Ireo loharano hafa
Ny Andriamanitra


Ny Andriamanitra

Milaza ny fanekem-pinoana voalohany fa “Mino an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay, isika ary mino an’ i Jesoa Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina.” Ireo olona telo ireo no mandrafitra Ny Andriamanitra. Izy ireo no miahy an’ity izao tontolo izao ity sy ireo zava-boahary hafa rehetra an’ny Raintsika any an-danitra.

Very nandritra ny apôstazia izay nitranga taorian’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany sy ny fahafatesan’ireo Apôstôliny ny fotopampianarana marina mikasika Ny Andriamanitra. Nanomboka naverina tamin’ny laoniny izany fotopampianarana izany rehefa nandray ny Fahitana Voalohany i Joseph Smith ilay zazalahy 14 taona (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:17). Fantatsika avy tamin’ny fitantaran’ny Mpaminany mikasika ny Fahitana Voalohany sy avy tamin’ireo fampianarany hafa fa ireo mpikambana ao amin’Ny Andriamanitra dia olona telo miavaka tsara. Ny Ray sy ny Zanaka dia manana vatana nofo sy taolana azo tsapain-tanana, ary ny Fanahy Masina kosa dia olona fanahy (jereo ny F&F 130:22).

Na dia olona miavaka tsara sy manana ny anjara andraikiny avy aza ireo mpikambana ao amin’Ny Andriamanitra dia iray kosa Izy ireo amin’ny tanjona sy ny fotopampianarana. Miray hina tanteraka Izy Ireo mba hanatanterahana ny drafitry ny famonjena masin’ny Ray any an-danitra.