Ireo loharano hafa
Fanasan’ny Tompo


Fanasan’ny Tompo

Ny alin’ny Fanomboana Azy dia nihaona tamin’ny Apôstôliny i Jesoa Kristy ary nampiorina ny fanasan’ny Tompo. “Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo” (Lioka 22:19–20). Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nampiorina ny fanasan’ny Tompo teo anivon’ireo Nefita Izy (jereo ny 3 Nefia 18:1–11).

Ankehitriny dia mandray ny mofo sy ny rano isika ho fahatsiarovana ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ampahany manan-danja amin’ny fitsaohana ataontsika sy ny fivelarana ara-panahy izany ôrdônansy izany. Rehefa misaintsaina bebe kokoa ny dikan’izany isika dia mihamasina ho antsika izany.

Mahatsiaro ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany

Manolotra fahafahana hahatsiarovanao amim-pankasitrahana ny fiainana, sy ny asa fanompoana ary ny Sorompanavotan’ny Zanakalahin’Andriamanitra ny fanasan’ny Tompo.

Mahatsiaro ny vatany ianao rehefa mandray ilay mofo novakiana. Afaka mieritreritra lalina ny fijalijaliana ara-batana nahazo Azy ianao—indrindra ny fijalijaliany teo amin’ny hazofijaliana. Afaka mahatsiaro ianao fa amin’ny alalan’ny famindram-pony sy ny fahasoavany dia hitsangana amin’ny maty ny olon-drehetra sy homena fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra.

Ianao dia afaka mahatsiaro miaraka amin’ilay kaopy kely misy rano fa ny Mpamonjy dia nandatsaka ny rany tao anatin’ny fanaintainana sy fangirifiriana ara-panahy mahery vaika, nanomboka tany amin’ny Sahan’i Getsemane. Nilaza Izy tao hoe: “Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty” (Matio 26:38). Nijaly mihoatra noho izay azontsika takarina Izy rehefa nanaiky hanao ny sitrapon’ny Ray: “[N]ivoaka ny mason-koditra rehetra ny ra, fa ho lehibe loatra ny fitaintainany noho ny faharatsiana sy ny fahavetavetan’ ny olony” (Môsià 3:7). Afaka mahatsiaro ianao fa tamin’ny alalan’ny fandatsahany ny rany i Jesoa Kristy dia namonjy anao sy ny olon-drehetra avy tamin’ilay voalazan’ny soratra masina hoe “fahotana fototra” avy amin’ny fandikan-dalàn’i Adama (Mosesy 6:54). Afaka mahatsiaro ianao fa nizaka ny fahotana, sy ny fahoriana, ary ny fanaintainan’ireo zanaky ny Ray any an-danitra rehetra koa Izy, ka manome famelana ny fahotana ho an’ireo izay mibebaka sy miaina ny filazantsara (jereo ny 2 Nefia 9:21–23).

Ny Fanavaozana ireo Fanekempihavanana sy ireo Fitahiana Nampanantenaina

Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao dia mijoro ho vavolombelona amin’Andriamanitra fa ny fahatsiarovanao ny Zanakalahiny dia hihoatra lavitra an’ilay fotoana fohy handraisana izany ôrdônansy masina izany fotsiny. Mampanantena ny hahatsiaro Azy mandrakariva ianao. Mijoro ho vavolombelona ianao fa vonona ny hitondra eo aminao ny anaran’i Jesoa Kristy ary hitandrina ireo didiny. Manavao ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa ianao rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo sy manao izany fanoloran-tena izany (jereo ny Môsià 18:8–10; F&F 20:37).

Mahazo fitahiana goavana ianao rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa. Rehefa manavao izany ianao dia manavao ny famelany ny fahotanao izay nampanantenainy ny Tompo. Rehefa voadio amin’ny fahotana ianao dia afaka ny “[hanana] mandrakariva ny Fanahiny miaraka [aminao]” (F&F 20:77). Ny fananana ny Fanahy ho namana lalandava no iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra azonao raisina eto amin’ity fiainana an-tany ity. Hitarika anao any amin’ny lalan’ny fahamarinana sy fiadanana ny Fanahy, ka hitondra anao any amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rainao any an-danitra sy i Jesoa Kristy.

Mandray Amim-pahamendrehana

Eo am-piomanana amin’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro dia makà fotoana handinihana ny fiainanao sy hibebahana amin’ireo fahotanao. Tsy voatery ho tonga lafatra ianao vao afaka mandray ny fanasan’ny Tompo, saingy tokony hanana toetra manetry tena sy vonona hibebaka ao am-ponao. Tokony hiomana amin’izany ôrdônansy masina izany amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina ianao isan-kerinandro (jereo ny 3 Nefia 9:20).

Raha toa ka raisinao amin’ny fanehoana fanajana sy ny fanomezam-boninahitra mendrika azy ny fanasan’ny Tompo, dia ho lasa fotoana isan-kerinandro ahafahana manao fandinihan-tena sy fibebahana ary fanoloran-tena indray izany—ho loharano hitondra tanjaka sy fampahatsiahivana tsy tapaka ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.