Ireo loharano hafa
Trosa


Trosa

Tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith no nilazan’ny Tompo tamin’ny vondron’ny Olomasina iray hoe: “Ny sitrapoko dia ny handoavanareo ny trosanareo rehetra” (F&F 104:78). Efa tany am-piandohan’ny Fiangonana ireompaminanin’ny Tompo no nampitandrina antsika foana mba hisoroka ny fangejan’ny trosa.

Iray amin’ireo loza be ateraky ny trosa ny zana-bola miaraka aminy. Ireo fomba fampindramam-bola sasany, toy ireo karam-pindramam-bola any amin’ny banky, dia avo be tokoa ny sandan-janabolany. Raha vao mitrosa ianao dia ho hitanao fa tsy mamindra fo ny sandan-janabola. Tsy mitsaha-mitombo izany, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainanao—na miasa ianao na tsy miasa, na salama ianao na marary. Tsy ho afaka mihitsy izany mandrapandoa ny trosa. Aza mety ho voafitaky ny fisarihana hindram-bola, na dia manintona tokoa aza izany noho ireo fampanantenana fa ho ambany ny sandan-janabola na tsy hisy sandan-janabola mihitsy mandritra ny fotoana voafetra.

Jereo ny toe-bolanao. Mifeheza tena eo amin’ny zavatra vidiana, ary halaviro ny trosa raha mbola azo atao. Amin’ny ankapobeny dia afaka misoroka ny trosa ianao amin’ny alalan’ny fitantanana amim-pahendrena ny eo am-pelantananao. Raha toa ka tsy maintsy nindram-bola ianao, mba hividianana trano tsotsotra iray amin’ny vidiny mora na mba hamitana ny fianaranao, dia miasà mba hahafahana mamerina izany faran’izay haingana ary mba hahafahanao manafaka ny tenanao amin’izany fangejana izany. Rehefa voaloanao ny trosanao ary nahangom-bola ianao dia ho vonona hiatrika ireo fahasahiranana ara-bola izay mety hitranga eo aminao. Hanana trano fialofana ho an’ny fianakavianao ianao ary fiadanana ao am-ponao.