izy?

Sary
Manampy an’i Petera hiverina ao anaty sambo i Jesoa

Ahoana ny fomba namonjen’ny Tompo azy?

Sary
I Jesoa eo ambony rano

Rehefa mifantoka amin’i Kristy isika dia ho eo foana Izy hanampy antsika.