Ireo loharano hafa
Fankasitrahana


Fankasitrahana

Nampanantena ny Tompo fa “Izay mandray ny zava-drehetra amin’ ny fankasitrahana dia hatao be voninahitra” (F&F 78:19). Toetra mitondra hery sy manandratra ny fankasitrahana. Afaka miteny mihitsy ianao avy tamin’ny zavatra niainanao fa faly kokoa ianao rehefa feno fankasitrahana ny fonao. Tsy afaka ny ho feno fankahalana na hanana lolompo, na ratsy fanahy ianao rehefa feno fankasitrahana.

Manehoa fisaorana noho ireo fitahiana tena tsara izay voarainao. Manehoa fankasitrahana noho ireo tombontsoa lehibe anananao. Misaora ny ray aman-dreninao. Ampahafantaro azy ireo izany fankasitrahanao azy ireo izany. Isaory ireo namanao sy ny mpampianatrao. Manehoa fankasitrahana an’ireo olona rehetra izay manampy anao amin’ny fomba samy hafa.

Isaory ny Rainao any an-danitra noho ny hatsaram-panahiny aminao. Afaka maneho ny fankasitrahanao an’Andriamanitra ianao amin’ny alalan’ ny fanekenao ny Tanany amin’ny zava-drehetra, amin’ny alalan’ny fisaorana Azy noho ireo zava-drehetra izay omeny anao, ary amin’ny alaln’ny fitandremana ny didiny sy ny fanompoana ny hafa. Isaory Izy noho ilay Zanaka Malalany, Jesoa Kristy. Manehoa fisaorana noho ny ohatra lehibe nasehon’ny Mpamonjy, noho ny fampianarany, ny fanolorany ny tanany mba hanome hery sy hanampy, ary noho ny Sorompanavotany tsy manam-petra.

Isaory ny Tompo noho ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny. Isaory Izy amin’ny zava-drehetra entin’izany ho anao. Isaory Izy noho ireo namana sy fianakaviana. Aoka ny fanahin’ny fankasitrahana hitarika sy hitahy anao andro aman’alina. Miezaha mba hahay hankasitraka. Ho hitanao fa hitondra vokatsoa izany.