Ireo loharano hafa
Fikambanana Ifanampiana


Fikambanana Ifanampiana

Naorin’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 17 Martsa 1842, tao Nauvoo, Illinois ny Fikambanana Ifanampiana. Tamin’ny fotoan’andro nanorenana azy dia nanana tanjona lehibe roa ny Fikambanana Ifanampiana: mba hanome fanamaivanana ireo mahantra sy mila fanampiana ary hamonjy fanahy. Mbola mitohy izany fikambanana izany ankehitriny ary mbola mitandrina ireo fitsipika fototra mitarika azy ireo. Miara-miasa amin’ireo mpihazona ny fisoronana ireo rahavavy manerana an’ izao tontolo izao ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny fanatanterahana ny iraka nampanaovina ny Fiangonana. Mifanampy izy ireo eo:

  • Amin’ny fampitomboana ireo fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny vavaka sy fandalinana ny soratra masina.

  • Amin’ny fikatsahana hery ara-panahy amin’ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy Masina.

  • Amin’ny fanoloran’izy ireo ny tenany hanamafy orina ny fanambadiana, sy ny fianakaviana ary ny tokantrano.

  • Amin’ny fikarohana ny hajan’ny maha-reny sy ny fifaliana amin’ny maha-vehivavy.

  • Amin’ny fankafizana ny fanaovana asa fanompoana sy ny asa tsara.

  • Amin’ny fitiavana ny fiainana sy ny fianarana.

  • Amin’ny fijoroana amin’ny fahamarinana.

  • Amin’ny fanohanana ny fisoronana amin’ny maha-fahefan’Andriamanitra an’izany eto an-tany.

  • Amin’ny fifaliana ao anatin’ireo fitahiana avy amin’ny tempoly.

  • Amin’ny fahatakarana ny anjarany masina sy ny fiezahana hahazo ny fisandratana.

Raha toa ka ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ianao, ny fomba iray izay ahafahanao mandray anjara amin’ny iraka nampanaovina izany fikambanana izany dia ny fanekenao ny andraikitra hanompo ho mpamangy isan-tokantrano. Makà fotoana mba hampianarana ny filazantsara sy hikolokoloana ny finamanana rehefa mitsidika sy manompo ireo rahavavy nasaina niandraiketanao ianao. Afaka mitana anjara toerana manan-danja eo amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviana koa ianao ankoatry ny fanompoana ny olona tsirairay.

Ataon’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy sy sampana izay iandraiketan’ny mpitsidika isan-tokantrano ny rahavavy tsirairay 18 taona no ho miakatra. Mangataka tatitra avy any amin’ireo mpitsidika isan-tokantrano ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanomezana ny zavatra ilain’ireo rahavavy tsirairay ara-panahy sy ara-nofo.

Amin’ny maha-rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana anao dia mpikambana iray ao amin’ ny fikambanam-behivavy maneran-tany ianao, izay iray ao anatin’ny fanoloran-tena ho an’i Jesoa Kristy. Miaraka amin’ireo zanakavavy hafan’Andriamanitra ianao ho toy ny vehivavin’ny finoana, ny fahamasinana, vehivavy manana fahitana ary vehivavin’ ny fiantrana, izay manana fahalalana azo antoka fa misy dikany sy misy tanjona ary manana ny lalana hizorany ny fiainanao. Amin’ny alalan’ny fandraisanao anjara ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana no anananao tombontsoa hiaina ny fiarahan’ny mpirahavavy sy ny finamanana, ary hanao asa fanompoana manan-danja, sy hizara ny fijoroanao ho vavolombelona sy ny talentanao ary hivoatra ara-panahy.