2023
Ny fiantraikan’ny maha tahaka an’ Andriamanitra anao eo amin’ny fanananao toerana ao Aminy sy ny fahatongavanao ho tahaka Azy
Martsa 2023


“Ny fiantraikan’ny maha tahaka an’ Andriamanitra anao eo amin’ny fanananao toerana ao Aminy sy ny fahatongavanao ho tahaka Azy,” Liahona, martsa 2023.

Ny fiantraikan’ny maha tahaka an’ Andriamanitra anao eo amin’ny fanananao toerana ao Aminy sy ny fahatongavanao ho tahaka Azy

Rehefa manao laharam-pahamehana ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra isika, sy ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia hahita fifaliana ao amin’ny maha tahaka an’ Andriamanitra antsika, hahazo fahatsapana maharitra ho manana toerana, ary amin’ny farany dia hahatratra ny maha andriamanitra antsika.

Sary
Andian’olona samihafa

Ny fikambanan’ny Psychologue Amerikana dia mamaritra ny fananana toerana ho “ny fahatsapana ho ekena sy raisina anaty vondrona iray.”1

Mampalahelo fa tsy isika rehetra no mahatsapa ho manana toerana ary misy fotoana isika dia manandrana manamboatra ny maha izy antsika mba ho eken’ny hafa. Manazava i Joanna Cannon, mpitsabo aretin-tsaina Britanika hoe: “Samy te horaisina daholo isika.” “Mba hahafahana manatratra izany dia mazàna isika no maneho endrika miova kely kokoa noho ny tena maha izy antsika, arakaraky ny tontolo iainana sy ny fiaraha monina izay misy antsika. Mety manana -endrika- maromaro ho an’ny tenantsika isika—endrika hafa any am-piasana, na ao an-trano, na koa en ligne.”2

Zava-dehibe ny manamarika fa misy fahasamihafana ny hoe te horaisina sy ny mananana toerana. Nahatsikaritra i Brené Brown, mpikaroka sy mpanoratra Amerikana iray fa: “Tsy mitovy ny hoe te horaisina sy ny hoe manana toerana. Raha ny marina, ny hoe te horaisina dia anisan’ny sakana iray lehibe ho an’ny fananana toerana. Ny hoe te horaisina dia fanombatombanana toe-javatra iray sy ny fiovana ho ilay olona ilaina hahatongavanao mba ho azo ekena. Etsy andaniny kosa ny fanana toerana dia tsy mitaky antsika hanova ny maha izy antsika; mitaky antsika izany hitoetra amin’ny maha izy antsika.”3

Ny fahafantarana ny maha tahaka an’ Andriamanitra antsika dia zava-dehibe ho an’ny fananana toerana manan-danja, raha tsy izany dia handany ny fotoantsika sy ny herintsika isika hiezahana hiova mba ho ekena any amin’ireo toerana izay tsy manome voninahitra na mifanaraka amin’ny toetra mamaritra antsika mandrakizay. Ankoatr’izany, ny toerana izay safidiantsika hidirana dia mety hitondra amin’ny fanovana ny soatovintsika sy ny fitondran-tenantsika raha te hifanaraka tsara amin’ireo fenitra takin’ny vondrona. Rehefa mandeha eny ny fotoana dia misy fiantraikany amin’ny izay lasa hahatongavantsika ny toerana safidintsika hidirana.

Raha fintinina, ny fankafizana ny maha tahaka an’ Andriamanitra antsika dia misy fiantraikany amin’ny toerana iriantsika ananana, ary ny toerana safidiantsika hidirana no mitondra antsika ho lasa ilay olona izay hahatongavana amin’ny farany.

Ny maha tahaka an’ Andriamanitra antsika

Niara-niaina tamin’ Andriamanitra avokoa isika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:29; 138:55– 56). Nohariana araka ny endriny isika—lahy sy vavy (jereo ny Genesisy 1:27). Nanomana drafitra ho antsika Izy mba hahafahantsika ho tonga tahaka Azy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–20, 23–24). Io drafiny ho an’ny fahasambarana io no lasa nahatonga antsika ho tety an-tany mba hahazo vatana sy fahalalana, ka amin’ny farany isika dia hiverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra hiara-hiaina Aminy ao anatin’ny fifaliana mandrakizay (jereo ny 2 Nefia 2; 9; Abrahama 3:26). Nambaran’ Andriamanitra hoe: “Izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Tsy mampino fa isika no asany sy ny voninahiny! Manambara zavatra mikasika ny halehiben’ny lanjantsika sy ny hasarobidintsika Aminy izany.

