Ireo loharano hafa
Fanahy


Fanahy

Fanahy zanaky ny Ray any an-danitra ianao ary efa nisy ianao fa nanana endrika fanahy talohan’ny nahaterahanao teto an-tany. Mandritra ny fiainana eto an-tany dia mipetraka ao anatin’ny vatanao ny fanahinao, izay nateraka avy tamin’ireo ray aman-dreny mety maty.

Mianatra mikasika ny toetoetran’ireo fanahy isika ao amin’ny soratra masina. Mianatra isika fa “ny fanahy rehetra dia tamba-tsinga, saingy madio sy malefaka kokoa ary tsy hay avahana raha tsy amin’ ny maso madio kokoa” (F&F 131:7). Mamaky koa isika fa “ny fanahin’ ny olona dia araka ny sarin’ izany olona izany, tahaka izany koa ny fanahin’ ny biby sy ny an’ ny zava-boary hafa rehetra izay noharian’ Andriamanitra” (F&F 77:2; jereo koa ny Etera 3:7–16).

Mampianatra koa ny soratra masina fa tsy maty ny fanahy amin’ny fotoana ahafatesan’ny vatana. Misaraka amin’ny vatana izany ary miaina any amin’ny tontolon’ny fanahy aorian’ny fahafatesana. Amin’ny fotoan’ny fitsanganana amin’ny maty dia hitambatra indray amin’ny vatana ny fanahy “ka tsy hisaraka intsony; izy manontolo amin’ izany dia zary ara-panahy sy tsy mety maty” (Almà 11:45).