2023
Torohevitra vitsivitsy hiatrehana hoavy mampatahotra sy manjavozavo
Martsa 2023


Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Torohevitra vitsivitsy hiatrehana hoavy mampahatahotra sy manjavozavo

Nisedra ahiahy maro aho teo amin’ny fiainako manokana sy arak’asa ary nianatra ny fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra manampy antsika mandritra izany.

Sary
Fonon-tanana fanaovana ady totohondry

Fony aho mbola kely dia nifindra monina avy any Tonga nankany Etazonia ny fianakaviako. Mpanao ady totohondry ny raiko fony izahay nonina tany Tonga, ary nanomboka nanofana ahy mba hanao ady totohondry izy taorian’ny nahatongavanay tany Etazonia. Ny drafiny maty paika dia ny hahatongavako ho tompon-daka maneran-tany ho an’ny sokajy mavesa-danja indray andro any. Nampianatra ahy tsy hatahotra izy. Tsy mahazo matahotra ianao eo amin’ny filalaovana ady totohondry raha te hahomby. Mety hoe tsy tena nazoto tao am-piangonana ny raiko tamin’izany fotoana izany, saingy nampianatra be ahy momba ny fiatrehana ny zava-tsarotra sy ny fananana risi-po amin’ny fiatrehana tahotra izy.

Nanomana ahy ho amin’ny asako ny fianarana ady totohondry. Nianatra tao amin’ny Oniversite Brigham Young aho satria nahazo vatsim-pianarana hanao football américain. Ary na dia ny fanatanterahana ilay zavatra heverin’ny olona maro ho zavatra mampahatahotra indrindra eo amin’ny sehatry ny football américain aza, dia ilay hoe catching a punt (misambotra ny baolina nodakan-davitra) izany, dia nataoko tamim-pahatoniana foana. Tsy nanan-tahotra mihitsy aho. Raha ny marina dia tiako ny fanamby fonosin’ilay football américain.

Niandrandra ny hahatonga ahy ho mpanao fahatanjahan-tena matihanina mivelona amin’izany ny raiko. Tao anatin’ny tontolon’ny baolina no nahatanteraka izany fa tsy tao anatin’ny ady totohondry. Saingy raha ny eritreritro dia sady nanampy ahy hanam-pinoana ny fanazaran-tena nataoko no nanampy ahy hibanjina ny hoavy amim-pinoana sy fanantenana rehefa sendran’ny ahiahy.

Sary
rain’i Vai Sikahema mihorakoraka eo ambony kianja noho i Vai nahafaty baolina

Nihorakoraka teny an-kianja noho ny nahafatesan’i Vai baolina ny rainy.

Sary nalain’i Mark Philbrick / BYU © BYU Photo

Amin’ny maha tanora tokan-tena na mpivady vao herotrerony anareo dia miatrika zavatra sarotra sy mampahatahotra ianareo, olana manokana toy ireo fanapahan-kevitra mikasika ny fianarana sy asa, fanambadiana ary fianakaviana. Miatrika olana miely kokoa ihany koa ianao toy ny krizy ara-toekarena, fakam-panahy eo amin’ny fiarahamonina, korontana ara-pôlitika, eny ady mihitsy aza. Saingy fantatro avy tamin’ny zavatra niainako teo amin’ny fiainako fa raha toa isika misafidy ny hametraka ny Tompo ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika, dia ho eo mandrakariva Izy hitarika antsika hamakivaky izany rehetra izany.

Ny fitaomana entin’ireo namana tsara sy olona tsara

Tsara vintana aho fa nanana namana tsara rehefa niverina avy nanompo tany amin’ny sahan’ny misiôna. Nisy namako iray tany amin’ny ivon-toerana fanofanana misiônera nampifankahalala ahy tamina vehivavy iray izay lasa vadiko taty aoriana. Nomeko lanja foana ilay hoe ireo namanao matetika no mamaritra ny fahombiazanao na ny tsy fahombiazanao eo amin’ny fiainana. Afaka manampy anao handray fanapahan-kevitra izay mety hitarika anao hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra na hanalavitra kokoa Azy ireo namanao na ireo mpanorohevitra anao.

Fony aho tao amin’ny National Football League (NFL) ho an’ny football américain, dia nankafy an’i Gifford Nielsen aho, izay nilalao tao amin’ny BYU ihany koa mialoha ny nankanesany tao amin’ny NFL, ary lasa mpanentana ara-panatanjahan-tena tao amin’ny haino aman-jery izy tamin’ny farany ary taty aoriana lasa Fitopololahy Manampahefana Ambony. Nifanena tampoka taminy aho indray andro tany amina kianja filalaovana golf ary nanome torohevitra ahy izy, izay nanova ny lalana arak’asa narahiko.