Raha ireo olona an-tapitrisany misy eto ambonin’ity tany ity no dinihana dia sarotra amin’ny olona sasany ny manaiky fa miraharaha antsika tsirairay manokana Andriamanitra. Mijoro ho vavolombelona aho fa mahafantatra antsika tsirairay Izy, ary koa miraharaha ny zavatra atontsika sy ny toerana misy antsika ary na dia ny “eritreritra sy ny fisainan’ny fo[ntsika] rehetra” (Almà 18:32) mihitsy aza. Tsy hoe “voaisan’”Andriamanitra fotsiny isika (Mosesy 1:35) fa tia antsika tanteraka ihany koa Izy (jereo ny 1 Nefia 11:17).

Noho ny fitiavany antsika tonga lafatra dia irian’ny Ray any An-daitra ny hizara izay ananany rehetra amintsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:38). Ambonin’ny zavatra rehetra dia zanany lahy sy zanany vavy isika. Tiany ho lasa hitovy Aminy sy hanao ireo zavatra nataony ary hiaina ny fifaliana izay iainany isika. Raha toa isika manokatra ny fontsika sy ny saintsika amin’ity fahamarinana ity hoe: “Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika. Ary raha zanaka dia mpandova; eny, sady mpandova an’ Andriamanitra” (Romana 8:16-17).

Ny fahasamihafana eto amin’ny fiainana an-tany

Niaraka tamin’ Andriamanitra isika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, niara-niriaria Taminy, nandre ny feony ary nahatsapa ny fitiavany. Nandalo ny voalin’ny fanadinoana hankety amin’ny fiainana an-tany isika taorian’izay. Tsy manana fahatsiarovana tanteraka ny fiainantsika tany aloha tany intsony isika. Ireo toe-javatra misy eto amin’ity tontolo ety an-tany ity dia mampananosarotra ny fahatsapana ny toetrantsika araka an’ Andriamanitra sy ny fananana toerana izay nankafizintsika tany amin’ny fonenantsika tany an-danitra.

Ohatra, ny fifantohantsika loatra amin’ny fahasamihafan’ny fototarazo sy ny toe-javatra iainana dia mety ho sakana amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra. Miezaka ny manararaotra ireo fahasamihafana ireo ilay fahavalo mba hampisarahana antsika amin’ny ray aman-dreny masina iombonantsika. Omen’olona anaram-pamantarana isika ary indraindray dia isika mihitsy no manaiky azy ireny. Tsy misy maha ratsy ny mampitovy ny tena amin’ny hafa raha resaka toetoetra eto an-tany; raha ny marina dia maro amintsika no mahita fifaliana sy fanohanana avy amin’ireo izay mitovy toetoetra sy traikefa amintsika. Kanefa, raha hadinontsika ny fototry ny maha izy antsika amin’ny maha zanak’ Andriamanitra antsika dia mety hanomboka hatahotra sy tsy hahatoky na hahatsapa ho ambonin’ireo hafa izay tsy mitovy amintsika isika. Matetika ireo fihetsika ireo no mitondra amin’ny fisaraham-bazana sy fanavakavahana ary faharavana mihitsy aza (jereo ny Mosesy 7:32–33, 36).

Rehefa mahatsiaro ny lovantsika avy amin’ Andriamanitra isika dia mitondra harena sy fahatsarana eo amin’ny fiainana ny fahasamihafantsika. Mifampitondra ho mpirahalahy sy mpirahavavy isika na dia eo aza ireo fahasamihafana misy amintsika. Lasa mifanaja isika ary samy mianatra avy amin’ny tsirairay avy. Miezaka manolotra toerana ahitana fanohanana mba hahafahan’ny hafa hahatsapa ho manana toerana isika indrindra rehefa samihafa amin’ny antsika ny toetoetra sy ny zavatra iainan’izy ireo. Mahatsapa fankasitrahana an’ Andriamanitra isika noho ny fahasamihafan’ireo zavaboariny.4

Na dia miantraika amin’ny zavatra iainanatsika eto an-tany aza ireo fototarazo sy ny toe-javatra misy iainantsika dia tsy ireny no mamaritra antsika. Zanak’ Andriamanitra isika ary manana hery anaty hahatongavana tahaka Azy.

