2023
Manompo amim-panantenana sy finoana
Martsa 2023


“Manompo amim-panantenana sy finoana,” Liahona, mar. 2023.

Fitsipika momba ny fanompoana

Manompo amim-panantenana sy finoana

Rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika amim-pinoana isika dia afaka manampy amin’ny fitarihana ny hafa mankany amin’ilay Loharanon’ny fanantenana.

Sary
vehivavy nanendry ny somitraviavin-damban’i Jesoa

Ohatra anankiray maneho fanantenana sy finoana

Ao amin’ny filazantsaran’i Marka dia ahitantsika tantara iray manohina ny fo mikasika “ny vehivavy anankiray izay efa narary roa ambin’ny folo taona.” Hitantsika ao fa izy dia “efa niaritra zavatra be tamin’ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana fa vao mainka nihanarary kokoa aza” (Marka 5:25–26).

Lava izany hoe roa ambin’ny folo taona nijaliana izany. Tena be dia be ny ao anatin’izany hoe zava-drehetra izany raha laniana. Nefa vao mainka nihombo ny aretiny. Raha nisy olona nanana zo hahatsapa ho very fanantenana dia io vehivavy io izany.

Kanefa, “rehefa nahare ny amin’i [Jesoa] izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany,” satria izy dia nino hoe: “Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho.”

Nilaza i Marka fa noho ny finoany, dia “[ritra niaraka tamin’izay] ny loharanon’aretiny, ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy” (Marka 5:27–29).

Novalina tamin’ny fitahiana iray ny fanantenana sy ny finoana nananan’ilay vehivavy tao amin’i Jesoa. “Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ny aretinao” (Marka 5:34).

Tena ilaina tokoa ny fanantenana ao anatin’ny olana rehetra na manao ahoana na manao ahoana ny halehibeny na ny halavan’ny fotoana. Mety mampahaketraka antsika ny tahotra sy ny fahakiviana. Saingy ny fanantenana sy ny finoana ao amin’i Jesoa Kristy dia manasa ny heriny sy ireo fitahiany ho ao amin’ny fiainantsika.

Mampihatra ny fanantenana sy ny finoana ao amin’ny fanompoana

Amin’ny maha rahalahy sy rahavavy manompo antsika dia mila manana izany fanantenana sy finoana izany isika. Mety sady mitondra soa no manahirana ny fanompoana. Mety mora ny kivy rehefa misy olona tiantsika hampiana nefa toa tsy te hampiana. Mety miatrika izany toe-javatra izany ianao amin’izao fotoana izao miaraka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, na namana iray, na olona iray nampiandraiketina anao ny fanampiana azy amin’izao fotoana izao. Angamba, tahaka ilay vehivavy izay narary, dia ny Tompo ihany no mahafantatra ny habetsaky ny fotoana nolanianao sy ny ezaka nataonao mba hitadiavana zavatra izay manampy. Saingy tahaka io vehivavy io, raha mahita ilay fanantenana mba hanohy ny fanoloran-tanana amim-pinoana isika, dia afaka mitondra fanovana ilay herin’ny Mpamonjy.

Indraindray ny olana dia ny manompo ireo izay manana fahasahiranana eo amin’ny fananana fanantenana ampy mba hampiharana finoana. Misy olona sasany, tahaka ilay vehivavy ao amin’ny Marka, izay mety marary mafy, na manana olana ara-bola, na miatrika fitsapana maro izay toa mavesatra. Afaka ny ho loharanom-panantenana mahery vaika ny fahafantarana fa tsy irery izy ireo. Afaka manampy azy ireo isika mba hahita izany fanantenana izany rehefa mampiseho fa vonona isika mba hitondra ny enta-mavesatr’izy ireo, hiara-malahelo amin’izy ireo, hampionona azy ireo ary hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra (jereo ny Môzià 18:9–10).1

Sary
vehivavy anankiroa mamaky gazetiboky iray miaraka amin’ny ankizivavy iray

Mamboly fanantenana sy finoana

Ahoana no fomba ahafahantsika mamboly fanantenana sy finoana, izay toetra tahaka ny an’i Kristy? Ireto misy hevitra vitsivitsy:

  1. Nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny atao hoe fanantenana dia ny fananana fahatokiana fa hanatanteraka ny fampanantenana nataony taminao i Jesoa Kristy.2 Noho ny “fanantenana izay fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy [jereo ny Môrônia 8:26],”3 dia zavatra azontsika angatahina amin’ny alalan’ny vavaka izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–9).

  2. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa mitaky asa ny fampitomboana ny finoana. Nizara ny fomba ahafahantsika mampitombo ny finoantsika amin’ny alalan’ny fandalinana, ny fisafidianana ny hino, ny fanaovana asa amim-pinoana, ny fandraisana amim-pahamendrehana ireo ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ary ny fangatahana fanampiana amin’ny Ray any An-danitra izy.4

Fanamarihana

  1. Jereo ny Jeffrey R. Holland, “Bearing One Another’s Burdens,” Liahona, June 2018, 26–28.

  2. Jereo ny Dieter F. Uchtdorf, “The Infinite Power of Hope,” Liahona, Nov. 2008, 22.

  3. Dieter F. Uchtdorf, “The Infinite Power of Hope,” 21.

  4. Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 103.