Nipetraka tao anaty fiarakely fampiasa amin’ny golf izahay, izaho sy izy fotsiny, ary rehefa avy nolazaiko taminy ny drafitro mba hiditra hiasa ao amina fahitalavitra tahaka ny nataony rehefa tapitra ny filalaovako football américain, dia nanoro hevitra ahy izy mba tsy hanohy hanao asa izay hitaky ahy hiatrika lalao amin’ny andro Alahady. Amin’izay dia ho afaka ny hanana antso foana aho ny Alahady sy hanompo ao amin’ny Fiangonana.

Tena tsotra be izany saingy torohevitra izay tsy neritreretiko mihitsy. Ary nanova ny lalam-piainako izany.

Mijoro amin’izay zavatra inoanao

Nampahatahotra sy nampiahiahy ny ankabeazan’ireo asa nataoko tao amin’ny NFL. Roa isan-jaton’ny mpilalao football américain monja ao amin’ny oniversite ihany no tafiditra ao amin’ny NFL ary na dia efa nilalao tao amin’ny ekipa aza aho dia azo esorina amin’ny fotoana rehetra. Fitahiana lehibe ny nahavitako nijanona ela tao, saingy sarotra ny niaina raha tsy nisy drafitra hafa hanoloana izany. Nila finoana betsaka izany.

Rehefa ao amin’ny NFL ianao dia miovaova ekipa isan-taona ary mivoaka miditra manerana ny firenena. Toy ny hoe mahafinaritra izany saingy ny ankamaroan’ny olona dia tsy mahita ilay ampahany tsy dia mahafinaritra loatra. Sarotra ny niaina izany. Sarotra ho an’ny mpivady koa ny niaina izany. Izany no anisan’ny antony maha ambony ny tahan’ny fisaraham-panambadiana eo anivon’ireo atleta matihanina.

Ny nanampy ahy dia ny nahafantarako ny toerana nijoroako. Nanana fototra mafy orina tao amin’i Kristy aho, ary nanao matetika ireo zavatra izay nihazona ahy ho akaiky Azy sy ny Ray any An-danitra.

Mety tsy mandia lalana arak’asa izay feno faneriterena sy fakam-panahy ianao, saingy ho ahy manokana, ny naha atleta matihanina ahy dia nampiditra ahy tanaty karazam-piainana tena hafa izay tsy nahazatra ahy. Ohatra, rehefa tonga amina tanan-dehibe izahay ka mandehandeha aloha amin’ny voalohany, dia te hivoaka avy hatrany sy hanao karazana zavatra tsy mifanaraka amin’ireo fenitry ny filazantsara ny ekipa nisy ahy, ary nahafantatra avy hatrany aho tamin’izany fa tsy afaka ny sady hiaina ny fanao ao Ziona aho no hiaina ny fanao ao Babylona. Tsy afaka namaly aho hoe “aleo aloha aho hieritreritra kely momba izany” mba hampitoniana azy ireo. Fa nila kosa nijoro tamin’ny finoako aho ary nanazava ny antony tsy hiarahako amin’izy ireo.

Sary
Ry Sikahema mivady tamin’ny andro nanambadian’’izy ireo

I Vai sy i Keala vadiny tamin’ny andro nanambadian’izy ireo

Sarin’ny fianakaviana nahazoana lalana avy tamin’ny mpanoratra

Tsara vintana aho nanambady fony mbola tany amin’ny oniversite. Rehefa nandeha tany amin’ny NFL aho dia nanaraka ahy ny vadiko sy ny zanakay enim-bolana. Nanambady tany amin’ny tempoly izahay ary nahafantatra ny lanjan’ireo fanekempihavanana ireo sy ny zavatra notakian’izy ireny tamiko aho. Noho izany dia nolazaiko ireo mpiray ekipa tamiko hoe: “Tsia, tsy manao an’izany aho.” Ary rehefa nanery ahy izy ireo dia niteny aho hoe: “Nanambady tany amin’ny tranon’ny Tompo izaho sy ny vadiko, toerana izay nanaovanay fanekempihavanana masina. Manan-danja kokoa amiko mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra ireo fanekempihavanana ireo.”

Ary ny zavatra mahazendana dia rehefa nametraka ireo fanontaniana ireo tamiko izy ireo sy tena nahazo antoka tanteraka hoe karazan’olona toy ny ahoana aho, dia ireo ekipako ireo ihany no nanomboka niaro ahy sy nanaja ireo fenitra iainako sy ireo fanekempihavanana nataoko. Mitaky herim-po ny mijoro amin’ny zavatra inoanao sy sarobidy aminao.

Nampahatahotra ny niaina fakam-panahy marobe tahaka izany tamin’ny voalohany, saingy ny fianteherako tamin’ny Ray any An-danitra sy ny fahatsiarovana ny fahamasinan’ireo fanekempihavanana sy ny lanjan’izany nanoloana ny faneriterena dia nanampy ahy lalandava hijoro ho mafy orina teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana teo amin’ny asako. Afaka manao zavatra mitovy amin’izany ianao amin’izay toe-javatra rehetra atrehanao mandritra ny dianao.