Manana toerana noho i Jesoa Kristy

Satria fantar’ Andriamanitra fa hiatrika olana lehibe isika eto amin’ny fiainana an-tany, dia nomaniny ny Zanany Jesoa Kristy hanampy antsika handresy ireny sakana ireny. Manolo-tena hanampy antsika i Kristy hamerina amin’ny laoniny ilay fifandraisana akaiky nanantsika tamin’ Andriamanitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Araka ny nohazavain’i Kristy hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fianana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6; jereo koa ny Jaona 3:16–17).

Vonona lalandava hanampy antsika i Kristy. Azy isika (jereo ny 1 Korintiana 6:20), ary maniry mafy ny hanatonantsika Azy Izy. Ny Mpamonjy mihitsy no mampanantena hoe: “Mankanesa aty Amiko amin’ny fo feno finiavana, ary handray anao Aho” (3 Nefia 12:24).

Noho izany, ahoana no fomba hanatonantsika an’i Kristy amin’ny fo feno finiavana?

Voalohany, ekentsika Izy ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Miaiky ny fahalehibeazan’ Andriamanitra sy ny maha very sy lavo antsika isika ary ny fiankinantsika tanteraka amin’i Jesoa Kristy mba ho vonjena. Maniry ny ho fantatra amin’ny anarany isika (jereo ny Môzià 5:7–8) ary te ho mpianany “amin’ny andron[tsika] sisa rehetra” (Môzià 5:5).

Faharoa, manatona an’i Kristy amin’ny fo feno finiavana isika amin’ny alalan’ny fanaovana ireo ôrdônansy masina miaraka amin’ Andriamanitra sy amin’ny fitandremana azy ireny (jereo ny Isaia 55:3). Ireo fanekempihavanana dia atao amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny famonjena sy fisandratana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana.

Sary
Zatovolahy mizara ny fanasan’ny Tompo amin’ny mpikambana

Tsy hoe mamatotra antsika amin’ Andriamanitra sy ny Zanany fotsiny ny fanaovana ôrdônansy sy ny fitandremana izany, fa mampifandray antsika tsirairay ihany koa. Taona maro lasa izay dia nitsidika an’i Costa Rica niaraka tamin’ny fianakaviako aho ka nanatrika fivoriana Fanasan’ny Tompo tao amina rantsan’ny Fiangonana iray tao an-toerana. Vao niditra izahay dia noraisin’ireo mpikambana marobe tamim-pitiavana. Nihira ny hiran’ny Fanasan’ny Tompo niaraka tamin’ny mpanatrika vitsivitsy izahay nandritra ny fivoriana. Nijery ireo mpisorona nanomana ny fanasana izahay sady nihaino azy ireo nanonona ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo. Rehefa nandalo teo aminay ny mofo sy ny rano dia heniky ny fitiavan’ Andriamanitra ho an’ireo mpiara-mitandrina ny fanekempihavanana tsirairay aho. Tsy mbola nihaona na dia tamin’ny iray tamin’izy ireo aza aho talohan’io fivoriana io saingy nahatsapa firaisan-kina sy fihavanana tamin’izy ireo, satria izahay rehetra dia samy niara-nanao sy niezaka nitandrina fampanantenana mitovy ihany tamin’ Andriamanitra.

Rehefa manao sy miezaka mitandrina ireo fanekempihavanana masina atao amin’ Andriamanitra isika dia manomboka miaina fahatsapana ho manana toerana bebe kokoa noho izay mety ho azontsika avy amina karazana fikambanana eto an-tany na koa vondrona mikarakara ny ara-nofo.5 Isika dia “tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’ Andriamanitra” (Efesiana 2:19).

Fantatro fa noho ny zava-misy eto amin’ity fiainana an-tany ity dia tsy hanana fahafahana handray ireo ôrdônansy rehetra ny sasany amintsika, ary tsy afaka manao ny fanekempihavanana tsirairay eto amin’ity fiainana an-tany ity.6 Amin’ny tranga toy izany dia miangavy Andriamanitra ny hanaovantsika “ny zavatra rehetra azontsika atao” (2 Nefia 25:23) mba hanaovana sy hitandremana ireo fanekempihavanana izay azontsika tanterahina. Avy eo Izy dia mampanantena fa hanome antsika fahafahana handray ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana sisa tsy vita any amin’ny fiainana ho avy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:54, 58). Izy no hahatonga antsika ho afaka handray ny fitahiana tsirairay izay nomaniny ho an’ireo zanany (jereo ny Môzià 2:41).

