2023
Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy ahy?
Martsa 2023


“Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy ahy?,” Liahona, mar. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Matio 8; Lioka 7

Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy ahy?

Sary
lehilahy mandohalika eo anoloan’i Jesoa

Healing the Leper (Manasitrana ilay boka), nataon’iy E. S. Hardy © Providence Collection / nahazoana lalana avy amin’ny from Goodsalt.com

I Jesoa Kristy dia “nandehandeha nanao soa” (Asan’ny Apôstoly 10:38): Nanasitrana boka iray Izy (jereo ny Matio 8:2–3). Nanasitrana ny mpanompon’ny kapiteny iray Izy, izay nahatsapa ho tsy mendrika kanefa nino fa ny Mpamonjy dia hanampy azy na dia izany aza (jereo ny Matio 8:5–13). Nitondra fiadanana ho an’ireo mpianany Izy nandritra ny tafio-drivotra (jereo ny Matio 8:23–27). Rehefa nahita vehivavy iray izay nalahelo noho ny fahafatesan’ny zanany lahitokana Izy dia nankahery sy nanome fanantenana azy, ary avy eo dia nanangana azy tamin’ny maty (jereo ny Lioka 7:11–15).

Sahanasa

Afaka mahatsapa ny herin’ny Mpamonjy isika amin’izao fotoana izao raha toa mampihatra finoana Azy. Vakio ny iray amin’ireo tantara vakina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Fantaro ny fomba namalian’ny Mpamonjy ireo zavatra nilain’ny olona sy ny finoana nananan’izy ireo.

Halalino sy ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto ary eritrereto ny fomba nanampian’ny Mpamonjy anao teo amin’ny fiainanao:

  • Oviana aho no nametraka ny finoako teo amin’ny Mpamonjy sy nahatsapa ny fanasitranany (ara-pihetseham-po, na ara-tsaina, na ara-panahy na ara-batana)?

  • Oviana aho no nahatsapa ny fiadanany?

  • Oviana aho no nandray fanampiana tsy nampoizina avy amin’ny Mpamonjy?

  • Oviana aho no nahita ny tanany tao anatin’ny fahagagana na ny halehiben’ny famindram-pony?

  • Eo amin’ny fiainako ankehitriny, ahoana no fomba ahafahako mampahatanjaka ny finoako Azy sy mandray ny fanampiany.