Ireo loharano hafa
Feon’ny fieritreretana


Feon’ny fieritreretana

Ny olona rehetra dia teraka niaraka tamin’ny fahafahana manavaka ny tsara sy ny ratsy. Izany fahafaha-manavaka izany izay antsoina hoe feon’ny fieritreretana, dia fisehoan’ny Hazavan’i Kristy (jereo ao amin’i Môrônia 7:15–19).

Ny feon’ny fieritreretanao dia fiarovana iray izay hanampy anao hanalavitra ireo toe-javatra mety hanimba ara-panahy. Rehefa mankatò ireo didy ianao ary mandray fanapahan-kevitra ara-drariny dia hahatsapa fiadanan’ny eritreritra.

Rehefa manota ianao dia hahatsapa nenina na fahamelohana, toy ny fahatsapana fanaintainana ara-batana rehefa maratra. Izany no fomba ara-boajanahary hamalian’ny feon’ny fieritreretanao ny ota, ary afaka mitarika anao hibebaka izany.

Manavao ny fiadanan’ny eritreritra ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Etsy ankilany, ny feon’ny fieritreretanao dia ho simba tahaka ireny “voapetaky ny vy mahamay” ireny (1 Timoty 4:2) raha toa ka tsy miraharaha ny feon’ny fieritreretanao sy tsy mibebaka ianao.

Mianara manaraka izay lazain’ny feon’ny fieritreretanao. Ampahany manan-danja eo amin’ny fampiharana ny fahafahanao misafidy izany. Raha arahana bebe kokoa izay lazain’ny feon’ny fieritreretanao dia hatanjaka bebe kokoa izany. Ny saina mora mahatsapa zavatra dia mariky ny fahasalaman’ny fanahy.