Ireo loharano hafa
Fanekem-pinoana


Fanekem-pinoana

Mamelabelatra zavatra fototra miisa 13 iorenan’ny finoan’ireo mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny Fanekem-pinoana. Nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith tao anaty taratasy ho an’i John Wentworth, lehiben’ny fanontana amin’ny gazety iray izy ireo tamin’ny voalohany ho valin’ny fangatahana nataon’Andriamatoa Wentworth izay te-hahafantatra izay zavatra inoan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Navoaka tamin’ny gazety avoakan’ny Fiangonana izany taty aoriana. Raisina ho toy ny soratra masina izy ireo ankehitriny ary nampidirina ao anatin’ny Voahangy Lafo Vidy.