Ireo loharano hafa
Fahafolonkarena


Fahafolonkarena

Iray amin’ireo tombontsoa amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fahafahana mandoa ny Fahafolonkarena. Mandray anjara amin’ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany ianao amin’ny fanajana ny lalàn’ny Fahafolonkarena.

Famaritana sy Tanjon’ny Fahafolonkarena

Ny hoe mandoa feno ny fahafolonkarena dia ny fanomezanao ny iray ampahafolon’ny vola miditra aminao ho an’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fiangonany. Omenao ny mpikambana iray amin’ny ao epîskôpà na ny fiadidian’ny sampana ny fahafolonkarenanao.

Mandefa ny volan’ny Fahafolonkarena mivantana any amin’ny foiben’ny Fiangonana ireo mpitarika eo an-toerana, ka tapahan’ny filankevitra iray any ireo fomba ampiasana izany vola masina izany. Ity filankevitra ity dia ahitana ny Fiadidiana Voalohany, ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Episkôpà Miahy. Amin’ny alalan’ny fanambarana dia mandray fanapahan-kevitra arak’izay torolalana omen’ny Tompo izy ireo. (Jereo ny F&F 120:1.)

Ireo volan’ny fahafolonkarena dia ampiasaina amin’ny tanjon’ny Tompo—mba hananganana sy hikarakarana ireo tempoly sy trano fiangonana, hanohanana ny asa fitoriana ny filazantsara ary hanatanterahana ireo asan’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao.

Ireo Fitahiana avy amin’ny Fandoavana Fahafolonkarena Feno

Mitaky fahafoizan-tena ny lalàn’ny fahafolonkarena, kanefa ny fankatoavanao izany lalàna izany dia mitondra fitahiana izay lehibe lavitra mihoatra izay zavatra nafoinao hatramin’izay. Nampianatra ny mpaminany Malakia hoe:

“Entonareo ny fahafolonkarena rehetra ho ao amin’ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’izany Aho… raha tsy hovohako ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo” (Malakia 3:10).

Tonga amin’ireo rehetra izay mandoa ny folo isan-jatony feno avy amin’izay vola miditra aminy ireo fitahiana ireo, na dia kely aza izany totalim-bola izany. Hitahy anao ara-panahy sy ara-nofo ny Tompo rehefa mankato izany lalàna izany ianao.

Manao Fanoloran-tena Handoa Fahafolonkarena

Raha toa ka mbola tsy nametraka lamina handoavana tsy tapaka ny fahafolonkarena ianao dia mety hanana fahasahiranana hino fa afaka manome ny iray ampahafolon’ny vola miditra aminao ianao. Kanefa ireo mpandoa fahafolonkarena feno dia mahafantatra fa tsy afaka ny tsy handoa fahafolonkarena izy ireo. Amin’ny endriny ara-bakiteny tokoa sy amin’ny fomba mahavariana dia misokatra ny varavaran’ny lanitra ary nirotsaka eo amin’izy ireo ny fitahiana.

Tsarovy fa tsy dia resa-bola loatra ny fandoavana fahafolonkarena fa resaka finoana. Matokia ny Tompo. Nanome didy ho tombontsoantsika Izy, ary nampiarahany tamin’ny fampanantenana izany. Mikatsaha hery ao amin’ny finoan’i Nefia izay niteny hoe: “Aoka isika ho mahatoky amin’ ny fitandremana ny didin’ ny Tompo; fa indro Izy dia mahery kokoa noho ny tany iray manontolo” (1 Nefia 4:1).