2023
Johannesbourg, Afrika Atsimo
Martsa 2023


“Johannesbourg, Afrika Atsimo,” Liahona, mar. 2023.

Tafaorina eto ny Fiangonana

Johannesbourg, Afrika Atsimo

Sary
sarintanin’izao tontolo izao ahitana an’i Afrika Atsimo izay misy faribolana manodidina azy
Sary
lalana ao Johannesbourg

Sary tamin’ny alalan’ny Getty Images

Tamin’ny taona 1852 no tonga tao Afrika Atsimo ireo misiônera voalohany an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany Taona maromaro taorian’izay no nandresen’ny mpikambana ireo sakana ara-poko sy ara-kolontsaina ka nananganan’izy ireo firaisan-kina sy finamanana. Ny Fiangonana ao Afrika Atsimo ankehitriny dia ahitana:

  • Mpikambana miisa 69 400 (eo ho eo)

  • Tsatòka miisa 17, paroasy sy sampana miisa 195, ary misiôna miisa 4

  • Tempoly anankiroa (Johannesbourg sy Durban) ary anankiray vao nambara (Le Cap)

Notahina noho ny Filazantsara

I Dimakatso Ramaisa (eo am-povoany) izay sakambinin’i Thuto izay zafikelin’ny iray tampo aminy (eo ankavia) sy i Hohodisa zanaky ny mpiray tampo aminy (eo ankavanana) dia milaza fa ny fiarahana niaina ny filazantsara dia nitahy ny taranaka telo mitohy.

Sary
vehivavy iray miaraka amin’ny zanaky ny iray tampo aminy sy ny zafikeliny izay zafikelin’ny iray tampo aminy

Sary nalain’i Papama Tungela

Zavatra misimisy kokoa momba ny Fiangonana any Afrika Atsimo

Sary
placeholder altText

Ampahan-javatra mandrafitra ny fiainan’ireo Olomasina any Afrika Atsimo ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina, toy ny an’ireo Olomasina rehetra manerana izao tontolo izao.

Sary
placeholder altText

Laharam-pahamehana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana any Afrika Atsimo ihany koa ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina.

Sary
placeholder altText

Fianakaviana iray misangatsangana eny amoron-dranomasina any akaikin’i Le Cap, ary tazana avy ao aoriana ny La montagne de la Table.

Sary
placeholder altText

Andiam-behivavy mivondrona eo akaikin’ny Tempolin’i Durban, Afrika Atsimo talohan’ny nitokanana izany.

Sary
placeholder altText

Raim-pianakaviana iray ao Johannesburg Afrika Atsimo, mampianatra ny zanany mikasika ireo loharanom-pitaovana an’ny Fiangonana hita en ligne.

Sary
placeholder altText

Notokanana tamin’ny 16 febroary 2020 ny Tempolin’i Durban, Afrika Atsimo.

Sary
placeholder altText

Ny Loholona Ronald A. Rasband sy ny vadiny mandray tanana ireo mpikambana taorian’ny fivoriana iray tao Afrika Atsimo.