Ireo loharano hafa
Satana


Satana

I Satana, izay antsoina koa hoe fahavalo na ny devoly, dia ilay fahavalon’ny fahamarinana sy ireo izay mikatsaka hanaraka an’Andriamanitra. Fanahy iray zanak’Andriamanitra izy izay efa anjely nanana “fahefana teo anatrehan’ Andriamanitra” (F&F 76:25; jereo koa ny Isaia 14:12; F&F 76:26–27). Saingy nandritra ilay Filankevitra tany an-danitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia nikomy tamin’ny Ray any an-danitra sy ny drafitry ny famonjena i Losifera, izay anarana niantsoana an’i Satana tamin’izany. Tao anatin’izany fikomiana tamin’Andriamanitra izany dia “nikatsaka ny handrava ny safidin’ ny olona” i Satana (Mosesy 4:3). Hoy izy hoe: “Havotako ny olombelona rehetra ka tsy hisy olona iray ho very, ary hataoko marina tokoa izany; koa omeo ahy ny voninahitrao” (Mosesy 4:1).

Nandresy lahatra ny “ampahatelon’ ny miaramilan’ ny lanitra” i Satana mba hiala amin’ny Ray (F&F 29:36). Vokatr’izany fikomiana izany dia noroahina hiala teo anatrehan’Andriamanitra ary tsy nomena ilay tombontsoa hanana vatana nofo sy taolana i Satana sy ireo mpanara-dia azy (jereo ny Apokalypsy 12:9). Tsy nomena ilay fahafahana handova fanjakam-boninahitra iray koa izy ireo.

Ny Ray any an-danitra dia namela an’i Satana sy ny mpanara-dia azy haka fanahy antsika izay anisan’ny tafiditra amin’ny zavatra iainantsika eto amin’ny fiainana an-tany (jereo ny 2 Nefia 2:11–14; F&F 29:39). Noho i Satana “[nikatsaka] ny hahatonga ny olon-drehetra ho ory tahaka azy” (2 Nefia 2:27), dia manandrana mitarika antsika hanalavitra ny fahamarinana izy sy ireo mpanara-dia azy. Mampifantoka ny fanoherany mahery vaika any amin’ireo lafin-javatra tena manan-danja ao amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any an-danitra izy. Ohatra, miezaka ny manaratsy ny Mpamonjy sy ny fisoronana izy, mamboly fiahiahiana mikasika ny herin’ny Sorompanavotana, misandoka ireo fanambarana, mampanalavitra antsika amin’ny fahamarinana ary manohitra ny maha-tompon’andraikitra ny olona tsirairay. Miezaka ny mandrava ny fianakaviana izy amin’ny alalan’ny fampisafotofotoana ataony mikasika ny maha-lahy na maha-vavy, amin’ny alalan’ny famporisihana ny fanaovana firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana, fanarabirabiana ny fanambadiana, ary famporisihana an’ireo olon-dehibe manambady tsy hiteraka satria hitaiza zanaka ao anatin’ny fahamarinana izy ireo raha misy izany.

Tsy tokony hiroboka amin’ny fakam-panahin’i Satana ianao. Manana ny hery ao anatinao ianao mba hisafidianana ny tsara amin’ny ratsy, ary afaka mikatsaka hatrany ny fanampian’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka ianao. (Jereo ny “Fakam-panahy,” pejy 59–62.