Sary
Sary maneho an’i Jesosy Kristy miaraka amin’ny ankizy

Tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Mifaly Andriamanitra rehefa tsapantsika ilay fitiavana sy firaisan-kina ary tanjaka izay tonga amin’ny alalan’ny fahatsapana ho manana toerana miaraka Aminy sy ny Zanany ary ireo izay manaraka Azy Ireo. Na izany aza dia manana drafitra lehibe lavitra kokoa ho antsika Izy! Rehefa manasa antsika Izy amin’izao maha izy antsika izao, ny tena faniriana dia ny hahatonga antsika ho tahaka Azy.

Ny fanaovana ireo fanekempihavanana sy ny fitandremana izany dia tsy vitan’ny hoe manampy antsika ho lasa an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy fotsiny fa manome antsika ny hery hahafahana ho tonga tahaka Azy Ireo ihany koa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22). Rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana miaraka amin’ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana ao amin’ny filazantsara isika, dia hitosaka eo amin’ny fiainantsika ny herin’ Andriamanitra. Azontsika raisina ho toy ny karazana fandaharam-pampiofanana ho lasa andriamanitra ny lalan’ny fanekempihavanana. Rehefa mitandrina sy manao ireo fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika dia manao fanazaran-tena mieritreritra, sy mitondra tena ary mitia tahaka Azy. Hivoatra sy ho lasa hitovy Aminy tsikelikely isika miaraka amin’ny fanampiany sy ny heriny.

Maniry mafy ny hiarahantsika Aminy sy ny Zanakalahiny Andriamanitra amin’ny fanatanerahana “ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Omeny fotoana isika tsirairay eto amin’ity fiainana ity, sy omeny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy ary fahafahana misafidy mba hampiasantsika azy ireny hanompoana ny hafa. Zanany lahy sy zanany vavy isika ary manana asa manan-danja ampanaovina antsika Izy (jereo ny Mosesy 1:4, 6).

Mba ho lasa mahomby eo am-panaovana ny asany dia mila mitodika amin’ny hafa isika sy mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana, ary matetika mila mametraka ny zavatra ilain’ny hafa alohan’ny antsika. Mitaky fahafoizan-tena manokana ny fifantohana amin’ny fitodihana amin’ny hafa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–13) saingy mampisy lanjany kokoa ny fiainantsika izany sy mitondra fifaliana lehibe (jereo ny Almà 36:24–26).

Rehefa mirotsaka amin’ny asan’ Andriamanitra isika dia tsy hoe manan-toerana amin’ny maha mpikambana antsika anatina vondrona iray fotsiny isika fa lasa tena mpiara-miasa amin’ Andriamanitra sy ny Zanany Jesoa Kristy kosa. Tsy misy fahatsapana lehibe kokoa miohatra ny fahafantarana fa ampy ny fahatokian’ Andriamanitra antsika hahafahany miasa amin’ny alalantsika mba hanatanterahana ny fiainana mandrakizain’ny olona.

Sary
Andian’olona samihafa mifampiresaka

Fanasana telo

Eto am-pamaranana dia manolotra fanasana telo aho izay afaka hanampy antsika hahazo fahatsapana ho tena misy sy manana toerana izay mampisy fifaliana maharitra, ary ho afaka manatratra ny fahafahantsika ho lasa andriamanitra.

1. Manasa antsika aho hanao lohalaharana ny toetra maha andriamanitra antsika dia ny maha zanak’ Andriamanitra lahy sy vavy antsika. Midika izany fa mila mifototra amin’ny maha taranak’ Andriamanitra antsika ny lanja omentsika ny tenantsika. Mikatsaka ny hanorina ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny vavaka sy fandalinana soratra masina, ny fitandremana ny andro Sabata sy ny fitsahoana any amin’ny tempoly, ary izay mety ho zavatra hafa atao ka mitondra ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanatsika, ary manamafy orina ny fifandraisantsika Aminy. Avelantsika hanjaka eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra.7

2. Manasa antsika aho hanaiky an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjintsika ary hametraka ny maha mpianany antsika ho ambony noho izay fiheverana hafa. Midika izany fa mandray ny Anarany eo amintsika isika ary maniry ny ho fantatra amin’ny hoe mpanara-dia Azy. Mikatsaka ny hahazo ny famelan-keloka avy Aminy sy ny heriny isika isan’andro. Manao fanekempihavanana isika ary mitandrina azy ireny. Miezaka ny ho tonga tahaka Azy isika.

