Ireo loharano hafa
Fahotana Fototra


Fahotana Fototra

Miaina ao anatin’ny toetry ny fahalavoana ny olon-drehetra, vokatry ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, izay noroahana tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra ary niharan’ny fahafatesana ara-batana. Kanefa dia tsy meloka tamin’ny antsoin’ny maro hoe: “fahotana fototra” isika. Amin’ny teny hafa dia tsy tompon’andraikitra tamin’ny fandikan-dalàna nataon’i Adama tao amin’ny Sahan’i Edena isika. Nilaza ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Mino isika fa hofaizina noho ny fahotany ihany ny olona fa tsy noho ny fandikan-dalàna nataon’ i Adama” (Fanekem-pinoana 1:2).

Nanonitra ny saran’ny fandikan-dalàna tao amin’ny Sahan’i Edena tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany ny Mpamonjy (jereo ny Mosesy 6:53). Nanome antoka ny fahazoantsika ny fitsanganana amin’ny maty Izy ary nanome fampanantenana fa raha mahatoky isika dia afaka miverina mitoetra mandrakizay eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra.