Ireo loharano hafa
Fankatoavana


Fankatoavana

Niahy Filankevitry ny Lanitra lehibe iray ny Ray any an-danitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Tao anatin’izany no nianarantsika mikasika ny drafiny ho an’ny famonjena antsika, izay ahitana fotoana hizahana toetra antsika eto an-tany: “Hanao tany iray izay hahazoan’ ireto mitoetra [isika] dia hosedraintsika amin’ izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ ny Tompo Andriamaniny azy ireo” (Abrahama 3:24–25). Ny antony iray maha-eto an-tany anao dia ny hampiseho ny fahavononanao hankatò ireo didin’ny Ray any an-danitra.

Maro ireo olona no mahatsapa fa mavesatra ireo didy ary mametra ny fahafahana sy ny fivoaran’ny tena manokana izany. Kanefa ny Mpamonjy dia nampianatra fa ny fahafahana marina dia tsy azo raha tsy avy amin’ny fanarahana Azy ihany: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo” (Jaona 8:31–32). Manome didy ho tombontsoanao Andriamanitra. Torolalana feno fitiavana izany mba hahazoanao fifaliana sy izay mahasoa anao ara-batana sy ara-panahy.

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny fankatoavana ireo didy dia mitondra fitahiana avy amin’Andriamanitra. Hoy izy hoe: “Misy lalàna navoaka tsy azo novana tany an-danitra, talohan’ ny fanorenana izao tontolo izao, izay ifotoran’ ny fitahiana rehetra —ary rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana ny lalàna izay ifotorany” (F&F 130:20–21). Nampianatra ity fitsipika ity koa ny mpanjaka Benjamina. “Mba maniry aho ny hisaintsainanareo ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra,” hoy izy. “Fa indro izy ireo dia tahiana amin’ ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy; ary raha mitoetra ho mahatoky hatramin’ ny farany izy ireo dia raisina any an-danitra, fa amin’ izany no hahazoany miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana. Ô tsarovy, tsarovy fa ireo zavatra ireo dia marina; fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany” (Môsià 2:41).

Ny fankatoavantsika ireo didy dia fanehoantsika ny fitiavantsika ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Nilaza ny Mpamonjy hoe: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” (Jaona 14:15). Taty aoriana Izy dia nanambara hoe: “Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany” (Jaona 15:10).