Ireo loharano hafa
Filokana


Filokana

Manohitra ny filokana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ao anatin’izany ireo loteria iantohan’ny fitondram-panjakana.

Mifono faniriana hahazo zavatra tsy nisasarana ny filokana. Izany faniriana izany dia manimba ara-panahy. Izany dia mitarika ireo izay mandray anjara hanalavitra ny fampianaran’ny Mpamonjy mikasika ny fitiavana sy ny asa fanompoana ary mitondra azy ireo mankany amin’ny fitiavantena izay an’ ilay fahavalo. Manambany ny hasin’ny asa sy ny fitsitsiana izany ary ny faniriana hanao ezaka amim-pahamarinan-toetra amin’ny zava-drehetra ataontsika.

Ireo izay mandray anjara amin’ny filokana dia vetivety dia mahatsapa fahadisoam-panantenana noho ny fiheverana fa afaka manome zavatra kely na tsy misy izy ireo ary hahazo zavatra sarobidy avy eo. Izy ireo dia mahita fa nanary vola be, sy ny voninahiny, ary ny fanajan’ny olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo namany azy ireo. Rehefa voafitaka sy miankin-doha amin’izany izy ireo, dia matetika no miloka amin’ny vola izay tokony ho ampiasaina amin’ny zavatra hafa, toy ny fividianana ireo zavatra fototra ilain’ny fianakaviany. Indraindray ireo mpiloka no tratran’ny fanandevozana ary tena kivy eo amin’ny fandoavana ny trosan-dokany ka lasa mangalatra sy manana laza ratsy.

Manentana antsika hiara-hisalahy amin’ny hafa ny Fiadidiana Voalohany mba hanohitra ny fanamarinana ho ara-dalàna ireo karazan-doka mety misy eo amin’ny fiaraha-monina sy ny fanohanan’ny fitondram-panjakana izany.