Ireo loharano hafa
Takarivan’ny Mpianakavy


Takarivan’ny Mpianakavy

Ny tokantrano no toerana manan-danja indrindra ho an’ny fianarana ny filazantsara. Tsy misy rafitra hafa izay afaka manolo ny toeran’ny fianakaviana. Namerimberina niantso ireo ray aman-dreny ireo mpaminanin’ny andro farany mba hitaiza ny zanany amim-pitiavana sy amin’ny alalan’ny fampianarana ny filazantsara.

Tamin’ny 1915 ny Filoha Joseph F. Smith sy ireo mpanolotsainy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanomboka nanao ezaka manerana ny Fiangonana amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviana. Nanentana ny ray aman-dreny tao am-piangonana izy ireo mba hanangona ny zanany indray mandeha isan-kerinandro hanao “Takarivan’ny Mpianakavy.” Ny fianakaviana dia tokony hanokana fotoana hiarahana mivavaka sy mihira, mamaky ny soratra masina, mifampianatra ny filazantsara ary mandray anjara amin’ny fiaraha-mientana hafa izay hanorina ny firaisan-kinan’ny mpianakavy.

Tamin’ny 1970, ny Filoha Joseph Fielding niaraka tamin’ireo mpanolotsainy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanendry ny Alatsinainy hariva ho fotoana ho an’ny takarivan’ny mpianakavy. Nanomboka hatramin’izay fanambarana izay dia tsy nasian’ny Fiangonana zavatra atao any am-piangonana ny Alatsinainy hariva mba hahafahan’ny fianakaviana miaraka amin’io fotoana io.

Manohy mampitandrina ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo mpaminanin’ny andro farany mba hanao ho laharam-pahamehana ny takarivan’ny mpianakavy. Nampanantena izy ireo fa ny fahazotoantsika manatanteraka izany fandaharan’asa izany dia hiaro ny fianakaviantsika manoloana ireo faharatsiana amin’izao fotoana iainantsika izao ary hitondra fifaliana sesehena ho antsika amin’izao fotoana izao ka hatrany amin’ny mandrakizay.

Tokony hanokana ny Alatsinainy hariva ho fotoana masina natokana ho an’ny takarivan’ny mpianakavy ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana. Raha manambady ianao dia manaova takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro miaraka amin’ny vadinao. Rehefa manan-janaka ianao dia ampidiro ao anatin’ny takarivan’ny mpianakavy izy ireo. Ampifanaraho amin’ny zavatra ilainy sy izay mahaliana azy ireo ny fandaharam-potoana ary avelao handray anjara izy ireo. Rehefa lehibe sy miala ao an-tokantrano ny zanakareo dia tohizo ny fanaovana ny takarivan’ny mpianakavy miaraka amin’ny vadinao.

Raha toa ianao ka tokan-tena dia afaka mangataka amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampanao handrindra takarivan’ny mpianakavin’ny vondron’olona iray mba ho anao sy ireo mpikambana tokan-tena hafa ao amin’ny paroasinao na ny sampana misy anao. Mety hiantso mpitarika ny takarivan’ny mpianakavy izy, izay ho tompon’andraikitra amin’ny fandaminana ny fandaharam-potoana sy hanara-maso fa misy tsy tapaka izany takariva izany.

Voatanisa manaraka eto ireo sosokevitra handrafetana ny takarivan’ny mpianakavy:

  • Hira fanombohana

  • Vavaka fanombohana

  • Famakiana soratra masina

  • Lesona

  • Fiaraha-mientana

  • Hira famaranana

  • Vavaka famaranana

  • Fialana hetaheta sy sakafo maivana

Rehefa manomana lesona ho an’ny takarivan’ny mpianakavy ianao dia tsarovy ny tokony hampifantohana azy ireny amin’ny soratra masina, ireo fampianaran’ny mpaminanin’ny andro farany ary ireo zavatra niainan’ny tena manokana sy fijoroana ho vavolombelona. Afaka manampy anao eo amin’ny fisafidianana ireo lohahevitra ho ampianarina ity boky ity. Ho fanampin’izany dia afaka mijery ireo boky hafa natontan’ny Fiangonana ianao, toy ny Family Home Evening Resource Book [Récueil d’Idées pour la Soirée Familiale] (31106), Fitsipiky ny Filazantsara (06195), ny Boky Torolalana ho an’ny Fianakaviana (31180), ary ireo Gazetibokim-piangonana.