Ireo loharano hafa
Fanimbazimbana


Fanimbazimbana

Ny fanimbazimbana dia tsy fanajana na faniratsirana ireo zavatra masina. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana ny anaran’ireo mpikambana ao amin’Ny Andriamanitra tsy araky ny tokony ho izy sy amin’ny fomba feno tsy fanajana. Ao anatin’izany koa ireo fomba fiteny na fihetsika maloto sy mirefarefa amin’ny tany.

Ampiasao amim-panajana foana ny anaran’ny Ray any an-danitra, sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina. Ny fanononononana foana ny anaran’izy ireo dia fahotana. Manafintohina ny Tompo sy ireo hafa ny fiteny na fihetsika feno fanimbazimbana sy mirefarefa amin’ny tany, na tsy mahalala fomba.

Ny teny ratsy dia manimba ny fanahinao sy manambany anao. Aza avela hitarika anao hampiasa teny ratsy ny hafa. Mampiasa kosa teny madio izay manome hery ny hafa. Mifidiana namana izay mampiasa fiteny madio. Manehoa ohatra izay hamporisika ireo eo amin’ny manodidina anao hampiasa teny madio. Raha toa ireo namana sy olom-pantatra ka manao fanimbazimbana, dia amporisiho amin-katsaram-panahy izy ireo mba hisafidy teny hafa. Raha mbola mikiry manao izany izy ireo dia misitaha amim-panajana na ovay ny zavatra resahana.

Raha toa ka zatra miteny ratsy ianao dia afaka manajanona izany. Atombohy amin’ny fanapahana hevitra ny hiova izany. Mivavaha mba hahazo fanampiana. Raha tratran’ny fakam-panahy hampiasa fiteny manimbazimba ianao dia aleo mangina na lazao amin’ny fomba hafa ny zavatra tianao ho tenenina.