Ireo loharano hafa
Andriamanitra Ray


Andriamanitra Ray

Andriamanitra Ray no Ilay Olona Faratampony izay inoantsika sy itsaohantsika. Izy no Mpahary, Mpanapaka ary Mpiaro ny zava-drehetra. Tanteraka Izy, manana ny fahefana rehetra ary mahafantatra ny zava-drehetra. “Manana vatana nofo sy taolana azo tsapaina toy ny an’ ny olona” Izy (F&F 130:22).

Ny Raintsika any an-danitra dia Andriamanitra manana fahaizana mitsara, manana tanjaka sy fahalalana ary hery, kanefa Izy ihany koa dia Andriamanitra manana famindram-po sy hatsaram-panahy ary fiantrana tonga lafatra. Na dia “tsy fanta[tsika aza] ny hevitry ny zava-drehetra,” dia afaka mahita fiadanana isika amin’ny fahalalana azo antoka fa tia antsika Izy (jereo ny 1 Nefia 11:17).

Ilay Rain’ny Fanahintsika

Iray amin’ireo fanontaniana lehibe eto amin’ny fiainana ny hoe: “Iza moa Aho?” Manampy na dia ny zaza madinika aza, hamaly ity fanontaniana ity ilay hiran’ny Kilonga iray izay be mpitia. Isika dia mihira hoe: “Zanaky ny Ray Aho, napetrany tety.” Ny fahafantarana fa zanak’Andriamanitra isika dia manome tanjaka sy, fankaherezana ary fanantenana.

Zanak’Andriamanitra ara-bakiteny ianao, teraka araky ny fanahy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Amin’ny maha-zanany anao dia afaka mahazo antoka ianao fa manana hery anaty hahatongavana ho masina sy mandrakizay ary Izy dia hanampy anao amin’ny ezaka ataonao amin-kitsimpo hanatrarana izany hery anaty tokony ho tratranao izany.

Ilay Mpahary Faratampony

Ny Ray any an-danitra no Mpahary Faratampony. Nahary ny lanitra sy ny tany ary ireo zava-drehetra eo aminy tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Izy (jereo ny Mosesy 2:1). Nilaza i Almà hoe: “Ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra; eny na dia ny tany aza sy ny zavatra rehetra eo amboniny, eny, ary ny fihodiny, eny, ary ny planeta rehetra koa izay mihodina araka ny laminy ara-dalàna dia vavolombelona fa misy ny Mpahary Faratampony” (Almà 30:44).

Makà fotoana indraindray handinihana ny hatsaran’ny fahariana: hazo, voninkazo, biby, tendrombohitra, ny onjan-dranomasina, ny zazakely vao teraka. Makà fotoana hibanjinana ny lanitra, izay ahitana fa ny fihodin’ireo kintana sy planeta dia porofo maneho fa “Andriamanintra [dia] mihetsika ao amin’ ny fahandrianany sy ny heriny” (jereo ny F&F 88:41–47).

Ilay Mpamorona ny Drafitry ny Famonjena

Tian’ny Raintsika any an-danitra hitoetra hiaraka Aminy mandrakizay isika. Ny asany sy ny voninahiny dia ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Mba hahatanteraka izany dia nanomana ny drafitry ny famonjena Izy. Nandefa an’i Jeosa Kristy Zanakalahy Malalany Izy hamaha ny fatotry ny fahafatesana ary hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Izany fahafoizan-tena izany dia fanehoam-pitiavana lehibe indindra avy amin’ny Ray ho antsika.

Lasa Mahafantatra an’Andriamanitra Ray

Amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika dia manana fifandraisana manokana Aminy isika, izay mampiavaka antsika amin’ireo zavatra hafa rehetra nohariany. Mikatsaha ny hahafantatra ny Rainao any an-danitra. Tia anao Izy, ary nomeny fahafahana sarobidy mba hanakaiky Azy ianao rehefa mivavaka. Reny sy valiany ireo vavaka atolotrao amim-panetren-tena sy amin-kitsimpo.

Afaka ny ho tonga any amin’ny fahafantarana ny Rainao any an-danitra koa ianao amin’ny alalan’ny fandalinana mikasika ilay Zanaka Malalany sy amin’ny alalan’ny fampiharana ny filazantsara eo amin’ny fiainanao. Nampianatra ny mpianany ny Mpamonjy hoe: “Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa. … Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:7, 9).

Manatona akaiky an’Andriamanitra Ray ianao rehefa mandalina ny soratra masina sy ireo tenin’ny mpaminanin’ny andro farany ary rehefa manao asa fanompoana. Rehefa manao ny sitrapon’Andriamanitra sy miaina araka ny fomba tiany hiainanao ianao dia hitovy bebe kokoa Aminy sy ilay Zanakalahiny. Miomana hiverina hiaina eo Anatrehany ianao.