2023
Rehefa maizina ny tontoloko dia mitodika any amin’i Kristy aho
Martsa 2023


“Rehefa maizina ny tontoloko dia mitodika any amin’i Kristy aho,” Liahona, mar. 2023.

Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Rehefa maizina ny tontoloko dia mitodika any amin’i Kristy aho

Noho ireo zavatra maizina maro nanodidina ahy dia tsy azoko antoka ny lanjan’ny hoe manana fiorenana ao amin’i Kristy.

Sary
vehivavy mibanjina hazavana

Sary avy amin’ny Getty Images, nindramana olona mba hatao maodely

Tao anatin’ny hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany vao haingana ny Filoha Henry B. Eyring dia niresaka mahakasika ireo andro mahory eo amin’izao tontolo izao: “Nanoratra tamin’i Timoty i Paoly Apôstôly hoe: -Fa aoka ho fantatrao izao, fa any am-parany any dia hisy andro mahory- (2 Timoty 3:1).

“… Ary noho izany ho lasa sarotra kokoa, tsy mora mihitsy, ny manaja ireo fanekempihavanana izay tsy maintsy ataontsika sy tandremantsika mba hiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.”1

Raha vao naheno an’ireo teny ireo aho dia nahatsapa fanahiana. Efa niatrika olana maro aho tany amin’ny fonenako tany Venezuela. Noho izany, tamin’izany fotoana izany, dia tao am-poko ny fanontaniana toy ny hoe “Ahoana no ahafahako mijanona hanana fanantenana rehefa tena maizaina izao tontolo izao?” sy ny hoe “Ahoana no ahafahako miandrandra hoavy mamirapiratra ao anatin’izao ankehitriny izay maizim-pito izao”

Saingy nomen’ny Filoha Eyring ilay vahaolana. Nolazainy ny Helamàna 5:12, izay miresaka momba ny fanorenantsika ny fototsika “eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy.”

Nino foana aho hatrizay fa marina io soratra masina io saingy ny fanorenana ny fototro eo amin’ny Mpamonjy dia ohatra ny hoe mora tenenina fa sarotra tanterahina. Na izany aza anefa rehefa nanatona akaiky an’i Kristy aho, dia hitako fa hiara-hiasa ny zava-drehetra ho tombontsoanao rehefa mafy orina ao Aminy ny finoanao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24).

Mahatsapa tena ho nilaozana

Roa volana lasa izay dia nandray vaovao nampivarahontsana avy tamin’ny fianakaviako aho. Toa nirodana teo anoloako ny tontoloko. Nahatsapa ho valalanina aho sy sahiran-tsaina ary niahiahy ka nandraiky narary mihitsy!

Tsy azoko hoe nahoana izahay no niatrika zava-tsarotra tahaka izany rehefa mba niezaka ny ho mahatoky aho. Nanontany tena aho raha toa nanao zavatra tsy mety. Toa maloka ny hoavy ary nahatsiaro ho nilaozan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho.

Niresaka tamina namana tsara iray aho tao anatin’ny fahoriako. Nilaza zavatra tsy ho hadinoko mandrakizay izy: “Mino aho fa izao toe-javatra izao no azonao araraotina tsara mba hisaintsainana ny fifandraisanao manokana amin’ny Tompo. Na inona na inona mitranga dia miankina aminao na hitodika any Aminy ianao na tsia mba hangataka fanampiana. Raha manao izany ianao, dia homeny anao ny fitiavana sy ny fanamaivanana izay ilainao amin’izao fotoana izao.”

Nanova ny fomba fijeriko ireo teny ireo. Tezitra sy naratra aho ary sahiran-tsaina noho ireo toe-javatra nisy ahy, saingy nanana safidy aho. Na inona na inona diavintsika, na inona na inona tahotra ananantsika na zava-tsarotra izay atrehantsika dia eo akaikintsika mandrakariva i Jesoa Kristy. Manana safidy isika ny hitodika any Aminy amim-pinoana, fa tsy hanalavitra Azy ao anatin’ireo fotoan-tsarotra.

Izany no fomba hanamafisantsika orina ny fototry ny finoantsika Azy sy handresena ireo zava-tsarotra eto amin’izao tontolo izao. Amin’ny alalan’ny fisafidianana Azy.

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Koa eo anivon’io afon’ny mpandrendrika io, dia aleo manatona an’ Andriamanitra toy izay mitezitra amin’ Andriamanitra. Miantsoa ny Ray amin’ny anaran’ny Zanaka. Miaraha mamindra amin’Izy Ireo ao amin’ny Fanahy, isan’andro. Avelao Izy Ireo haneho ny fahatokian’ Izy Ireo aminao rehefa mandeha ny fotoana. Ataovy izay hahafantarana Azy Ireo sy ny tenanao marina tokoa.”2

Niandry ahy hitodika tany Aminy hangataka fanampiana ny Tompo. Tsy nidika akory izany hoe hampanjavona ireo olana teo amiko Izy na hanamboatra eo no ho eo ireo zavatra rehetra eo amin’ny fiainako sy ny an’ny fianakaviako, fa nanampy ahy ho lasa tsaratsara kokoa Izy, sy hahita fifaliana ary ho madio kokoa.

Rehefa nandeha teny ny fotoana ka nikatsaka ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina ary tamim-pinoana aho, dia nanampy ahy namela ny helok’ireo olona tao amin’ny fianakaviako Izy ary nitondra fifaliana teo amin’ny fiainako indray, na dia tsy mbola voavaha aza ireo olana sasantsasany.

Fampanantenana fiarovana

Tena azo antoka tokoa fa andro farany mahory izao. Mandre ady sy tabataban’ady isika, mandre valanaretina sy loza voajanahary, ary mino aho fa mbola hisy fotoana sarotra kokoa ho avy. Na izany aza, ny fiorenana eo ambonin’ny vatolampy dia i Jesoa Kristy, sy ny fitokisana Aminy dia hitondra fiadanana sy fifaliana ho antsika na inona na inona sedraintsika. Nampianatra koa ny Filoha Eyring hoe: “Ho antsika izay miahiahy momba ny tenantsika sy ireo olona tiantsika, dia misy fanantenana ao anatin’ilay fampanantenana nataon’ Andriamanitra mikasika ny toeram-pialofana iray ao anatin’ireo tafio-drivotra ho avy.”3

Fampanantenana mahery vaika sy tsara tokoa izany. Ary hitako ny fahatanterahan’izany fampanantenana izany teo amin’ny fiainako. Fantatro fa izany no filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, ary Izy no loharanon’ny fitahiana tsirairay. Izy no fahazavana, Izy no Mpamonjy antsika ary isika no ondriny. Andeha isika hifidy Azy sy hisafidy ny finoana.

Mipetraka any Zulia, Venezuela ny mpanoratra.