Ireo loharano hafa
Fahamaotinana


Fahamaotinana

Ny fahamaotinana dia toetra maneho fanetren-tena sy fahamendrehana eo amin’ny fitafy, ny kojakoja hanaovana, ny fiteny ary ny fihetsika. Raha maotina ianao dia tsy manao zavatra diso tafahoatra izay mampisarika ny fijerin’ny hafa ho any aminao. Fa hikatsaka kosa ny “[h]ankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenana[o] [sy ny fanahinao]” ianao (1 Korintiana 6:20; jereo koa ny 1 Korintiana 6:19).

Raha tsy azonao antoka na maotina raha tsia ny fitafianao na ny fanaingoanao ny bika aman’endrikao dia manontania tena hoe: “Moa ve aho hahazo aina amin’izao bika aman’endriko izao raha toa ka eo anatrehan’ny Tompo?” Mety hametra-panontaniana mitovy amin’izany amin’ny tenanao koa ianao mikasika ny fiteninao sy ny fihetsikao: “Moa ve hiteny na handray anjara amin’ny karazan-javatra toy izao aho raha toa ka eo anatrehan’ny Tompo?” Ny famalianao amim-pahitsim-po an’ireo fanontaniana ireo dia mety hitarika anao hanao fanovana manan-danja eo amin’ny fiainanao. Ity fampahalalana manaraka ity dia hanampy anao eo amin’ny ezaka ataonao mba ho maotina.

Fomba fitafy sy Fanamboarana ny bika aman’endrika

Nanoro hevitra antsika foana ireo mpaminany mba hanao fitafy maotina. Izany torohevitra izany dia mifototra amin’ilay fahamarinana hoe ny vatan’olombelona dia zavatra masina noharian’Andriamanitra. Hajao amin’ny maha-fanomezana avy amin’Andriamanitra azy ny vatanao. Afaka mampiseho ny Tompo ianao amin’ny alalan’ny fitafianao sy ny bika aman’endrikao ety ivelany fa sarobidy aminao ny vatanao.

Manambara ny maha-izy anao ny fitafianao. Mampita hafatra mikasika anao izany ary misy fiantraikany amin’ny fihetsikao sy ny fihetsiky ny hafa izany. Rehefa milamina ny bika aman’endrikao ary manao fitafy maotina ianao dia afaka manasa ny Fanahy ho namanao ary afaka mitarika an’ireo manodidina anao amin’ny tsara.

Zava-dehibe ao anatin’ilay didy ho maotina ny fahatakarana ny hery masin’ny fananahana, ilay fahafahana mitondra zanaka eto amin’izao tontolo izao. Izany hery izany dia tsy azo ampiasaina raha tsy eo amin’ny samy mpivady ihany. Ireo akanjo somary mihanjakanjaka sy mitaona amin’ny filana ara-nofo, toy ny kilaoty fohy sy zipo fohy kely, akanjo manara-tena, ary akanjo ambony mampiseho kibo dia mety hiteraka faniriana sy fihetsika izay mandika ny lalàn’ny Tompo mikasika ny fahadiovam-pitondrantenana.

Ankoatra ny fisorohana ny fanaovana akanjo somary mihanjakanjaka dia tokony hialana ny fanaovana fitafiana sy ny fanamboarana ny bika aman’endrika ary ny taovolo amin’ny fomba mihoam-pefy. Aoka ianao hilamina sy hadio hatrany eo amin’ny fitafy, sy ny bika aman’endrika ary amin’ny fihetsika atao, ka tsy hisarita-pitafy na hanao fiakanjo tsy mendrika na oviana na oviana. Aza simbaina amin’ny tombokavatsa na tevika amin’ny vatana ny tenanao. Raha vehivavy ianao ka maniry ny hanevika ny sofinao dia lavaka iray isaky ny sofina ihany atao.

Tano ireo fitsipika ambonin’ny fahamaotinana ao anatin’ny zava-miseho rehetra. Aza manambany ny fitsipika iainanao mba hisarihana ny hafa hijery ny vatanao na hahazoana sitraka avy amin’ireo hafa. Ireo mpanara-dia marin’i Jesoa Kristy dia mihazona ny fitsipiky ny Tompo na inona na inona lamaody vaovao na faneren’ny hafa.

Fiteny sy Fihetsika

Maneho ny toetranao ihany koa, tahaka ny fomba fitafinao sy ny fanamboaranao ny bika aman’endrikao, ny fiteninao sy ny fihetsikao. Misy fiantraikany lalina eo aminao sy ireo hafa ny fiteninao sy ny fihetsikao. Asehoy ny hevitrao amin’ny alalan’ny fiteny madio, sy mifono zavatra tsara ary mampivoatra ny tenanao ary koa amin’ny fihetsika izay mitondra fifaliana ho an’ireo izay manodidina anao. Ny ezaka ataonao mba ho maotina eo amin’ny fiteny sy ny zavatra atao dia mitondra any amin’ny fahazoana fitarihana sy fankaherezana avy amin’ny Fanahy Masina.

Alaviro ny fiteny maloto sy tsy maotina, ary ny fanononononana foana ny anaran’ny Tompo izay fomba mahazatra an’izao tontolo izao. Tohero ireo fakam-panahy misarika anao handray anjara hanao fihetsika mihoam-pefy sy tsy mendrika. Manakana anao tsy hanana ny fahafahana handray ny bitsika malefaky ny Fanahy Masina ny endrika tsy maotina asehon’ny fiteny sy fihetsika toy izany.