Ireo loharano hafa
Fiantrana


Fiantrana

Ny fiantrana dia “ny fitiavana madion’i Kristy,” na “fitiavana mandrakizay” (Môrônia 7:47; 8:17). Nampianatra ny mpaminany Môrmôna fa: “Ny fiantrana dia mahari-po sady malemy fanahy, ary tsy mialona sy tsy mieboebo, tsy mikatsaka ny ho azy, tsy mora hantsina, tsy mihevitra ratsy, tsy mifaly amin’ ny tsy fahamarinana fa mifaly kosa amin’ ny fahamarinana, mizaka ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, miaritra ny zavatra rehetra” (Môrônia 7:45; jereo koa ny 1 Korintiana 13:4–7).

I Jesoa Kristy no ohatra tsara indrindra eo amin’ny fiantrana. Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia “nandehandeha nanao soa” hatrany Izy, nampianatra ny filazantsara ary nampiseho fangorahana feno fitiavana tamin’ireo mahantra, malahelo ary ory (jereo ny Matio 4:23; Marka 6:6; Asan’ny Apôstôly 10:38). Ny fanehoany fiantrana lehibe indrindra dia tamin’ny alalan’ilay Sorompanavotany tsy misy fetra. Hoy Izy hoe: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany” (Jaona 15:13). Izany no fihetsika lehibe indrindra naneho fahari-po sy hatsaram-panahy ary tsy fitiavan-tena izay hany ho fantatsika mandrakizay. Miaraka amin’izany fahatakarana ny fitiavana feno faharetan’ny Mpamonjy izany dia afaka mampihatra ny finoana sy mibebaka amin’ny otanao ianao, ary manana fahatokiana fa hamela ny helokao Izy sy hampatanjaka anao amin’ny ezaka ataonao mba hiaina ny filazantsara.

Tian’ny Mpamonjy handray ny fitiavany isika, sy tiany koa hizara izany amin’ny hafa. Nanambara tamin’ny mpianany Izy hoe: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia” (Jaona 13:34–35). Raiso ho ohatra ho anao ny Mpamonjy eo amin’ny fifandraisanao amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao sy ireo hafa. Miezaha hitia toy ny ataony, amim-pangorahana, amim-paharetana ary amim-pamindram-po tsy tapaka.

Rehefa mandray tsy tapaka ilay fitiavana tonga lafatry ny Mpamonjy ianao sy maneho fitiavana tahaka ny an’i Kristy amin’ireo hafa dia hahita fa mitombo ny fitiavanao. Hiaina fifaliana amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo ianao. Ho namanao lalandava ny Fanahy Masina, hitarika anao amin’ny asa fanompoana ataonao sy ny fifandraisanao amin’ny hafa. Ho vonona hihaona amin’ny Tompo ianao amin’ny Fitsarana, rehefa hanome izay anjara valisoanao Izy araky ny fanoloran-tenanao tamin’ny Asany. Nampianatra i Môrmôna hoe:

“Raha tsy manana fiantrana ianareo dia tsinontsinona, fa ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay. Koa, mifikira amin’ ny fiantrana izay ny lehibe indrindra amin’ ny zavatra rehetra, fa ny zavatra rehetra dia tsy maintsy ho levona—

“Fa ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’ i Kristy ary maharitra mandrakizay izany; ary na zovy na zovy no hita ho manana izany amin’ ny andro farany, dia soa ho azy izany.

“Noho izany ry rahalahiko malala dia mivavaha amin’ ny Ray amin’ ny herin’ ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’ izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanaradia marina an’ i Jesoa Kristy Zanany; mba hahatonga anareo ho zanak’ Andriamanitra; ka rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy tahaka ny maha-Izy Azy; mba hananantsika izany fanantenana izany; mba hahazoana manadio antsika tahaka Azy izay madio” (Môrônia 7:46–48).