2023
Hilamina tsara ny zava-drehetra
Martsa 2023


“Hilamina tsara ny zava-drehetra,” Liahona, mar. 2023.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Hilamina tsara ny zava-drehetra

Toy ny nifanesy tsy nisy fiafarana ny ora mandra-pahatongan’ny iray tamin’ireo mpandidy nanatona ny reniko teo amin’ny efitra fiandrasana.

Sary
Russell M. Nelson mandinika sarina fo

Sarin’i Russell M. Nelson nalain’i Eldon K.Linschoten

Tany amin’ny taona 1980 sy ireo taona vitsivitsy taorian’izany, dia niatrika fandidiana izay nantenainay fa hanalava ny andro iainany ny raiko izay voan’ny aretina mahery vaikan’ny fo.

Tamin’izany fotoana izany dia mbola vaovao be tany Uruguay ilay karazam-pandidiana izay hiaka farany nampiasain’ireo mpandidy. Nosoloin’ireo mpandidy valve artifisialy ilay valve kely manasarona ny lalan-drà lehibe avy ao amin’ny fo. Taty aoriana io karazam-pandidiana io dia zary lasa mahazatra ary nanavotra ain’olona tsy tambo isaina.

Noho ilay fandidiana nampiasana teknika vaovao tena tsy fahita tokoa dia mpitsabo fo maro no nanatrika, nijery ilay fandidiana. Raha teo am-pandidiana ireo mpandidy dia nipetraka feno tebiteby tao amin’ny efitrano fiandrasana ny reniko. Toy ny nifanesy tsy nisy fiafarana ny ora.

Faly izahay rehefa nandre fa fahombiazana tanteraka ilay fandidiana. Rehefa nivoaka ny efitrano fandidiana ireo mpandidy dia nisaraka tamin’ireo mpandidy hafa ny mpandidy anankiray ary nankao amin’ny efitrano fiandrasana. Mpandidy vahiny nandalo izy io ary tonga taty Uruguay hitarika ilay fandidiana.

Nanatona ny reniko izy dia nijanona ary nametraka ny tanany teo an-tsoroky ny reniko tamin’ny fomba feno fankaherezana. Avy eo dia hoy izy nibanjina ny masony: “Hilamina tsara ny zava-drehetra.”

Marina ny an’ilay mpandidy. Mbola niaina 24 taona fanampiny ny raiko, nanompo ny Tompo tamin’ny fony manontolo, salama tsara, hatramin’ny andro farany niainany.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo dia nahatsiaro an’io fifampiresahana manokana io ny reniko, izay nitranga efa taona lasa maro tokoa izay. Raha ny marina, mahatsiaro izany izy isaky ny miteny amin’ireo Olomasina io mpandidy tonga nitsidika io, dia ny Filoha Russell M. Nelson.

Samy manana ny mampiavaka azy manokana ho antsika ireo mpaminanin’ny Tompo. Ny sasany dia miavaka noho izy Filohan’ny Fiangonana tao anatin’ny fahatanorantsika. Ny sasany dia miavaka noho izy Filoha fony isika natao batisa. Fa ho ahy sy ny reniko, dia miavaka i Filoha Nelson noho izy mahafantatra fa ny fandidiana goavana rehetra dia tsy hoe mahakasika ilay marary ihany fa mahakasika ihany koa ireo akain’ny fony. Fantany fa mila teny mankahery sy mampatanjaka ary manome toky ireo fianakaviana rehefa tandindomin-doza ny fahasalamana na ny ain’ny olon-tiana iray.

Ho feno fankasitrahana mandrakariva izahay noho ireo tenin’ny Filoha Nelson feno fanomezan-toky taona maro lasa tany Uruguay ary noho ny androm-piainany ahitana ny fanompoany ny Ray any An-danitra sy ireo zanaky ny Ray any An-danitra.