2023
Inona no dikan’ny hoe mitandrina ny Andro Sabata ho masina?
Martsa 2023


“Inona no dikan’ny hoe mitandrina ny Andro Sabata ho masina?,” Liahona, mar. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Matio 12

Inona no dikan’ny hoe mitandrina ny Andro Sabata ho masina?

Sary
Jesoa sy ireo olon-kafa eny an-tanimbary

Mamakivaky ny tanimbary, © Providence Collection/fahazoan-dalana avy amin’ny Goodsalt.com

Miresaka mikasika ny fandalinany tamin’ny fahatanorany ny lisitr’ireo zavatra atao na tsy atao amin’ny andro Sabata ny Filoha Russell M. Nelson. Taty aoriana izy vao nianatra avy tamin’ny soratra masina fa ireo zavatra ataony sy ny fihetsiny amin’ny Sabata dia nandrafitra famantarana teo aminy sy ny Ray any An-danitra (jereo ny Eksodosy 31:13).

Hoy izy: “Tsy nila ireo lisitry ny zavatra atao sy zavatra tsy atao intsony aho rehefa nanana izany fahatakarana izany. Rehefa nila nandray fanapahan-kevitra aho momba ny hoe mety sa tsy mety amin’ny Sabata ny zavatra atao iray dia nanontany tsotra aho hoe: -Inona no famantarana tiako omena an’ Andriamanitra?-” (“Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 130, efa nisy fanamafisana hatrany ifotony).

Sahanasa

Vakio ny fampianaran’i Kristy mikasika ny andro Sabata ao amin’ny Matio 12:1–13; jereo koa ny Isaia 58:13 ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–13. Fenoy avy amin’izay fitsipika mifono fotopampianarana hitanao ao amin’ireo fampianarana ireo ny tabilao. Ifampiresaho miaraka amin’ny fianakaviana ireo fomba azonareo ampiharana ireo fampianarana ireo amin’izao fotoana izao. Azonao soratana eo amin’ny tsanganana ho an’ny “Fampiharana amin’izao vanim-potoana izao” ny eritreritrao.

Ny fampianaran’i Jesoa

Fampiharana amin’izao vanim-potoana izao