3. Manasa antsika aho hirotsaka amin’ny asan’ Andriamanitra amin’ny fanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy ary hahazo ny fiainana mandrakizay. Midika izany fa manampy ny hafa isika hahita ny maha tahaka an’ Andriamanitra azy ireo ary hahatsapa ho manana toerana ao Aminy. Zaraintsika amin-kalalahana ny fifaliana izay hitantsika ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany (jereo ny Almà 36:23–25). Miezaka manampy ny hafa isika hanao fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra sy hitandrina izany. Mikatsaka ny fitarihan’ Andriamanitra isika mba hahafantarana hoe iza no azontsika ampiana sy ny fomba hanaovantsika izany.

Mampanantena aho fa raha manao ho laharam-pahamehana ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra isika, sy ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia hahita fifaliana ao amin’ny maha tahaka an’ Andriamanitra antsika, sy hahazo fahatsapana maharitra ho manana toerana ao Aminy, ary amin’ny farany dia hahatratra ny maha andriamanitra antsika.

Avy tamin’ny lahateny fampaherezam-panahy, “Divine Identity, Becoming, and Belonging,” natao tao amin’ny Brigham Young University–Hawaii tamin’ny 25 mey 25, 2022.

Fanamarihana

  1. APA Dictionary of Psychology, s.v. “belonging,” dictionary.apa.org.

  2. Joanna Cannon, “We All Want to Fit In,” Psychology Today (blog), July 13, 2016, psychologytoday.com.

  3. Brené Brown, Daring Greatly: How the Courage to Be Vulnerable Transforms the Way We Live, Love, Parent, and Lead2012), 58.

  4. Ny Bokin’i Môrmôna dia miresaka momba ny vanim-potoana iray izay nampiray hina ny vahoaka tao amin’ Andriamanitra na dia tao anaty fahasamihafana aza (jereo ny 4 Nefia 1:15–17). Nahatsiaro ny lovan’izy ireo avy amin’ Andriamanitra ireo vahoaka ireo, ka nametraka ny fitokisany Taminy ho ambony noho ny zavatra hafa rehetra, ary niaina tao anaty firasinan-kina sy fitiavana ny hafa na dia teo aza ireo tsy fitoviana teo amin’ny fototarazo sy ny tontolo niainana.

  5. Ny trano masin’ny Tompo ihany koa dia mamolavola tontolo hanjakan’ny fitoviana lenta sy ny fananana toerana. Diniho izao manaraka izao mikasika ny zavatra iainantsika ao amin’ny tempoly: Asaina ny rehetra hiomana ary ho mendrika hahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Samy mitafy akanjo fotsy avokoa isika, maneho ny fahadiovana iraisana sy fitoviana eo anatrehan’ Andriamanitra. Mifampiantso hoe rahalahy sy rahavavy isika ary tsy mampiasa anaram-boninahitra ofisialy arak’izao tontolo izao. Samy omena fahafahana hianatra zavatra mitovy avokoa ny rehetra. Samy tolorana fanekempihavanana sy ôrdônansy mitovy ny rehetra, ary afaka mahazo fitahiana mandrakizay mitovy ihany koa.

  6. Amin’ireo olona 117 lavitrisa izay efa niaina teto an-tany (jereo ny Toshiko Kaneda and Carl Haub, “How Many People Have Ever Lived on Earth?,” Population Reference Bureau, May 18, 2021, prb.org/articles/how-many-people-have-ever-lived-on-earth), dia vitsy monja ihany no efa afaka nandray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana rehetra ao amin’ny filazantsara. Noho izany dia mila mandray ireo ôrdônansy ireo any amin’ny tontolon’ny fanahy ny ankamaroan’ireo zanak’ Andriamanitra.

  7. Jereo ny Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 92–95.