Ireo loharano hafa
Fifanampiana


Fifanampiana

Manana andraikitra fototra roa ao anatin’ny fifanampiana ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay: ny hanana fizakan-tena sy ny hikarakara ireo mahantra sy ireo mila fanampiana.

Manana andraikitra masina ny hiahy izay mahasoa ara-panahy sy ara-nofon’ireo zanany ireo ray aman-dreny. Rehefa mihalehibe ireo ankizy dia lasa tompon’andraikitra bebe kokoa amin’izay zava-mahasoa ny tenany manokana izy ireo. Ny ray aman-dreny dia tokony hampianatra azy ireo ireo fitsipika fototry ny fifanampiana ireo sy manampy azy ireo hizaka tena ary ho vonona hikarakara ny fianakaviany manokana amin’ny hoavy. Afaka manome fahafahana an’ireo zanaka koa izy ireo mba hanampy amin’ny fikarakarana ireo mahantra sy mila fanampiana.

Raha toa ka olon-dehibe mpikamban’ny Fiangonana ianao dia mihatra mivantana aminao ireto torohevitra manaraka ireto. Raha toa ka zatovolahy na zatovovavy ianao dia mihatra aminao koa ny ankamaroan’ireto torohevitra, na dia mbola miankin-doha tanteraka amin’ny ray aman-dreninao aza ianao.

Lasa Mizaka Tena

Ny andraikitra mba hahazoana izay mahasoa anao ara-tsôsialy, ara-pihetseham-po, ara-panahy, ara-batana ary ara-bola dia eo am-pelatananao voalohany indrindra, faharoa eo amin’ny fianakavianao ary fahatelo eo amin’ny Fiangonana. Eo ambany fanentanam-panahin’ny Tompo sy amin’ny alalan’ny asa ataon’ny tena manokana dia tokony hanome izay zavatra ilain’ny tenanao sy ny fianakavianao ara-panahy sy ara-nofo eo amin’ny fiainana ianao.

Afaka miahy tsara kokoa ny tenanao sy ny fianakavianao ianao rehefa manana fizakan-tena. Ho vonona hiatrika ireo fotoan’ny fizahan-toetra ianao ka tsy hiantehitra amin’ny hafa.

Afaka ny hanana fizakan-tena ianao amin’ny alalan’ny (1) fanararaotana ireo fahafahana mianatra; (2) fampiharana ireo fitsipika mahombin’ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy ny fahadiovana; (3) fiomanana hahazo asa tsara sy ny fanaovana izay hahazoana izany; (4) fanobiana karazan-tsakafo sy fitafiana arak’izay avelan’ny lalàna hatao; (5) fitantanana izay eo am-pelantananao amim-pahendrena, ka ao anatin’izany ny fandoavana ny fahafolonkarena sy ny fanatitra ary ny fisorohana ny trosa; ary (6) fampitomboana ireo tanjaka ara-panahy, sy ara-pihetsehampo ary ara-tsôsialy.

Mba hahafahana hanana fizakan-tena dia tsy maintsy manam-paniriana ny hiasa ianao. Nandidy antsika hiasa ny Tompo (jereo ny Genesisy 3:19; F&F 42:42). Loharano fototry ny fahasambarana sy ny fananana ny maha-izy azy ary ny firoboroboana ny asa mendri-kaja.

Raha toa ka tsy afaka manome izay zavatra fototra ilainao ao anatin’ny fotoana voafetra ianao amin’ny alalan’ny ezaka ataonao manokana na amin’ny alalan’ny fanohanan’ireo olona ao amin’ny fianakaviana dia mety afaka hanampy anao ny Fiangonana. Amin’ny toe-javatra toy izany dia matetika ny Fiangonana no manome loharanom-panampiana eo amin’ny fiainana ho anao sy ny fianakavianao mba hanananareo indray ny fizakan-tena.

Mikarakara ireo Mahantra sy ireo Mila fanampiana

Nandidy hatrany ny vahoakany hikarakara ny mahantra sy ireo mila fanampiana ny Tompo. Hoy Izy hoe: “Tsy maintsy mamangy ny mahantra sy ny sahirana [ianao] ary manamaivana ny fahoriany” (F&F 44:6). Nandidy koa Izy hoe: “Ary tsarovy amin’ ny zavatra rehetra ny mahantra sy ny sahirana, ny marary sy ny ory, fa izay tsy manao ireo zavatra ireo dia tsy mpianatro” (F&F 52:40).

Afaka mikarakara ireo mahantra sy mila fanampiana amin’ny fomba maro ianao. Ny fomba iray manan-danja dia amin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy fitondrana ny anjara biriky eo amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina, izay ampiasain’ny eveka na filohan’ny sampana hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny paroasy na sampana izay hianjadian’ny fahantrana, aretina, na zava-manahirana hafa. Afaka manolotra ny fotoananao sy mizara ny talentanao koa ianao. Afaka manompo ireo tsy manan-kialofana, sembana, mananotena ary ireo hafa eo anivon’ny mpifanolobodirindrina sy fiaraha-monina misy anao ianao.

Ankoatra ny fikarakarana atolotra eo an-toerana sy ho an’ny olona manokana ho an’ireo izay mila fanampiana dia manampy ireo olona maneran-tany koa ny Fiangonana, na inona na inona finoany, izay mijaly vokatry ny loza ara-boajanahary, ny fahantrana, ny aretina ary ireo olana hafa. Manome zavatra ilaina eo amin’ny fiainana ny Fiangonana hanampiana ireo fianakaviana sy ny olona tsirairay hitraka sy hiasa mba hananana fizakan-tena. Ny fanomezana ao amin’ny Fonds Pérpetuel d’Etudes an’ny Fiangonana dia manome fitaovana ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany tsy manan-katao handrato fianarana ambonimbony kokoa. Ireo misiôneran’ny Fiangonana dia manolotra an-tsitrapo ny fotoanany sy ireo loharano izay ananany mba hanatsarana ny tsy fahazaina mamaky teny sy manoratra, hanatsarana ny fahasalamana ary hanomezana fanofanana.