Ireo loharano hafa
Fahazavan’i Kristy


Fahazavan’i Kristy

Ny Fahazavan’i Kristy dia “mivoaka avy eo anatrehan’ Andriamanitra mba hameno ny fidadasiky ny habakabaka.” Izany no “fahazavana izay ao amin’ ny zava-drehetra, izay manome aina ny zava-drehetra, dia lalàna izay itondrana ny zava-drehetra” (F&F 88:12–13; jereo koa ny F&F 88:6–11). Hery mitarika hanao ny tsara eo amin’ny fiainan’ny olon-drehetra izany hery izany (jereo ny Jaona 1:9; F&F 93:2). Ny Fahazavan’i Kristy dia matetika antsoina hoe ny Fanahin’ny Tompo, ny Fanahin’Andriamanitra, ny Fanahin’i Kristy, na ny Fahazavan’ny Fiainana ao amin’ny soratra masina.

Tokony tsy ho afangaro amin’ny Fahazavan’i Kristy ny Fanahy Masina. Tsy olona izy io ka tsy tahaka ny Fanahy Masina. Mitarika ny olona hahita ny filazantsara marina, sy ho atao batisa ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina izany (jereo ny Jaona 12:46; Almà 26:14–15).

Ny feon’ny fieritreretana dia fisehoan’ny Fahazavan’i Kristy, izay manome fahafahana antsika hanavaka ny tsara amin’ny ratsy. Nampianatra ny mpaminany Môrmôna hoe: “Ny Fanahin’ i Kristy dia nomena ny olon-drehetra mba hahazoany manavaka ny tsara amin’ ny ratsy; koa asehoko anareo ny fomba hitsarana; fa ny zavatra tsirairay izay manainga hanao ny tsara sy handresy lahatra mba hino an’ i Kristy dia alefan’ ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’ i Kristy; koa dia azonareo fantarina amin’ ny fahalalana tanteraka fa avy amin’ Andriamanitra izany. … Ary ankehitriny, ry rahalahiko, satria fantatrareo ny hazavana izay ahazoanareo mitsara, hazavana izay hazavan’ i Kristy, dia ataovy izay tsy hitsaranareo diso; fa amin’ ny fitsarana izay itsaranareo ihany no itsarana anareo koa” (Môrônia 7:16, 18).