Araho ny Mpaminany

Fantatro fa amin’ny maha tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony anareo ankehitriny dia misedra ahiahy betsaka sy tahotra ny amin’ny hoavy ianareo. Ary mety hanontany tena mihitsy aza ianareo hoe inona no atao ary ahoana no hahatafavoahana amin’izany. Ny valiny tsotra indrindra dia ny fanarahana ny fitarihan’ny mpaminany, dia ny Filoha Russell M. Nelson. Rehefa miteny ny mpaminanin’ Andriamanitra sy manome zavatra manokana ho anareo, dia tsotra toy ny hoe manaraka fotsiny an’izany torohevitra izany ilay izy.

Tsikaritro fa ny Filoha Nelson dia tia manome lisitra tsotra ahitana ireo zavatra izay azontsika atao mba hijoroana ho mafy orina amin’ny finoantsika. Tao anatin’ireo taona vitsy lasa dia nanome zavatra dimy hataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana izy mba hampitomboana ny finoantsika, fomba dimy hampitomboana ny fahavitrihantsika ara-panahy, zavatra telo izay tokony hataonao raha vao manomboka ny taona vaovao ianao, ary maro hafa.

Tsy manome lisitra ahitana zavatra am-polony izy. Zavatra tsotra fotsiny. Ary raha toa ianao manao ireo zavatra tsotra ireo sy tapa-kevitra dia hiova ny fiainanao eo am-panaovanao ireo zavatra tsotra ireo. Hijoro ho mafy orina ny fototry ny finoanao na dia misy toe-javatra mampahatahotra aza eto amin’izao tontolo izao. Ataovy ireo zavatra ireo dia hilamina ianao. Ho voaro ianao.

Mampahatsiahy ahy ny tantaran’i Namana tao amin’ny Testamenta Taloha izany, ilay miaramila manam-boninahitra tratran’ny habokana. Nankany amin’i Elisa mpaminany izy, izay nilaza taminy mba handro impito ao amin’ny reniranon’i Jordana. Nihevitra ilay miaramila manam-boninahitra fa hadalana izany saingy namporisika azy ny olona manodidina azy mba handeha hanao izany avy hatrany. Ary nanam-pinoana nanaovana izany izy, izay zavatra tena tsotra. Ary dia sitrana izy. (jereo ny 2 Mpanjaka 5:1–15.)

Sary
Fianakaviana Sikahema

Fianakavian’ny Loholona Sikahema

Apetraho eo am-pelatanan’ny Ray any An-danitra ny hoavinao

Ankehitriny aho dia mety tsy lasa mpanao ady totohondry matihaninana saingy nianatra zavatra maro mikasika ny fiatrehana ny tahotra aho. Eo anatrehan’ireo fanapahan-kevitra sy olana rehetra izay atrehanao amin’izao fotoana izao amin’ny maha tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony anao, dia miangavy anao aho mba hanao izay azonao atao, hikatsahana sy hitandremana ny fitarihan’ny Fanahy mba hiaraka aminao mandrakariva. Izany no fanalahidy. Nampianatra ny Filoha Nelson vao haingana hoe: “Ny fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara dia hampandroso antsika hatrany ao anatin’ny tahotra sy ny fisalasalana vokatry ny valanaretina, ny tafofo-dranomasina mahery sy avo, ny fipoahan’ny vôlkano, ary ny ady. Ny fahavitrihana ara-panahy dia afaka manampy antsika hanohitra ny fanafihan’ny fahavalo izay tsy mitsahatra sy ratsy ary hanakana ireo ezaka ataony mba handrodanana ny fototra ara-panahy iorenantsika manokana.”1

Fony aho mbola kely sy niatrika izany hoe tena fifindrana mivantana ho any amina firenena vaovao tamin’ny naha mpifindra-monina izany, dia tsy azoko an’eritreritra mihitsy izany hoe fiainana tsy misy ahiahy. Rehefa nanohy niatrika fanahiana aho nandritra ny fiainako sy ny asako dia nianatra aho fa amin’ny maha mpianatr’i Kristy dia afaka miatrika izay mety ho tahotra na sakana eo amin’ny lalantsika isika.

Rehefa eo anivon’ireo olona tsara ianao dia apetraho sy mijoroa amin’ireo zavatra izay inoanao ary araho ny mpaminany dia tsy hampahatahotra loatra ny hoavy. Ary ho afaka ny handroso amim-pinoana ianao na eo aza ny tahotra sy ny fanahiana. Raha toa ianao mametraka ny hoavinao eo am-pelatanan’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana dia mahazo mahatoky ianao fa ho eo foana Izy ho anao.